PolitikaSongadim-baovao
MIROSO NY TETIKASA TANAMASOANDRO…: Hatomboka amin’ity taona ity ny fananganana ireo Biraon’ny Minisitera
Nandritra ny taom-panokafana ny fambolen-kazo omaly, tao amin’ny Tanamasoandro Imerintsiantosika no nanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa miroso ary hafainganina ny asa eny an-toerana. Hafindra eny amin’ny Tanamasoandro avokoa ireo biraon’ny minisitera rehetra. Nasongadiny fa hanomboka amin’ity taona ity ny fanorenana ny Birao vaovao midadasiky ny minisiteran’ny Foloalindahy, sy ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny…
Nandritra ny taom-panokafana ny fambolen-kazo omaly, tao amin’ny Tanamasoandro Imerintsiantosika no nanambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa miroso ary hafainganina ny asa eny an-toerana. Ny fanaovana izao fambolen-kazo ao amin’ny Tanamasoandro izao dia anamarihana fa mitohy ny asa. “Hanamarika ny tantaran’i Madagasikara isika. Ary ho vitaina anatin’ny fotoana fohy ny asa. Matoa isika tonga eto dia midika izany fa miroso ary hafainganina ny asa”, hoy izy. Mahatratra 900 ha moa ny velaran-tany misy ny Tanamasoandro. Tsy maintsy tontosa hatramin’ny farany’ araka izany, ny tetikasa Tanamasoandro. Ary nitondra ireo rehetra tonga nanatanteraka ny fambolen-kazo tao Imerintsiatosika ny Filoha niaraka taminy hitsidika ireo “sites” samihafa hanorenana biraom-panjakana, toeram-ponenana. Hafindra any amin’ny Tanamasoandro avokoa ireo biraon’ny minisitera rehetra. Ny “maison de la presse et de la culture” ohatra dia efa miorina ao an-toerana. Avy amin’ny alalan’ny fiaraha-miasa amin’ny firenena Sinoa, dia hanomboka amin’ity taona ity ny fanorenana ny birao vaovao midadasiky ny minisiteran’ny Foloalindahy, sy ny minisiteran’ny Raharaham-bahiny.
Fotodrafitrasa maro loha…
Hisy koa lapa ho an’ny Fiadidian’ny Repoblika, sy Lapa ho an’ny Fiadidian’ny Primatiora koa ao an-toerana. Tahaka izany koa ny “Quartier des ambassades”. Ireo rehetra ireo dia ao anatin’ny faritry ny fitantanana ny raharaham-panjakana, manana velarana 252.258 m2. Misy koa ny faritry ny toeram-ponenana, izay mahatrara 190.886 m2. Ahitana trano avo tsara indrindra. Hisy koa ireo “villa de luxe”. Hisy ireo trano avo misy “logements sociaux” koa ao amin’ny Tanamasoandro. Ho an’ireto farany dia efa manomboka mandavaka ny fototra ireo misahana ny asa. Hisy koa ny faritra ho an’ireo toeram-pianarana sy toeram-pitsaboana, ary koa ny toeram-pamaharan’ireo Mpitandro filaminana. Eo koa ireo toeram-pivarotana maro samihafa.
Tanàna moderina maha te honina
Anjara asan’ny Sekretariam-panjakana miadidy ny tanàna vaovao eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika moa ny fanatontosana ity tetikasa Tanamasoandro ity. Raha ny hita nandritra ny fitsidihana ny toerana nataon’ny Filoha Andry Rajoelina fa efa vaofaritra mazava ny zotra hanorenana ny “Avenue Masoandro”. Manamorona izany no hitoeran’ireo “botika mihaka tahaka ny hita any ivelany ireny. « Efa misy naneho fahavononana ny hametraka tsena ao amin’ny Tanamasoandro izy ireo », hoy ny tomponandraikitry ny eo anivon’ny Sekreteram-panjakana miadidy ny Tanàna vaovao nitarika ny fitisidihana. Izany dia ankoatra ny ivon-toeram-pivarotana goavana, izay aorina ao an-toerana. Efa hita mazava koa ny zotra izay hisy ny “fleuve vert” izay hanome endrika tsara ity tanàna vaovao ity. Ny tanjona ho an’ny Tanamasoandro moa, dia tanàna moderina, maha te honina, ary manaja ny tontolo iainana. Niakatra hatreny an-tendron’ny havoana izay hametrahana ny “totem”, na tsanganana entina hatao ahafantarana an’i Tanamasoandro tahaka ny « tour Eiffel » any Paris, sy toy ny Tsangambaton’ny fahafahana any New York moa ny Filoha mivady. Avy eo moa, dia afaka mahita manontolo an’i Tanamasoandro. Ary raha mihiratra aza ny andro dia afaka mahita ny haikanton’i Madagasikara koa.
Rado Harivelo



