PolitikaSongadim-baovao
VOLAVOLAN- TETIANDROM-PIFIDIANANA 2024 : 29 Mey ny fifidianana depiote, 06 Novambra ny an’ny Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina
Nosarahina ny fifidianana Solombavambahoaka sy ny an’ny Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina, araka ny tolo-kevitra navoakan’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) omaly. Vinavinaina hotanterahina ny 29 mey 2024 izany ho an’ny Solombavambahoaka, ary ny 06 novambra 2024 kosa ho an’ny Ben’ny tanàna sy mpanolontsaina.
Araka ny fanapahana navoakan’ny Birao Maharitry ny Vaomieram-pirenena Mahaleotena ny Fifidianana (Ceni) dia nisy ny famoahana ny volavolan-tetiandrom-pifidianana natao omaly, izay efa nalefa teny anivon’ny Governemanta ny Zoma 9 Febroary 2024 lasa teo. Fantatra nandritra izany fa ny 29 Mey 2024 izao no hotanterahina ny fifidianana Solombavambahoaka. Araka izany, ny 28 Martsa 2024 hatramin’ny 6 Aprily 2024 no fe-potoana hametrahana ny antontan-taratasy ho firotsahan-kofidiana. Ny fotoanan’ny fampielezan-kevitra kosa dia ny 8 Mey 2024 hatramin’ny faha 28 mey 2024 amin’ny 00 ora.
Etsy ankilany, ny 6 Novambra 2024 no ho atao ny fifidianana Ben’ny Tanana sy Mpanolotsaina.Ny 8 jolay 2024 hatramin’ny 22 Jolay 2024 no fe-potoana hametrahana ny antontan- taratasy filatsahan-kofidiana. Ny hanatanterahana ny fampielezan-kevitra kosa dia ny 16 Oktobra 2024 hatramin’ny 5 Novambra 2024 amin’ny 00 ora.
Araka izany dia misaraka ny fifidianana Solombavambahoaka sy ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina. Izany no natao dia hahafahana manomana sy manatanteraka tsara azy ireo, hoy ny Filohan’ny Ceni, Dama Andrianarisedo. Tsiahivina ihany koa fa fifidianana araka ny lisitra no atao amin’ny fifidianana kaominaly sy monisipaly. Vata fandatsahambato tokana araka izany no hapetraka isaky ny biraom-pifidianana.
Mazava koa fa ny lisitry ny mpifidy hofaranana tanterakany 15 mey ho avy izao no hampiasaina mandritra ireo fifidianana roa mifanesy ato anatin’ny taona 2024 ireo. “Tsy mitsahatra manohy ny ezaka fanatsarana ny kalitaon’ny lisitry ny mpifidy ny CENI mba ho lisitra azo antoka, feno, hiantoka filaminana sy fitoniana eto amin’ny firenena no ho azo amin’ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy”, hoy hatrany ny fanazavana.
Efa voafaritra ny tetibola
Nanamafy ny teo anivon’ny Ceni fa efa voafaritra ao anatin’ny volavolan-dalàna mifehy ny fitantanam-bola ho an’ny taona 2024 (LFI 2024) avokoa ny tetibola na ho an’ny fifidianana Solombavambahoaka na ny fifidianana Ben’ny tanàna sy Mpanolotsaina. Ho an’ity farany manokana dia sorabola mitentina 50 miliara Ariary mahery no efa voafaritra anatin’ny LFI 2024, raha toa ka 44 miliara ariary izany ho an’ny fifidianana solombavambahoaka.
Ankoatra izay, tsy miova ny saram-pandraisana anjara ho an’ireo hirotsa-kofidiana ho Ben’ny tanàna fa mijanona ho toy ny teo aloha ihany. Niakatra ho 10 tapitrisa Ariary kosa izany ho an’ireo maniry hirotsa-kofidiana Solombavambahoaka, raha toa ka 5 Tapitrisa Ariary teo aloha.
Fifidianana Solombavambahoaka mandeha aloha?
Tsy vitsy ireo nametra-panontaniana mahakasika ny hanatanterahana ny fifidianana Solombavambahoaka mialohan’ny fifidianana ben’ny tanàna izay efa tapitra fepotoam-piasana nanomboka ny 10 janoary 2024 teo. Nanazava omaly ny Filohan’ny Ceni fa tapitra ny 01 Jolay 2024 izao ny fepotoam-piasan’ireo Solombavambahoakan’i Madagasikara. Ary araka ny voafaritr’ireo Didy aman-dalàna ao anatin’ny Lalàmpanorenana sy ny Lalàna fehizoro mifehy ny fifidianana Solombavambahoaka, dia tsy maintsy 40 andro mialohan’ny fiafaran’ny fe-potoam-piasana no hatao ny fifidianana ho an’ny Solombavambahoaka. Izany hoe, tsy maintsy eo anelanelan’ny 22 Mey sy 30 jona no hanaovana ny fifidianana.
Ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) ihany koa dia efa namoaka fanapahana ny amin’ny hahafahan’ireo Ben’ny tanàna sy mpanolotsaina, tapitra fepotoam-piasana, manohy ny asany mandravitan’ny fifidianana manaraka izay hatao amin’ity taona ity. Noho ireo rehetra ireo no hahafahan’ny Ceni nanapaka ny hanatanterahana ny fifidianana Solombavambahoaka mialohan’ny fifidianana Ben’ny tanàna.




