PolitikaSongadim-baovao

FAMPIHARANA NY FAMOSIRANA AMIN’IREO MPANOLANA: “Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara”

Vaovao mbola mitana ny sain’ny mpanara-baovao ankehitriny ny mahakasika ilay fanavaozana ny fehezan-dalàna famaizana malagasy izay manome alalana ny famosirana ireo olona voaheloka amina raharaha fanolanana. Misy ireo maneho hevitra manohitra izany, indrindra ny sehatra iraisampirenena, izay milaza fa tsy fanajana ny zon’olombelona ny fampiharana izany. Nandiso izany ny Minisitry ny Fitsarana omaly, ary nampahatsiahy fa firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara.

Tao anatin’ny tafa nataony tamin’ny mpanao gazety omaly dia niaiky ny Masoivohon’ny Vondrona Eoropeanina miasa eto Madagasikara, Ramatoa Isabelle Delattre fa tranga mampalaelo ary tokony handraisana fepetra hentitra ny resaka fanolanana izay miha mahazo vahana eto Madagasikara ankehitriny. Nanambara anefa ny tenany fa tsy vahaolana amin’ny firongatry ny fanolanana ankehitriny ny famosirana ireo voaheloka amin’izany. Nambarany mantsy fa na ny Lalàmpanorenana malagasy, ao amin’ny andininy faha-8 aza, dia manohitra ny fanatanterahana izany. Eo koa ny fifanarahana iraisampirenena nosoniavin’i Madagasikara tamin’ny taona 2005 mikasika ny zon’olombelona. Fanabeazana no mila hamafisina, hoy ny fanehoan-keviny.

Omaly ihany anefa dia nanamafy ny Minisitry ny Fitsarana fa nilaina ny fikitihana ny lalàna momba ny fanolanana.  Nampahafantariny fa tsy i Madagasikara irery no firenena voalohany mampihatra izany famosirana izany. Ary ny tena fanovana ao anatin’ny lalàna dia tsy famosirana ihany, fa  fampiakarana ireo sazy, toy ny an’ireo mpamerin-keloka izay lasa sazy an-terivozona mandrapahafaty. Izany hoe, ireo sazy no nampiakarina ao anatin’ny fanavaozana ny lalàna. Ary misy karazany sy an-tanan-tohatra miankina amin’ny taonan’ilay zaza lasibatra.

Notsindrian’ny Minisitra Landy Mbolatiana Randriamanantenasoa fa manana zo tahaka ny olona rehetra koa ireo olona niharam-boina. Nisy mihitsy anefa ireo namoy ny ainy tamin’izy ireo, raha tsy hilaza afatsy ny tranga tany Nosy-Be. “Ao anatin’ny fandinihana ny raharaha dia mba tokony hojerena koa ilay voina fa tsy ireo voapanga ihany. Misy amin’ireo zazavavy no manana tranonjaza potika tsy azo sitranina intsony mandrakizay, sy ny sisa”, hoy hatrany ny Minisitra. Nambarany noho izany fa araka ny andininy voalohany amin’ny Lalàmpanorenana dia Firenena manana ny fiandrianany i Madagasikara. Midika izany fa malalaka amin’ny fampiharana ny lalàna izay itany fa mahasoa ny vahoaka ny Mpitondra fa tsy miankina amin’ny fankatoavan’ny iraisampirenena na tsia. Ary tsy vao isika irery rahateo no mampihatra izany famosirana izany manerana an’izao tontolo izao.

Fermer