PolitikaSongadim-baovao

FITANTANANA NY TANANA: Voatendry ho PDS-n’Antananarivo ny Loholona Ramanambitana Richard

Navoakan’ny Minisiteran’ny Atitany, omaly, ny didim-pitondrana nanendrena izay ho Filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo Renivohitra, izay niantefa tany amin’ny Loholon’i Madagasikara, Ramanambitana Richard. Teo amin’ny toeran’ny Loholon’i Madagasikara izy, no izao voatendry ho PDS an’Antananarivo Renivohitra izao…

Banga nandritra ny iray volana mahery herinandro vitsivitsy ny toeran’ny Ben’ny tanàna Antananarivo Renivohitra, tamin’ny nanendrena an’Andriamatoa Andriantsitohaina Naina, ho Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny Fanajariana ny tany, ny alahady 14 janoary 2024, ary izao nahazo Filohan’ny delegasiona manokan’ny tanàna izao, taorian’ny famoahan’ny Minisiteran’ny atitany ny didim-pitondrana omaly, izao. Ankoatra ny naha Loholon’i Madagasikara an’Andriamatoa PDS-n’Antananarivo Renivohitra, dia efa nisahana ny andraikitra maha Talen’ny Sekoly fampianarana Ambony Aceem, ny tenany. Tale jeneraly momba ny Fifandraisana iraisam-pirenena tao amin’ny Kaominina Antananarivo Renivohitra, mpampianatra momba ny “Comptabilité général et informatisé”, mpampianatra momba ny “Management” sy fahaiza-mitarika na “leadership”, ary efa nisahana andraikitry maha Tale jeneralin’ny toeram-pampianarana ambony ISGA. Efa Tale jeneralin’ny Fampiroboroboana ny “jeux télévisé”, ary Filoha nasionalin’ny Vovonana IFi. Manana mari-pahaizana ambony mikasika ny Fitantanana sy ny toekarena ny PDS Ramanambitana Richard, ary nanao fiofanana mikasika ny fahaiza-mitarika (Leadership), niofana momba ny “management opérationnel” sy “gestion de projet”, fiteny anglisy, ary ny “marketing stratégique” sy ny serasera. Nitondra teny fiarahabana sy firarian-tsoa ho an’ny Filohan’ny delegasiona manokan’ny tanànan’Antananarivo, ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanjariana ny tany, Naina Andriantsitohaina. Nomarihany tamin’izany, fa adidy lehibe no miandry ny PDS vaovaon’Antananarivo, izay maro sy somary maditra mponina. Manoloana ireo andraikitra goavana efa nosahanin’ity Loholona lasa PDS ity, dia matoky azy ny vahoakan’Antananarivo, fa tsy handraraka ilo mby an-doha, ary hahavita be eo amin’izany andraikitra goavana sahaniny izany. Nambarany, fa antenaina hitondra ainga vao hahafahan’Antananarivo hivoatra lalandava hamerenan-kasina an’Antananarivo. Ity farany kosa, nambaran’ny Minisitra, fa afaka matoky fa hanohana azy ny Fitondram-panjakana, satria amin’ny maha Renivohi-paritany an’Antananarivo, dia izy no tena laharam-pahamehana ho an’ny Minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana. Nambaran’Andriamatoa Filohan’ny Delegasiona manokan’Antananarivo kosa, fa vonona hiatrika ny adidy miandry azy amin’ny fitantanana ny Renivohitr’i Madagasikara, ny tenany. Andrasana kosa, ny fanendrena ireo izay ho Filoha lefitra.

Stan R.

Fermer