PolitikaSongadim-baovao

FANAMAFISANA NY SAZIN’NY MPANOLANA: Handinika ny fanovana ny fehezan-dalàna famaizana ireo Parlemantera

Hanomboka anio ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Antenimiera roa tonta, araka ny tapaka tamin’ny Filankevitry ny Minisitra, ny alarobia 24 janoary 2024 teo. Araka ny lalàna dia izay lahadinika nofaritan’ny Governemanta ihany no dinihina mandritra ny fivoriana tsy ara-potoana tahaka izao. Ka tafiditra ao anatin’izany ny handinihina ny fanovana ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny sazy ho an’ireo olona voaheloka amina raharaha fanolanana.

Isan’ny nisongadina tamin’ny kabarin’ny Filoha Andry Rajoelina ny faran’ny taona 2023 ny fanamafisana ny sazin’ireo olona voaheloka amina raharaha fanolanana. Nambaran’ny Filoha fa ankoatra ny sazy fanagadrana mandrapahafaty, dia hatao sesitany daholo ihany koa izay tratra manolana zaza tsy ampy taona. Manampy izany koa, hisy tsindrona ho atao amin’ny filahian’ireo tratra manao izany ihany koa mba tsy hahafahany manao izany amin’ny olona hafa intsony, io ilay antsoina hoe “castration chimique”, hoy hatrany ny Filoha. Ny loharanom-baovao hafa no nilaza fa hisy fandidiana ho atao mihitsy ho an’ireo izay tratra nanolona zazakely tsy ampy taona, ka tsy hanana filàna intsony mandrakizay.  

Hatramin’ny fiandohan’ity taona ity fotsiny dia saika ho isan’andro no hahenoina trangana fanolanana. Nanamafy ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, nandritra ny fandaharana nataony ny zoma teo, fa tsy ny vatan’ireo ankizy ihany no simba sy potika rehefa misy tranga fanolanana fa ny saina ihany koa. Izany indrindra, hoy izy, no nahatonga ny Filoham-pirenena nanenjana bebe kokoa ny sazy ho an’ireo voaheloka amin’izany fanolanana izany.  

Hivory tsy ara-potoana manomboka anio

Ny Lalàmpanorenana dia mandidy ny tsy maintsy hampahafantaran’ny Governemanta eny anivon’ny Parlemanta, ny Programa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izay faritana sy atolotry ny Filohan’ny Filohan’ny Repoblika eo anivon’ny Filan-kevitry ny Minisitra. Manoloana izany indrindra, ho fanatanterahana ny andininy faha-76 sy 85 ny lalàmpanorenana dia nolanian’ny Filankevitry ny Minisitra, ny alarobia teo, ny didim-panjakana mampiantso ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Parlemanta, manomboka ny Alatsinainy 29 Janoary 2024 ary tsy mihoatra ny 12 andro, araka ny voalazan’ny lalàmpanorenana ihany. Lahadinika efa voafaritry ny Filan-kevitry ny Minisitra ihany koa no azo dinihina mandritra ny fivoriana tsy ara-potoan’ny Parlemanta, ary rehefa vita avokoa ny fandaniana ny lahadinika rehetra dia mifarana ny fivoriana. Ankoatra ny fampahafantarana ny programa fanatanterahana ny Politika Ankapoben’ny Fanjakana izay hataon’ny Governemanta, dia tafiditra ao anatin’ny lahadinika hodinihana koa ny volavolan-drijatenin-dalàna manova ny fehezan-dalàna famaizana mikasika ny sazy omena ireo olona manao habibiana amin’ny fanolanana, sy ny volavolan-drijatenin-dalàna manova sy mameno ny andininy sasantsasany amin’ny lalàna lf :2014-020 tamin’ny 27 Septambra 2014 mikasika ny fandaminana ny vondrombahoaka itsinjaram-pahefana.

Araka ny Didim-panjakana laharana 2024-071 ny 25 janoary 2024 izay mampiantso fivoriana tsy ara-potoana ny Parlemanta dia anio amin’ny 11 ora maraina no hanatanterahana ny lanonam-panokafana ny fivorian’ny Antenimierampirenena.  

Fermer