Songadim-baovaoSosialyTrangam-piaraha-monina
MANGARANO TOAMASINA : Karàna iray sy lehilahy telo tratra ambodiomby nanafangaro vary simba 500 gony
Tratran’ny zandary ambodiomby nanafangaro vary simba no sady nandoro ilay vary efa mamofona ilay Karàna iray nipetraka ao Mangarano Toamasina, omaly tolakandro. Nampiasa olona telo, teratany malagasy izy nanatanteraka io asa ratsy io. Voatery nogiazana ireo vary 500 gony niampy ny masinina nampiasaina hanakambanana ireo gony nasiana vary. Mandeha ny fanadihadiana…
Mbola mitohy hatrany ny fikasana hivarotra vary simba amin’ny Malagasy ! Omaly tokony ho tamin’ny 3 ora tolakandro, nahazo vaovao avy amin’olona tsara sitrapo ny lehiben’ny tobim-paritry ny Zandarimariam-pirenena ao Toamasina fa misy Karàna iray monina ao Mangarano Toamasina manarama olona manafangaro vary simba amin’ny vary azo hohanina ao Mangarano. Tsy niandry ela ny Mpitandro filaminana fa
nidina ifotony ny zandary, izay notarihin’ny lehiben’ny tobim-paritry ny Zandarimaria nasionaly ao Toamasina renivohitra. Rehefa tonga tany an-toerana, dia tratra ambodiomby ny telo lahy, Teratany malagasy ireo nanafangaro ireo vary, izay nokaramain’ilay Karàna. Marihina fa tena simba sy maimbo ny tamin’ireo vary, izay napetraka teo an-tokotany ary efa misy nodorana. Raha ny fanadihadiana azo, eo ho eo amin’ny 10 gony no efa may ary manodidina ny 20 gony eo no mbola nokasaina hodorana. Tombanana eo amin’ny 500 gony kosa, no efa voafangaro. Tiana ny manamarika fa efa tena maimbo tanteraka ireo vary natokana ho dorana ireo. Tsy vitan’ny mampiasa olona fotsiny fa mampiasa masinina fanjairana gony koa ilay Karàna manatanteraka ny asa ratsiny, amin’ny fanafangaroana vary simba sy vary tsara ity. Nogiazana, araka izany, ireo vary 500 kitapo ireo, niaraka tamin’ilay masinina fanjairana ireo gony nasiana vary. Ho an’ny renivohitry ny Faritra Atsinanana ity, tsy vao izao no nisy fahatrarana vary simba fa efa matetika.
Vary simba 35 gony sarona…
Efa nahatrarana vary simba 35 gony tao anaty sambo iray hanainga tao Toamasina ho any Tolagnaro, ny alin’ny 09 hifoha 10 janoary lasa teo. Araka ny angom-baovao, fantatra fa vary mitotaly 30 taonina ana teratany vahiny Indo-pakistanais no nokasaina halefa any Tolagnaro, saingy ny 35 gony amin’ireo dia hita imaso tao ifotony fa simba sy mamoaka fofona mahery. Soa ihany, ny Tomponandraikitry ny Seranana sy ilay sambo no nampandre ny Zandarimaria tao an-toerana sy ireo Tomponandraikitry ny Fadintseranana.
Nandraisana fepetra tsy hihetsika sy tsy azo kitihina moa ilay sambo sy ireo vary mandra-pahavitan’ny famotorana sy didy famotehana.
Ho an’ireo mpandraharaha, ankasitrahana ny fampivoarana sy fampandrosoana entin’izy ireo ho an’i Madagasikara, saingy melohina tanteraka sy enjehina kosa, ny famosaviana ny Malagasy. Anjaran’ny eo anivon’ny Zandarimariam-pirenena ny miaro ny Vahoaka ka hofongorina ireo minia manaparitaka izany. Ho an’ny vahoaka rehetra, mila mailo ka hitsirika tsara vao mividy vary, sao hidiran-doza.
Rado Harivelo



