PolitikaSongadim-baovaoSosialy

HAMPIHATRA NY LALÀNA NY FANJAKANA: Nahatratra 144 ireo tranga fanolanana hatramin’ny fiandohan’ny taona

Nanamafy ny Filohan’ny Repoblika nandritra ny filankevitry ny Minisitra farany teo fa rariny raha famaizana mifandraika amin’ny heloka bevava vitany no miandry ny mpanolana. Izany indrindra, hoy izy, no nandraisana ny volavolan-dalàna famaizana momba ny famosirana na “castration” ho an’ireo izay voamarina fa nahavita izany heloka izany.

Nandritra ny Filankevitry ny Minisitra natao ny alarobia 21 febroary teo, dia nanao fanamarihana manokana Andriamatoa Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina mikasika ny firongatry ny fanolanana zaza sy ankizy tsy ampy taona eto Madagasikara. Izay indrindra, hoy ny Filoha, no antony manokana nandraisana ny volavolan-dalana famaizana momba ny famosirana na « castration » an’ireo izay voamarina fa nahavita izany heloka goavana izany.

Raha ny tamin’ity taona 2024 ity dia efa miiasa 144 ny trangana fanolanana manerana ny Nosy ary efa ahitana zaza maty noho izany. Manodidina ny 4 isan’andro ny tranga fanolanana voapakatra isan’andro, hoy ny Minisitry ny Fitsarana. Manamafy hatrany ny Fitondram-panjakana fa tsy azo ekena ny famotehana zaza tsy ampy taona ka rariny raha famaizana mifandraika amin’ny heloka bevava vitany no miandry ny mpanolana.

Tsy hihemotra amin’ny fampiharana ny lalàna ny Governemanta

Miteraka resabe eny anivon’ny fiarahamonina tokoa ankehitriny ny fandanian’ny Parlemanta roa tonta ny lalàna mifehy ireo sazy ho an’ny mpanolana dia ny famosirana izany. Mizara roa mazava tsara ny hevitr’ireo olom-pirenena mahakasika io sazy io. Miandany amin’ny fampiharana azy ny ankamaroan’ny olona. Misy koa anefa ireo izay tsy mankatoa, toy ny fikambanana tsy miankina “Amnesty International”. Raha tsiahivina, nambaran’izy ireo fa fanapahan-kevitra mifanohitra amin’ny maha olona io noraisina io. Tsy mifanaraka amin’ny Lalàmpanorenana malagasy ihany koa. Noho izany dia miantso amin’ny fanafoanana io lalàna vao nolaniana io ny fikambanana.

Efa nitondra fanazavana sy fanehoan-kevitra momba io fomba fijerin’ny “Amnesty International” io ny Mpitondra tenin’ny Governemanta, sady Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy. Notsindriany mazava tsara fa ny Governemanta malagasy dia mametraka fa tsy maintsy handraisana fepetra hentitra ny ady atao amin’ny fanolanana feno habibiana ataon’ireo karazan’olona tsy misy fanahy. Indrindra fa ny fanolanana atao amin’ny ankizy latsaky ny folo taona izay mbola tsy tompon’ny tenany sy tsy mahaleo tena akory. Noho izany indrindra, “ny Governemanta dia tsy manana eritreritra ny hihemotra amin’ny fampiharana io lalàna io”, hoy ny fanambaran’ny mpitondra tenin’ny Governemanta.
Ara-drariny ny fampiharana io lalàn’ny famosirana io satria tsy tokony atao “vain-drahalahy tsy marary” ny fisiana tranga fanolanana izay nahazo vahana tato ho ato. Ao anatin’ireny tranga fanolanana ireny mantsy dia ny fiainan’ireo ankohonana, indrindra ny ankiny iharan’ny herisetra mihitsy, no potika vokatry ny habibiana sy ny filàn-dratsin’ny olona sasany. Potika ara-batana ireo ankizy noho ny fahasimban’ny taovam-pananahany ary mety hampitondra takaitra azy mihitsy izany. Tsy hanana hoavy mamiratra intsony ihany koa izy. Indrindra, hamela takaitra lehibe ara-tsaina sy ara-psikolojia ny fanolanana. Noho ireo rehetra ireo, araka izany, tsy misy ny antony tsy tokony hampiharana ny lalàn’ny famosirana mba hanafaizana ireo izay mbola minia manao fanolanana.
Ankoatra io, tanjontsika eto Madagasikara rahateo ny hanafoana na farafaharatsiny hampihena betsaka ny trangana fanolanana. Efa nametraka lalàna famaizana ho fanasaziana ireo mpanolana ireo isika hatramin’izay saingy tsy nahomby izany. Tsy maintsy misy, araka izany, ny fandraisana fepetra mafimafy kokoa ho fiarovan’ny Fanjakana ny olom-pirenena.

Amin’ny tranga fikatsahana ny tombontsoa ambonin’ny vahoaka toy izao, manana ny fiandrianam-pireneny tanteraka i Madagasikara ary malalaka amin’ny safidy raisina ka tsy misy vondrona, fikambanana, na ihany koa firenen-kafa tokony hitsabaka.

Ny Fanoratana.

Fermer