Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

LOZA AN-DALAMBY :  Lamasinina iray nivadika, olona telo namoy ny ainy

Nitrangana loza an-dalamby tao amin’ny PK 110 Sahasinaka, distrikan’i Manakara, omaly maraina, tamin’ny 11 ora. Tsy tafakatra tamina havoana ilay lamasinina ka nihemotra. Vokany, olona telo namoy ny ainy, valo kosa naratra…

Nisehoana loza nahatsiravina teo amin’ny zotran-dalamby FCE, tao amin’ny PK 111 Sahalapa, Fokontany Soanierana, Kaominina Fenomby distrikan’i Manakara, Faritra fitovinany, omaly maraina, tamin’ny 11 ora. Vao niala ny tanànan’ i Fenomby ilay lamasinona,  raha nikasa hiakatra ho any Fianarantsoa no tsy tafakatra tamin’ny ilay havoana ka nihemotra, izay nitera-doza. Vokany, olona telo no namoy ny ainy, Ilay iray namoy ny ainy, voatsindry.  Ny iray hafa kosa, maty teo no ho eo, ary ny farany namoy ny ainy, dia mpiasan’ny lalamby. Ankoatra ny maty, niisa valo ireo naratra, ary ny iray amin’ireo dia mpitandro filaminana, zandary.

Nampilazana Rtoa Prefen’i Manakara ary efa niantso ny tomponandraikitry ny eo anivon’ny Fahasalamana, handefa fiara mpitondra marary haingana tany Sahasinaka, mba hahafahana mitondra ny maratra tany amin’ny Tobim-pahasalamana. Raha ny tatitra vonjimaika, efa nalain’ny havany ireo namoy ny ainy. Ireo maratra kosa, nalefa namonjy hopitaly tao  Fenomby sy Manakara. Efa any an-toerana ireo zandary efatra,  izay avy ao amin’ny Komandin’ny borigady Sahasinaka. Izy ireo, araka izany, no mitarika, mandrindra ary miambina ny entana sy ny fitaovana. Ankoatra ireo, misy zandary 10 hafa koa  niainga avy tao Manakara nanatevin-daharana ireo efa any an-toerana, mba hitandro ny fananan’ireo niharam-boina. Hatreto, tsy mbola fantatra mazava ny antony nahatonga ny loza. Araka ny tatitra azo, efa tonga tany an-toerana koa ny solontenan’ny minisiteran’ny Fitaterana sy ny famantarana ny toetr’andro, nandray andraikitra sy nanampy ireo niharam-boina. Araka ny fampitam-baovao, horaisin’ny Fanjakana an-tanana  avokoa ireo rehetra tra-doza. Hisy ny fanadihadiana ifotony, hijerena ny antony nahatonga izao voina izao.

Pierre M.

Fermer