PolitikaSongadim-baovao

SEHATRY NY VAROTRA,  FOTODRAFITRASA, FIAROVANA, FIZAHANTANY… :  Dodona amin’ny fiaraha-miasa marolafy amin’i Madagasikara i Torkia

Notanterahina tao amin’ny  Hotely « Maxx Royal Resort » ao Antalya, afakomaly,  ny fihaonan’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filohan’i Torkia, Recep Tayyip Erdoğan. Nisongadina nandritra ny fihaonana ny fanamafisana fiarahamiasa, indrindra  ny sehatry ny varotra sy ny fandraharahana, ny fanamboaran-dalana, fananganana fotodrafitrasa, ny sehatry ny fizahantany sy ny fananganana fotodrafitrasa, ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny lafiny fiarovana. Goavana ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin’ny sehatra ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Torkia….

Notanterahina tao amin’ny « Meeting room » ny hotely Maxx Royal Resort ao Antalya, afakomaly,  ny fihaonan’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Filohan’i Torkia, Recep Tayyip Erdoğan. Anisan’ireo firenena nomen’ny Filoha Erdoğan lanjany manokana i Madagasikara nandritra ny « Forum diplomatique d’Antalya », izay tanterahina any  Torkia. Vitsy dia vitsy ireo olo-manan-kaja nahazo fihaonana manokana aminy ary nisongadina manokana tamin’ireny ny Filoha Andry Rajoelina. Niarahaba manokana ny Filoha Andry Rajoelina moa ny Filoha Erdoğan noho ny fahalaniany fanindroany indray hitondra ny Firenena malagasy mandritra ny dimy taona manaraka. Namerina ny fiarahabana ity farany koa ny Filoha malagasy satria toa an’i Madagasikara dia vao tsy ela koa no nahatanteraka ny fifidianana ho Filoham-pirenena ny vahoaka tiorka. Niompana tamin’ny fanamafisana ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta ny fihaonan’ny filoha mirahalahy tamin’ny sabotsy teo, izay marihina fa nialohavan’ny fihaonana teo amin’ny Filoha Andry Rajoelina sy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny tiorka, Hakan Fidan. Maro ireo seha-piaraha-miasa voaresaky ny roa tonta nandritra izao fihaonana izao. Anisan’ny nisongadina tamin’ireny ny sehatry ny varotra sy ny fandraharahana, ny fanamboaran-dalana sy ny fananganana fotodrafitrasa, ny sehatry ny fizahantany sy ny fananganana fotodrafitrasa mifandraika amin’izany toa ireo hotely goavana natao handraisana mpizahatany vahiny, ny sehatry ny harena an-kibon’ny tany, ny lafiny fambolena, ny jono, fa indrindra indrindra ny lafiny fiarovam-pirenena sy ny lafiny ara-tafika. Anisan’ireo firenena azo lazaina matanjaka ara-tafika manerana izao tontolo izao i Torkia. Hisy, araka izany, ny fametrahana fiaraha-miasa ara-tafika sy amin’ny lafiny fiarovana eo amin’ny firenena roa tonta. Nivoitra ary novinavinaina teto ny hanasoniavana « accord de coopération de sécurité et défense » amin’i Madagasikara sy Torkia. Nanambara moa ny Filoha Erdoğan tamin’ny faran’ny fihaonana fa hanome toromarika avy hatrany ny minisitry ny fiarovam-pirenena, mba hanomboka ny fifampiresahana amin’ny tomponandraikitra malagasy ho fanatanterahana io tetikasa goavana io.

90 %-n’ireo fitaovana avy any Torkia

Etsy andaniny dia nanindry ny Filoha Andry Rajoelina fa misokatra amin’ny fiaraha-miasa rehetra i Madagasikara ary i Torkia dia anisan’ireo firenena misongadina sy manana ny fahatokisan’i Madagasikara ary antenainy hitondra ny traikefa ananany sy ny fahaiza-manaony amin’ny fanatanterahana ireo vina goavana ao anatin’ny Politikam-pampandrosoana ankapoben’ny Fanjakana. Voaresaka teto amin’ity fihaonana ity, araka izany, ny fanatanterahana ny fananganana ny Tanàna vaovao etsy Imerintsiatosika. Marihina moa fa ny 90 %-n’ireo fitaovana fanamboarana trano sy fananganana fotodrafitrasa eto Madagasikara dia avy any Torkia avokoa. Nandresy lahatra ny Filoha Erdoğan ny Filoha Andry Rajoelina mahakasika ny fisian’ireo sehatra maro azo ampiasam-bola eto Madagasikara. Tanjona amin’izany ny hampirisihana ireo mpandraharaha tiorka hampiasa ny volan’izy ireo eto Madagasikara. Dodona, araka izany, ry zareo tiorka hanamafy ny fiaraha-miasa amin’i Madagasikara. Voaresaka teto amin’ny Maxx Royal n’i Antalya ny fametrahana fifandraisana amin’ireo mpandraharaha amin’ny firenena roa tonta.

Manamarika ny fiantombohana fiaraha-miasa matotra sy maty paika eo amin’i Madagasikara sy Torkia ity fihaonan’ny Filoha roa tonta teto Antalya ity. Samy naneho ny fahavononany hiroso ny roa tonta.  Ny Filoha Erdogan dia resy lahatra amin’ny fananan’i Madagasikara harena maro ahafahana mampandroso ny firenena amin’ny fametrahana fiaraha-miasa samy mahazo tombony na « coopération gagnant- gagnant ». Ho fanamarihana ny fifampitokisana sy hanamorana ny fanatanterahana ireo hevitra sy tetikasa rehetra noresahina teto dia hirosoana ary hatomboka ireo pitsopitsony samihafa amin’ny fametrahana masoivoho Malagasy ao Ankara, renivohitr’i Torkia. Marihina moa fa ny Filoha Erdoğan no naneho ny faniriany hananganana anio masoivoho malagasy io. Eo  koa ny hametrahana ny biraon’ny TIKA na ny Sampan-draharaha tiorka misahana ny fiaraha-miasa sy ny fampandrosoana, izay hapetraka aty Antananarivo.

Fifanaovan-tsoniam-piarahamiasa

Anisan’ny tena nisongadina nandritra ity fitsidihana ara-pomba ofisialy nataon’ny Filoha Andry Rajoelina any Torkia ity ny fifanaovan-tsonia fiaraha-miasa amin’ny sehatra ara-toekarena sy ara-barotra eo amin’i Madagasikara sy Torkia. Fifanaovan-tsonia izay notanterahan’ny Minisitra malagasy misahana ny Raharaham-bahiny, Ramatoa Rasata Rafaravavitafika sy ny minisitry ny Raharaham-bahiny tiorka, Hakan Fidan ary natrehan’ny Filoha roa tonta, Andry Rajoelina sy Recep Tayyip Erdoğan. Voarakitra ao anatin’io fifanarahana io ny hametrahana Vaomiera manokana ahafahana manamafy ny fifandraisana ara-barotra eo amin’ny firenena roa tonta na ilay antsoina hoe « commission mixte économique ». Ato ho ato dia handefa ny lisitr’ireo mpandraharaha tiorka, izay afaka hiara-hiasa sy hanampy an’i Madagasikara amin’ny fanatanterahana ny tanàna vaovao eny Imerintsiatosika ny governemantan’i Tiorka. Ho mafy orina sy ho matotra, araka izany, ny fiaraha-miasa eo amin’ny firenena roa tonta.

Rado Harivelo

Fermer