PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FAMPIVOARANA NY FAMPIANARANA TEKNIKA SY FANOFANANA ARAK’ASA: Mitovy fomba fijery ny Minisitera sy ireo Mpiara-miombona antoka
Notontosaina omaly tetsy amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa (METFP), Ampefiloha, ny fihaonana teo amin’ny ekipan’ny Minisitera sy ireo Mpiara-miombona antoka vahiny sy eto an-toerana, mahakasika drafitra enti-mampiroborobo ny tontolon’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa eto Madagasikara.
Isan’ny olan’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ny tsy fifanojoan’ny tolotr’asa sy ny fanofanana norantovina. Tsy mahavaly ny fepetra takin’ny orinasa matetika ny tanora vao nahavita fianarana, na manana diplaôma aza. Ankilany, simba tanteraka, tsy nisy fanamboarana, ny fotodrafitrasa eny anivon’ny sekoly. Mianatra amina trano tsy misy tafo ny mpianatra sasany. Hany ka sarotra ny iheverana ny fahombiazan’ny fampianarana amin’izany zava-misy izany, araka ny nivoitra omaly nandritra ny fihaonana teo amin’ny Ekipan’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’asa (METFP) sy ireo Mpiara-miombona antoka.
Nandritra ity fihaonana ity, nanazava ny vina sy nandresy lahatra ny mpiara-miombona antoka ny amin’ny fomba hanatsarana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy. Manoloana ny olana goavana sedrain’ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa dia miantso ireo mpiara-miasa izy hifanome tanana amin’ny fanamby sy ny ezaka goavana miandry.
Teboka dimy lehibe
Teboka dimy lehibe no navoitra tao anatin’izany. Voalohany amin’izany ny fanavaozana ny programa sy firafitry ny fampianarana na “Réforme curriculaire”. Araka ny fanazavan’ny Minisitra dia efa an-taonany maro no tsy niova io votoatim-pampianarana io. Tsy afaka miasa avy hatrany ireo tanora aorian’ny fianarana arahiny satria tsy hahafahany miditra amin’ny sehatry ny asa ilay fiofanana azony. Tsy ampy ihany koa ny fampiharana ka mila ampiana. Ankoatra izay, zava-dehibe ny fitarihana sy fampidirana amin’ny sehatry ny matihanina (orientation et insertion professionnelle) an’ireo tanora. Jerena ao anatin’izany izay manavanana ireo tanora ka miainga amin’izay ny torolalana omena azy ireo amin’ny sehatra asa azony idirana sy ny fiofanana tokony harahina.
Etsy ankilany, isan’ireo teboka lehibe nifampizarana ny mahakasika ny fanavaozana ireo fotodrafitrasa. Saika potika sy simba avokoa mantsy ankehitriny ireo lisea teknika sy ivotoeram-panofanana manerana ny Nosy, ka ilàna fandraisana fepetra aingana ary ilàna tohana avy amin’ireo mpiara-miombona antoka. Fahefatra, vinan’ny Minisitera koa ny fametrahana toeram-piofanana ho an’ny daholobe sy toeram-pikotrehina matihanina (incubation professionnelle). Raha ny fanazavan’ny Minisitra dia misy “hangar” eo anivon’ny minisitera izay azo trandrahina tsara nefa lasa ampiasaina olombitsy amin’ny tombontsoany manokana. Ho amboarina, noho izany, io toerana io ka ho asiana atrikasa isan-kerinandro. Teboka farany kosa ny fitrandrahana ny tontolon’ny nomerika amin’ny alalan’ny MOOC (Massive Online Open Courses). Tsy azo ihodivirana ny fampiasana ny teknolojia vaovao amin’ny fampiofanana. Nohazavain’ny Minisitra fa rehefa mampiasa io teknolojia io ireo tanora dia azony jerena amin’ny aterineto daholo ny fampiofanana atao, maimaimpoana izy io nefa hahazoana “certificat”. Marihina fa ny Minisitera no mamolavola ny votoatin’ny fampianarana.
Mitovy fomba fijery
Amin’ny ankapobeny, mitovy fomba fijery amin’ny minisitera ireo Mpiara-miombona antoka, indrindra amin’ny vina fampihenana aingana ny tahan’ny tsy fananana asa eto Madagasikara. Marobe, araka izany, ireo mpiara-miombona antoka no efa naneho avy hatrany ny fahavononany hiara-hiasa amin’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy Fanofanana arak’asa, hitondra fanavaozana sy fanatsarana ity sehatra ity.
Hitohy amin’ny fifampidinihana tsirairay amin’ireo mpiara-miombona antoka efa naneho ny fahavononany hifanome tanana izao fihaonana izao, mba hirosoana avy hatrany amin’ny fanatanterahana ny fiaraha-miasa mahomby.
Marihina fa isan’ireo nandray anjara tamin’ny fihaonana ny solontena avy amin’ny Vondrona Eoropeanina, ny avy amin’ny Banky iraisampirenena, ny GIZ, ny OIT, ny sehatra tsy miankina sy ny sisa.

