PolitikaSongadim-baovao

FANOFANANA ARAK’ASA, FAMBOLENA, TOEKARENA : Manamafy ny fiaraha-miasany amin’i Madagasikara  i Alzeria sy Korea Atsimo

Masoivoho vaovao miisa roa no tonga nanatitra ny taratasy manendry azy ireo hiasa eto Madagasikara, tamin’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina, omaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Isan’izany ny ambasadaoron’ny Repoblika alzerianina demokratika entim-bahoaka eto Madagasikara, SEM, Filali Ghouini, sy ny ambasadaoron’ny Repoblikan’i Korea, SEM Park Ji-Hyun.  

Ny ambasadaoron’ny Repoblika alzerianina demokratika entim-bahoaka eto Madagasikara, SEM, Filali Ghouini no voalohany noraisiny Filoha Andry Rajoelina omaly, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nandritra ny fihaonana teo amin’ny roa tonta no nampahatsiahivan’ity masoivoho ity ny fifandraisana ara-tantara amam-polo taonany maro misy eo amin’i Madagasikara sy i Alzeria. Izany fiaraha-miasa izany, hoy izy hatrany, dia miseho amin’ny alalan’ny firaisan-kina sy fiaraha-miasa amin’ny sehatra maro eo amin’ny Firenena roa tonta. Nampita ny hafatra manokana avy amin’ny Filoha alzerianina ity ambasadaoro ity nandritra ny fandalovany tao Iavoloha. ny tokony hanamafisana bebe kokoa sy hijerena ireo sehatra ahafahana miara-miasa, indrindra eo amin’ny lafiny ara-toekarena, ny fifandraisana ara-barotra ary ny fifanakalozana ara-kolontsaina ary tsy hadino ny eo amin’ny  sehatry ny fampianarana ambony sy ny fanofanana arak’asa.

Ankoatra izay, ny ambasadaoron’ny Repoblikan’i Korea, SEM Park Ji-Hyun no ambasadaoro faharoa noraisin’ny Filoha Andry Rajoelina tao amin’ny Lapam-panjakana  Iavoloha omaly.   Izy dia nanamarika nandritra ny resaka nataony tamin’ny mpanao gazety fa i Korea Atsimo dia teo hatrany nanohana ny fampandrosoana an’i Madagasikara. Ny Firenena malagasy, hoy ity ambasadaoro ity, dia manana tombony azo trandrahana tsara ka anisan’izany ny fananany harena voajanahary sy ny fananany vahoaka tanora. Ankoatra izay, naneho ny fahavonoany hiara-miasa hatrany amin’ny governemanta malagasy ho fanatanterahana ireo tetikasam-pampandrosoana ity masoivoho ity. Anisan’ireo sehatra hanamafisana ny fiaraha-miasan’i Korea Atsimo sy i Madagasikara moa, araka ny nambarany hatrany ny eo amin’ny sehatry ny fambolena sy ny fampianarana ary ny fanofanana arak’asa. Tiana ny manamarika fa nanolotra ny taratasay manendry azy hiasa sy honina eto Madagasikara  moa ny masoivoho vaovaon’ny Repoblikan’i Korea Atsimo, SEM Park Ji-Hyun.

Rado Harivelo

Fermer