Trangam-piaraha-monina
FANAFIHANA »CASERNE »ANKAZOMIRIOTRA : Olona 48 naiditra am-ponja, fito nahazo fahafahana vonjimaika
Notanterahina afakomaly ny fiakarana fampanoavana mahakasika ny raharaha fanafihana « caserne » sy fandoroana birao, halatra sy fandorana fitaovam-piadina ary fananan’ny Zandary tao Ankazomiriotra. Niisa 56 ireo olona voarohirohy ka ny sivy tamin’ireo dia vehivavy ary telo latsaky ny 18 taona. Naiditra am-ponja vonjimaika ny 48 tamin’ireo voarohirohy, ka ny enina tamin’ireo vehivavy…
Taorian’ny toromarika nomen’ny Tonian’ny Fitsarana Antsirabe dia notanterahina afakomaly ny fiakarana fampanoavana mahakasika ny raharaha fanafihana « caserne » sy fandoroana birao, halatra sy fandorana fitaovam-piadina ary fananan’ny Zandary tao Ankazomiriotra. Niisa 56 ireo olona voarohirohy ka ny sivy tamin’ireo dia vehivavy ary telo latsaky ny 18 taona. Ankoatra ireo, tsy afaka nentina niakatra Fampanoavana ny lehilahy iray noho izy nampidirina hopitaly tao Antsirabe, noho ny toe-pahasalalany araka ny filazan’ny Dokotera. Nahatratra 48 ireo naiditra am-ponja ao Antsirabe ka enina vehivavy. Iray kosa, mbola tsy ampy taona ka naiditra ao amin’ny Toby fanarenana ao amin’ny Akany Fanantenana. Niisa fito kosa ireo nahazo fahafahana vonjimaika. Raha tsiahivina ny zava-nitranga, dia lehilahy iray fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Bacome, izay voalaza fa mpangalatra ka maty notifirin’ny zandary tao Ivory, kaominin’i Vinany, distrikan’i Mandoto no nahatonga ny gidragidra. Noho ny hatezeran’ny fianakavian’ity lehilahy ity sy ireo andian’olona dia raikitra ny fanafihana ny Biraon’ny zandary ka nodoran’izy ireo ny fiara sy môtô ary ny biraon’ny zandary. Vokany, fiara iray sy moto fito no levon’ny afo. Fitaovam-piadiana, toy ny basy roa very, ankoatra ireo may levon’ny afo. Nodoran’izy ireo koa ny tranon’ilay mpanankarena iray nanondro ny misy ilay tovolahy. Vaky nandositra ireo zandary niasa tao an-toerana. Raha ny fanazavan’ny zandary, ho samborina ity lehilahy ity satria nahazoana indro alefa (ST) avy amin’ny Fampanoavana ilay tovolahy nantsoina hoe Bacome. Nanohitra izy ary andeha handrombaka basin’ny zandary. Izay no nahavoatifitra azy, araka ny fanazavana. Nentina notsaboina, hoy ny zandary, saingy tsy tana ny ainy.
Araka ny angom-vaovao nampitaina, efa miverina amin’ny laoniny ny filaminana eto Ankazomiriotra ny afakomaly hariva. Tsy nisy ny aina nafoy na teo amin’ny mpitandro filaminana na teo amin’ireo andian’olona mpikomy fa fahasimbana fitaovana no nisy. Nidina tany an-toerana ny Governoran’ny Faritra Vakinankaratra, ny Kolonely Komandin’ny fari-piadidian’ny Zandarimaria Antananarivo, ny Komandin’ny Vondron-tobim-pileovan’ny zandarimaria Vakinankaratra. Ireo olom-boafidy sy voatendry eo anivon’ny distrika sy kaominina. Nanao ny fandaminana sy fifampiresahana.
Efa tany an-toerana rahateo ireo zandary sy tafika avy amin’ny 2e Cie infanterie Mandoto nanamafy ny fampandriana fahalemana ny tanànan’Ankazomiriotra. Mitohy ny asa fampandriana fahalemana ny faritra iadidian’ny zandarimaria. Efa nidina tany an-toerana mihitsy aza, ny minisitra delegen’ny Zandarimaria, ny Jly Andry Rakotondrazaka momba ity zava-nitranga fanafihana caserne ity.
Rado Harivelo



