PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA BEN’NY TANANA: Tsy maintsy hatao amin’ity taona ity, niova ho 5 taona ny fe-potoam-piasana
Manaja izay voalazan’ny lalàna hatrany ny Governemanta amin’ny firosoana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ary Solombavambahoaka, araka ny nambaran’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly. Notsindriany fa tsy maintsy hotanterahina amin’ity taona ity avokoa ireo fifidianana ireo. Nankatoavin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana koa, tetsy ankilany, ny fampiakarana ho 5 taona ny fepotoam-piasan’ireo Ben’ny tanàna.
Tsy miala amin’izay voafaritry ny lalàna mihitsy ny Governemanta ao anatin’ny firosoana amin’ny fifidianana Ben’ny tanàna sy ny mpanolontsaina ary Solombavambahoaka, araka ny fanamafisana nataon’ny Praiminisitra Ntsay Christian omaly. Betsaka tokoa mantsy no nametraka fanontaniana ny amin’ny tsy nanomanana mialoha ny fifidianana Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina, izay efa lany fepotoam-piasana ankehitriny. Araka ny angom-baovao, rehefa mifanindran-dalana ny fifidianana eny ifotony sy ny fifidianana nasionaly, izany hoe ny fifidianana Filoham-pirenena, dia tsy maintsy ity farany aloha no alefa mialoha, ary iny natrehin’i Madagasikara ny taona 2023 iny.
Rehefa lany fepotoam-piasana ny Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina ny 10 janoary 2024 teo, dia nanoratra tany amin’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ny Praiminisitra naka hevitra. “Tsy zava-baovao izany fa efa fomba fanao, toy ny tamin’ny taona 2018”, hoy ny Praiministra. Namaly, araka izany, ny HCC fa azo atao ny mampitombo anatin’ny fotoana fohy ny fepotoam-piasan’ireo ben’ny tanàna sy mpanolontsaina. Ho setrin’izany, namoaka ny didim-panjakana mifandraika amin’izay hevitry ny HCC izay ny Governemanta.
Notsindriany kosa tetsy ankilany fa mbola anaty fandinihana ny fanapahana ny datim-pifidianana. Mbola andrasana koa ny soso-kevitra avy amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Ary heverina fa ho fantatra tsy ho ela izany. Nanome toky kosa ny Praiminisitra fa tsy maintsy amin’ity taona ity ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolontsaina.
Fepotoam-piasana 5 taona
Etsy ankilany, namoaka fanapahana ny HCC ny 30 janoary 2024 teo, izay nankatoa ny lalàna 2023-023 izay manova sy mameno ny andininy sasantsasany ao amin’ny Lalàna laharana faha 2014-020 tamin’ny 27 septambra 2014, Lalàna izay novaina sy nofenoin’ny Lalàna laharana faha 2018-011 tamin’ny 11 jolay 2018 sy ny Lalàna laharana faha 2021-010 tamin’ny 5 aogositra 2021 mahakasika ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana. Io lalàna io dia niainga tamin’ny fangatahan’ireo olom-boafidy eny anivon’ny Vondrom-bahoakam-paritra itsinjaram-pahefana ny amin’ny hanovàna ho dimy taona ny faharetan’ny fotoam-piasan’izy ireo raha toa ka efa-taona izany teo aloha.
Araka ny fanazavana dia anisan’ny anton’ny fanovana ny mba hahafahan’ireo Ben’ny Tanàna manatanteraka antsakany sy andavany ireo fandaharan’asam-pampandrosoana eny anivon’ny kaominina, ary koa mba ahafahana manatanteraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Notsindrian’ny Loholona Tahina Andrianandrasana fa ny fepotoana dimy taona dia mifanindran-dalana tsara amin’ny politikam-pampandrosoana amin’ny ankapobeny. “Raha manao programam-pampandrosoana iray ianao dia matetika dimy taona hatrany no fepotoana omen’ny mpamatsy vola, na sehatra miara-miasa amin’ny Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana ireny”, hoy ny fanazavany. Ny lalàn’ny fampiasam-bola eto Madagasikara ihany koa, etsy ankilany, dia mametraka ny fandaharanasa ao anatin’ny 5 taona. Izany hoe, mba hampifanindran-dalana tsara ny Politika ankapobeny eto amin’ny firenena, sy ny politikam-pampandrosoana ifotony any amin’ireo Vondrombahoaka itsinjaram-pahefana, dia rariny sy hitsiny raha ovaina dimy taona koa ny fepotoana iasan’izy ireo, ary isan’izany ireo Ben’ny tanàna.
Marihina fa niova ihany koa ny fomba fifidianana eny anivon’ny Kaominina, ka ireo mpiray lisitra no lasa mpanolotsaina monisipaly eo anivon’ny Kaominina.


