Songadim-baovaoSosialy

FIRONGATRY NY “CHOLERA” AO COMORES: Tsy mandray sambo avy any Comores sy sidina avy any Mayotte i Mahajanga

Aretim-pivalanana maherivaika azo avy amin’ny otrikaretina antsoina hoe “vibrio cholerae” ny Choléra. Antsoina ihany koa izy hoe aretin’ny tanana maloto na koa aretin’ny tsy fahampian’ny fahadiovana. Areti-mandoza sy mora miparitaka, noho izany, ny Choléra ary mahafaty ao anatin’ny fotoana fohy raha tsy voatsabo. Tamin’ny taona 1999 no nahitana valanaretina Choléra farany teto Madagasikara ary tranga niparitaka avy any Afrika no nahatonga izany teto. Na teo aza ny fepetra fiarovana noraisan’ny Fitondram-panjakana tamin’izany fotoana dia navesatra ho an’ny firenentsika ny fiatrehana io aretina io. Nanodidina ny 10 000 ireo tranga voarakitra ary nahatratra 1 500 ireo namoy ny ainy tao anatin’ny roa taona.
Tamin’ny zoma lasa teo indray anefa, nanao valan-dresaka fampahafantarana ireo mpanao gazety any aminy ireo tompon’andraikim-panjakana any Comores. Fampahafantarana milaza fa ahitana trangana Choléra ao Comores. Nambaran’ny Minisitry ny Fahasalamana any an-toerana fa olona roa hatramin’io zoma io no matin’ny Choléra any Comores, fito manaraka fitsaboana, ary tranga mifindra avy any Tanzanie no nahatonga izany. Tsy lavitra an’i Madagasikara i Comores. Ho fisorohana sy fandraisana fepetra mialoha, indrindra mba tsy hiverenan’ny tranga tamin’ny 1999, dia tsy miraviravy tanana ihany koa ny tompon’andraikim-panjakana eto amintsika.

Isan’ireo voalohany nandray fepetra mahakasika io Choléra miseho any Comores io ny any Mahajanga, noho ireo toerana ireo tsy mifanalavitra sy mifandray amin’ny sehatra maromaro. Nambaran’ireo tompon’andraikitra any an-toerana fa efa ahitana tranga ihany koa atsy Mozambika. Noho izany dia tsy maintsy misy ny fepetra fisorohana hapetraka mba hampihenana ny tandindon-doza mety hiparitahan’io areti-mifindra io. Fanapahan-kevitra noraisina, araka izany, ny fampiatoana vonjimaika mandritra ny 15 andro ny fitaterana an-dranomasina. Izany hoe ny sambo mpitondra mpandeha rehetra avy any Comores dia miato avokoa. Ho an’ireo sambo mpitondra entam-barotra kosa dia tsy maintsy hajaina amin’ny ankapobeny ny fe-potoam-pihibohana 15 andro alohan’ny fandraisan’andraikitry ny mpitsabo misehatra amin’ny sisin-tany eny amin’ny seranantsambo. Fepetra noraisina manaraka kosa ny mahakasika ny fitaterana an’habakabaka izay mbola mampiato ihany koa ny sidina rehetra avy any Mayotte. Marihina fa nihatra nanomboka tamin’ny sabotsy lasa teo ireo fepetra ireo. Ho an’ny fepetra fanamafisana ny fisorohana, haparitaka eny amin’ireo seranam-piaramanidina sy seranantsambo any amin’ny renivohitry ny Faritra Boeny ny fitaovana fanasana tanana sy famendrahana ranom-panafody ireo entana vao tonga.

Ankoatra an’i Mahajanga, nametraka fahamailoana ihany koa ny atsy Nosy Be. Nampivory ireo tompon’andraikitra rehetra an-toerana omaly ny Prefen’i Nosy Be. Fepetra noraisina any an-toerana ny fanamafisana ny fiarovana ny sisin-tany satria tsy azo tsinontsinoavina ny mety hisian’ireo olona hiditra an-tsokosoko kanefa mety mitondra Choléra. Eo ihany koa ny fametrahana fitaovam-pidiovana eny amin’ireo seranam-piaramanidina sy sambo, ary ny fanentanana ny mponina hiala amin’ny fanaovana maloto ankalamanjana.

Sarobidy Sidonie.
.

Fermer