Fanadihadiana ManokanaTrangam-piaraha-monina

TRANGA FANOLANANA MISESISESY: Mankato ny “famosirana” ny ankamaroan’ireo olom-pirenena

Nitombo ny trangana fanolanana misy eto Madagasikara ary manampy amin’ny fahafantarana izany ny firoborobon’ny tambazotran-tserasera sy ny ezaka fanamafisana lalàna apetraky ny Fitondram-panjakana. Manoloana izany indrindra dia miantso ny fampiharana ny lalàna mahakasika ny famosirana ny olom-pirenena ary mankasitraka ny fampiharana izany ny ankamaroan’izy ireo.

Hatramin’ny nisian’ilay tranga fanolanana zaza enin-taona teny Imerintsiatosika tamin’ny harivan’ny alahady lasa teo ka niparitaka tao amin’ny tambazotran-tserasera fesiboky hatramin’ny alatsinainy, dia niverina niteraka adihevitra teny anivon’ny fiarahamonina indray ny mahakasika ny tokony hanomezana sazy enjana ireo olona mbola minia manao fanolanana. Raha tsiahivina dia tafiakatra 133 ny trangana fanolanana niseho nanerana ny Nosy tamin’ny volana janoary 2024. Tsy mbola nisasaka akory ny volana febroary 2024 dia efa nahitana trangana fanolanana 12 hafa indray teto Antanananarivo fotsiny ihany. Noho ny fahitana ny fahabetsahan’izany tranga izany moa no nahatonga ny Filohampirenena Andry Rajoelina nandroso ny fanamafisana ny sazin’ireo olona mbola minia manao fanolanana, nandritra ny lahateny famaranana ny taona nataony tamin’ny 2023. Arak’io toromarika avy amin’ny Filoha io, noho izany, dia naroson’ny Governemanta nandritra ny Filankavitry ny Minisitra notanterahana tamin’ny 24 janoary 2024 ny fanamafisana sy ny sazy famonjana ho an’ireo olona voaheloka fa nanao fanolanana. Fa ankoatra ny sazy dia napetraka ihany koa ny sazy fanampiny fanalana ny filàna ara-nofo ho an’ireo nahavita heloka, amin’ny alalan’ny famosirana «castration chimique» na ny “castration chirurgicale”, arakaraky ny vesatry ny heloka vita. Anisan’ny fanovana goavana nentin’ny fahefana mpanatanteraka ihany koa ny hanamafisana ny sazy ho an’ireo olona mahavita heloka bevava feno habibiana dia ny fanolanana atao amin’ny zaza latsaky ny 10 taona, ka sazy famonjana mandra-pahafaty miampy «castration chirurgicale» no hampiharina aminy. Taorian’io moa dia natolotra ireo antenimiera roa tonta ary nolanian’ireo parlemantera izany volavolan-dalàna izany. Mbola nankatoavin’ny HCC ihany koa ny fanaovana izay famosirana izay raha ny fampitàna navoakan’izy ireo tamin’ny 23 febroary lasa teo. Mialoha ny tena hampiharana azy dia eo amin’ny dingan’ny fiandrasana ny famoahana didy fampiharana avy amin’ny Filohampirenena isika amin’izao fotoana.

Ny hevitr’ireo olom-pirenena

Na eo aza anefa io ezaky ny Fitondram-panjakana amin’ny fampiharana sazy enjana miantefa amin’ireo mpanolana io dia mbola misy hatrany tato ho ato ny trangana fanolanana, saika isan’andro. Naneho ny heviny mahakasika izany indrindra ny olom-pirenena vitsivitsy tafaresaka taminay omaly. Mankatoa ary manaiky ny fampiharana ny sazy famosirana ireo mpanolana ny ankamaroan’izy rehetra.

“Mety tsara ny fampiharana io sazy famosirana io”, hoy i Tanjona. Ny fampiharana izany dia mety hampihena ireo olona manao herisetra. “Ny tena tsara aza dia hoe atao ampahibemaso amin’izay matahotra ny rehetra ka tsy alaim-panahy hanao izany intsony”, hoy hatrany izy. Araka ny hevitr’io tovolahy io hatrany, vokatry ny fidorohana zava-mahadomelona no antony iray mahabetsaka ny trangana fanolanana. Miparitaka eny rehetra eny ary tsy misy fahasarotana ny fisitrahana zava-mahadomelona. Miara-dalana amin’izany ihany koa ny fiparitahan’ny horonan-tsary moamafady ka lasa halaim-panahy hampihatra izany ny olona sasany.

