PolitikaSongadim-baovao

FIHAONANA AN-TAMPONY ANY DUBAÏ : Nahazo fanasana manokana ny Filoha Andry Rajoelina

Hiatrika ny Fihaonana an-tampon’ny Governemanta manerantany na ny « Sommet mondial des gouvernements » izay fivoriambe ho atao any Dubaï ny Filoha Andry Rajoelina, manomboka anio 12 hatramin’ny 14 febroary. Isan’ireo filoham-pirenena sy lehibe ana governemanta fito voaasa manokana hanatrika ity « Sommet mondial des gouvernements »ity izy. Handray fitenenana  ny Filoha Andry Rajoelina mandritra io fivoriambe io, izay hotanterahina manomboka  anio. Ankoatra ny filoha Andry Rajoelina, dia isan’ireo Filoha sy lehibe ana governemanta nahazo fanasana manokana ihany koa ny Filohan’i Torkia, Recep Tayyip Erdoğan, Ny Praiminisitra ny Repoblikan’ i Inde, Narendra Modi, ny Filohan’i Rwanda, Paul Kagame, William Ruto,  filohan-dry zareo kenianiana, by filohan’i Repoblikan’i kirghize, Sadyr Japarov. Isan’ ireo koa ny filohan’i Maldives, Dr. Mohamed Muizzu, ny filohan’i Nosy Maorisy, Prithvirajsing Roopun ary ny filohan’ny Nosy Seychelles, Wavel Ramkalawan.

Marihina moa fa ny  haitarika, sy ny fahavononana hitondra fanovana amin’ny fitantanana ny Firenena no anton’izany fanasana manokana, izay azon’ireto Filoha ireto, isan’izany ny filoha Andry Rajoelina.

Miisa 4000 ireo mpandray anjara…

Ankoatra azy ireo dia filoham-pirenena sy lehibena governemanta 25 no handray anjara amin’ity Fihaonana an-tampony eran-tany ho an’ny fitondram-panjakana ity. Miisa 120 ireo delegasinona momba ny Fitondram-panjakana, 85 ireo Fikambanana iraisam-pirenena, ary 4.000 ireo mpandray anjara. Ho an’ny delegasiona malagasy manokana dia hisy ny “rencontre bilaterale” hanamafisana ny fiaraha-miasa sy ny fifandraisana eo amin’i Madagasikara sy ny Émirats Arabes Unis. Hanamarika izany ny fanaovan-tsonia ny « Memorendum d’entente » ametrahana ny “Digital school”. Ity tetikasa ity moa dia enti-manatsara ny kalitaon’ny fampianarana eran’i Madagasikara, amin’ny alalan’ny fampiasana ireo fitaovana nomerika sy haitao ara-kajy mirindra.

Ny minisitry ny Raharaham-bahiny, Rafaravavy Tafika, ny minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana Arak’Asa, Lalatiana Rakotondrazafy, ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondramalala Marie Michelle, ny minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina Andriamananoro Augustin ary ny Governoram-paritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery no delegasiona miaraka amin’ny Filoham-pirenena any Dubaï. Mahakasika ny « Fampianarana » sy « Fanofanana arak’asa no horesahina » sy lohahevitra lehibe hodinihina mandritra ity fihaonana an-tampony manerantany ny Governemanta ao Dubaï mandritra ny roa andro ity.

Rado Harivelo

Fermer