Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FAMOTEHANA FITAOVAM-PANJAKANA : Nirefodrefotra ny baomba mandatsa-dranomaso, miaramila iray naratra tao Manakara

Niafara tamin’ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso avy amin’ny mpitandro filaminana ny fiokona nataon’ireo mpitarika posy anjatony, omaly, tao Manakara. Resaka tsy fankasitrahana ny lamina napetraky ny Polisy monisipaly tamina mpitarika posy iray no niavian’ny olana. Potika hatramin’ny 60 %  ny varavaram-pitaratry ny Lapan’ny Tanàna, fiaran’ny Tafika iray simba. Mandeha ny fanadihadiana…

Raikitra ny sakoroka tao Manakara omaly, tamin’ny 10 ora maraina.  Nisy ny grevy nataon’ireo mpitondra posy rehetra nanoloana ny biraon’ny kaominina Manakara. Noho ny tsy fankasitrahana ny lamina napetraky ny polisy monisipaly dia tezitra ireo mpitondra « cyclo-pousse » efa anjatony naneho ny tsy fahafaliany.

 Raikitra ny torabato sy toraka kakazo tao amin’ny kaominina ambonivohitr’i Manakara. Potika sy nahitana fahavakisana avokoa ireo varavarankely fitaratra  manoloana ny Lapan’ny Tanàna. Niafara tamin’ny fanapoahana baomba mandatsa-dranomaso avy amin’ny mpitandro filaminana izany mba hanaparitahana ireto mpioko. Nisy ny fifandaminana natao notarihin-dRtoa Prefe sy ny Ben’ny Tanànan’i Manakara niaraka tamin’ireo solontenan’ny mpitari-posy  miisa 30. Saingy, tsy nahandry izany fifandaminana izany anefa ireo sasany tany ivelany ka niroso tamin’ny fanimbana ny fitaratra sy nanao tora-bato ny biraon’ny kaominina Manakara. Potika hatrany amin’ny 60% ny fitaratry ny kaominina Manakara vokatry ny toraka.

Nioko noho ny tsy fandaminana…

Nifanindran-dalana tamin’izay  koa, ny fahatongavan’ireo  avy ao amin’ny Tafika « Bataillon Infanterie »  Manakara, nitondra fiara iray. Nihamafy,  araka izany, ny hetsika teo amin’ireo Mpitandro filaminana sy ireo mpitarika posy mpioko. Voatery tsy maintsy nanapoaka baomba mandatsa-dranomaso ny mpitandro filaminana. Miaramila iray avy ao amin’ny Tafika no naratra, nandritra ny fifanjevoana. Potika vokatry ny toraka ny « pare-brise » ny fiaran’ny Tafika. Lehilahy mpitari-posy iray no naratra voadonan’ny fiaran’ny Tafika rehefa nihemotra, izay efa any amin’ny hopitaly ary nahazo fitsaboana. Nandritra ny fifanjevoana, baomba mandatsa-dranomaso miisa 12 no nipoaka. Nisy ny fepetra noraisina, ka najanona tsy hiasa aloha ireo polisy monisipaly ao Manakara. Nasiana mpitandro filaminana miambina ny Lapan’ny Tanànan’i Manakara. Efa miverina ny filaminam-bahoaka tao an-toerana. Fitaovam-panjakana maromaro, araka izany, no simba vokatry ny fiokona nataona mpitarika posy. Raha tsiahivina ny nahatonga ny gidragidra, omaly  tamin’ny 7 ora sy 30 mn maraina, nisy posy iray nijanona nanoloana ny vavahadin’ny Lisea « Présentation de Marie »  Manakara, izay toerana tsy azo ijanonana. Raha nahita izany ny Polisy monisipaly iray dia nalainy avy hatrany ny seza fitoerana tamin’ilay posy ary nentiny niaraka taminy tao amin’ny Biraon’ny kaominina ilay mpitari-posy. Nalefa nody ihany anefa izy avy eo. Tsy faly tamin’ny fomba fiasan’ireto Polisy monisipaly ny mpitari-posy ka nanatanteraka grevy sy fiokona omaly io.

Pierre M.

Fermer