PolitikaSongadim-baovao

DELEGASIONINA MALAGASY ANY TORKIA : Hanamafy fiarahamiasa sy hisarika mpampiasa vola tiorka ho eto Madagasikara

Nanainga omaly ho any Torkia ireo delegasionina notarihin’ny Filoha Andry Rajoelina hanatrika ny « Forum diplomatique d’Antalya » izay hotanterahina manomboka anio 1 marsa hatraminy 4 marsa izao. Ankoatra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’i Torkia dia katsahina amin’izao dia izao  koa ny fisarihana ireo mpandraharaha tiorka hampiasa ny volany eto Madagasikara….

Nanainga omaly ny  Filoha mivady hihazo an’i Torkia. Ny anton-diany dia hamonjy ny « Forum diplomatique d’Antalya » izay hotanterahina manomboka anio 1 volana marsa hatraminy 4 marsa. Io fihaonambe karakarain’ny governemanta Torka io, hanamafisany ny fiaraha-miasa ara-toekarena sy ara-diplomatika amin’ireo Firenena afrikanina. Miisa 20 eo ho eo ireo filoham-pirenena voaasa hanatrika izany fihaonana izany ka anisany ny filoha Andry Rajoelina. Miisa 60 kosa, ireo minisitry ny Raharaham-bahiny mandray anjara. Raha nanomboka taminy taona 2021 ny andiany voalohany dia miditra aminy andiy fahatelo kosa ny « Forum diplomatique d’Antalya » amin’ity taona ity. Ho an’i Madagasikara dia ankoatra ny fanamafisana ny fiaraha-miasa amin’i Torkia dia katsahina amin’izao dia izao  koa ny fisarihana ireo mpandraharaha tiorka hampiasa ny volany eto Madagasikara. Raha ny voarakitra ao anaty fandaharam-potoana, andrasana ny fihaonana eo amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny filohan’i Torkia Erdogan. Maro koa ny fihaonana miaraka amin’ireo Mpandraharaha vaventy avy any amin’ity firenena ity. Raha fehezina, hanatanteraka fandresen-dahatra ara-toekarena sy ara-diplomatika no tena anton-dian’ny delegasionina malagasy amin’ity fivahinianana ity. Mila hamafisina fa fitadiavana fiaraha-miasa amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa goavana ao anatin’ny drafitra fampivoarana an’i Madagasikara no tanjona. Anisan’izany ny fanatanterahana ny tetikasa Tanamasoandro, ny Fly Over sy ireo fanamboaran-dalana maro. Fa eo  koa ny lafiny fandraharahana ara-barotra.

Rado Harivelo.

Fermer