Mbola mitovy amin’izay hatrany ihany koa ny hevitr’ireo renim-pianakaviana hafa tafaresaka taminay. Nambaran’izy ireo fa raha ny fanaovana io famosirana io no hampihena ny trangana fanolanana eto Madagasikara dia tsy tokony ho olana ny fampiharana izany. Na eo aza anefa ny fandraisana io fepetra io, nohazavain’i Ranto fa sehatra mila hiasana mialoha izay ny any amin’ny fitsarana sy ny ady amin’ny kolikoly mba tena hisitraka izay sazy izay tokoa ireo mpanao fanolanana, ary hatoky hatrany ny fitsarana ny vahoaka.
“Tranga efa nisy hatramin’izay ny fanolanana ary nanampy tamin’ny fitorohana ny firoborobon’ny tambazotran-tserasera sy ny fanamafisana sazy napetraky ny Fitondram-panjakana”, hoy ireo raim-pianakaviana tafaresaka taminay. Noho izany dia ny fisorohana miainga eny fotony no tokony hamafisana kokoa raha ny hevitr’izy ireo. Izany hoe mampitombo ny fampianarana sy fanentanana ny olom-pirenena.

Isan’ireo tohina mafy amin’izao trangana fanolanana izao ihany koa moa ireo renim-pianakaviana. “Amin’ny maha renim-pianakaviana ahy dia mety ny fampiharana io famosirana io mba ho fanasaziana ireo lehilahy maty eritreritra sy tsy mataho-tody”, hoy Nany. Raha ny fanazavany dia miaina ao anaty fahoriana, tebiteby ary fitaintainana ireo Ray aman-dReny manan-janaka vavikely amin’izao fotoana. Mifandray amin’ny foto-pisainana, ny fahantrana, ary indrindra ny fandraisana zava-mahadomelona no mahatonga ny fahabetsahan’ny trangana fanolanana ankehitriny, raha ny heviny hatrany. “Ny faniriana dia mba tena ampiharina io lalàna io ary tsy hijerena sarangan’olona izany”, hoy hatrany izy.

“Mety ny fampiharana ny lalàna famosirana ary ankasitrahako amin’ny maha mpianatra lalàna ahy”, hoy i Elise. Ankasitrahany ny fampiharana io lalàna io satria rehefa ady heloka bevava toy ny fanolanana dia mihatra aman’aina ilay izy, ary indrindra mihatra amin’ny zaza. Manoloana ny ady hevitra etsy sy eroa mahakasika io lalàna io ihany koa dia mbola nohazavain’ity mpianatra lalàna ity fa tsy miala amin’ny Lalampanorenana izy na dia misy aza ny hoe fanajana ny zon’olombelona sy ireo lalàna iraisam-pirenena hafa noratovina sy nankatovin’i Madagasikara. Ny Lalampanorenana no mametraka ny fiandrianam-pirenena ka heverina fa tsy misy olana velively ny fampiharana ny famosirana satria mifanaraka amin’ny Lalampanorenantsika.
Manoloana ny filazana tsy fanajana ny zon’ireo mpanolana atao famosirana indray, nambaran’ity mpahay lalàna ity fa “ny zon’ireo mpanolana indray ve no harovana fa ny zon’ireo zaza voaholana tazanim-potsiny”. Misy amin’ireo zaza voaholana anefa no mamoy ny ainy, simba fitaovam-pananahana, mitondra takaitra ara-tsaina, ary potika hatramin’ny hoaviny. Fehiny, ilaina ary raisina ho laharam-pahamehana ny tokony hampiharana ny lalànan’ny famosirana ho an’ireo mpanolana. Ny handrandrain’i Elise dia ny mba tena hiharan’io lalàna io tokoa, mba hisy tokoa ny famosirana ka ho lasa anatra ho an’ireo rehetra mbola hanana hevi-dratsy hanao fanolanana izany.

Fangatahan’ny Minisitry ny mponina

Omaly moa dia mbola naneho hevitra mahakasika io sazy famosirana ireo mpanolana io ihany koa ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Haingo Nambinina. Izy izay nanolo-tanana ilay ankizy enin-taona nisy nanolana teny Imerintsiatosika ka nahatsapa mivantana ny ngidin’izany vokatry ny fanolanana izany. Noho izany dia nanao fangatahana manokana miantefa amin’ny Filohampirenena ny tenany mba ho isan’ireo voalohany hampiharana ny famosirana i Dawilly, ilay tovolahy 23 taona nanolana an’i Nekena teny Imerintsiatosika. Ankoatra io, nitondra ny fanentanana ho an’ny vahoaka, ireo mpiara-miombona antoka ary ho an’ireo mpampahalala vaovao ihany koa ny tenany mba hiaraka hampahafantatra amin’ny rehetra ny fisian’io lalàna momba ny fanolanana io, ary tsy hitsitsy ireo izay mandika izany ny Fitondram-panjakana. Tanjona anatin’izany dia ny mba hanafoanana io trangana fanolanana lasa ambana ho an’ny mponina io ankehitriny.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Fermer