PolitikaSongadim-baovao

FAMOSIRANA IREO MPANOLANA…: Tsy hihemotra amin’ny fampiharan-dalàna ny Filoha sy ny fitsarana malagasy

Mijoro amin’ny fiarovana ny vehivavy fa indrindra ny zaza tsy manan-tsiny iharan’ny herisetra sy ny fanolanana ny Filohan’ny Repoblika, araka ny namafisiny tao Toamasina, omaly. Namafisin’ny Filoha,fa manameloka izany fanolanana atao amin-jaza izany ny tenany ary tsy hihemotra amin’izany.

Mijoro amin’ny fiarovana ny vehivavy fa indrindra ny zaza tsy manan-tsiny iharan’ny herisetra sy ny fanolanana ny Filohan’ny Repoblika, araka ny namafisiny tao Toamasina, omaly. Namafisin’ny Filoha,fa manameloka izany fanolanana atao amin-jaza izany ny tenany ary tsy hihemotra amin’izany. Maro ny Zaza voaolana no tsy afaka mandà noho ity habibiana ity, ary tsy misy manamarina ny herisetra atao amin’ny ankizy sy ny Zaza, raha ny fanamarihana nataony. « Rehefa mahita ny sarin’ireo zaza voaolana ny tenako dia ontsa fo tanteraka. Misarika ny sain’ny rehetra ny tenako fa mbola misy Malagasy ve mahasahy milaza fa tsy tokony hamafisina ve ny sazy amin’ireo mpanolana? Ampy ve ny fanagadrana fotsiny ireo nahavanon-doza manoloana ny fangirifirian’ireo Zaza tsy manan-tsiny ireo, sy ny fahasimban’ny fiainan-koaviny?. Raha ny zanakao sy akaiky anao ve misy manoloana sy manimba dia ekenao? Takaitra anefa no azon’ireo zaza lasibatra. Ao ny Zaza 05 sy 06 taona, ny latsaky ny 10 taona, ary misy aza tsy maintsy esorina ny tranon-jazan’izy ireny vokatry ny habibian’ny mpanolana ». Namafisin’ny Filoha, fa takaitra mandra-maty entin’izy ireo amin’ny vatany izany, manginy fotsiny ny takaitra ara-tsaina sy ny horohoro ara-tsaina mahazo ireo niharam-boina. Ny sazy namafisina dia ny famosirana, izay tsy ny fanapahana maha lehilahy akory, fa ny fampiharana ny fiasan’ny filàna ara-nofo, dia ny famosirana ara-pandidiana sy ara-panafody. Namafisiny, araka izany, fa mijoro amin’ny fiarovana ireo vehivavy sy ny Zaza iharan’ny herisetra ny tenany. Mijoro hatrany amin’ny hevitro aho fa tsy maintsy nirosoana ny famosirana ireo nanolana, izay manala ny filan’ireo mahavanon-doza. Ho an’ireo milaza kosa, fa tsy ilaina ny famosirana, dia nambaran’ny Filoha, fa hanao horonan-tsary an’ireo Zaza maty tratran’ny fanolanana sy potika tanteraka any amin’ireo mandà ity fampiharan-dalàna io. Manana andraikitra amin’izany ny Mpitandro filaminana sy ny vahoaka. Mila fahasahiana fitorohana amin’ny trangam-piarahamonina momba izany isika amin’izao fotoana, hoy ny Filoha.

Manoloana ity fanamafisan’ny Filoha hiaro ny Zaza tsy ampy taona iharan’ny fanolanana ity, dia namafisin’ny Minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, fa efa nisy ny fankatoavan’ny Filohan’ny Repoblika ny fanamafisana sy ny fanovanana ny lalàna momba ny fehezan-dalana famaizana miompana amin’ny fanolanana izay, ny 26 febroary 2024 teo. Araka ny lalàna mantsy, dia izay lalàna manan-kery amin’ny fotoana hanaovana heloka no hampiharana azy. Noho izany, dia ireo tranga fanolanana vitsivitsy taorian’ny 26 febroary niakatra teo anivon’ny Fampanoavana ireny dia iharan’io lalàna vaovao io. Ny eo anivon’ny Minisiteran’ny Fitsarana tarihin-dRamatoa Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana Minisitry ny Fitsarana Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, izay nanolotra ity volavolan-dalàna ity, dia nanamafy fa resy lahatra tanteraka ny amin’ny fampiharana izany amin’ireo voaheloka aorian’ny fanapahan-kevitry ny Mpitsara. Raha tsiahivina dia eo ny fanamafisana ny sazy asa an-terivozona sy ny fanampiana Ilay famosirana ny olona nanolana, izay miakatra izay tsy izy amin’izao fotoana ny asa ratsy fanaon’ireo tsy matahotody manimba ny ho avin’ny Zaza tsy manan-tsiny. « Raha ny ato amin’ny Fitsarana dia tsy hisy fanavahana na tombo sy ala eo amin’izay fampiharan-dalàna momba ny fanolanana izay, satria ny lalàna dia tsy maintsy mihatra aorian’izay fankatoavan’ny Filohan’ny Repoblika azy izay ». Tsy misy ihany koa ny safidy fa na tiana na tsy tiana dia tsy maintsy hampiharana ny lalàna, satria izay no maha tany tan-dalàna an’i Madagasikara. Nohamafisin’ny Minisitra, fa ny Zaza voaolana ireny dia manana ny zony tokony harovana, manoloana ny fahasimban’ny taovany, ary misy aza, namoy ny ainy Zaza 02 taona tao Toamasina, herinandro maro lasa. Efa nanome toromarika rahateo ny Minisiteran’ny Fitsarana, ny amin’ny hampiharana ity lalàna momba ny fanolanana ity amin’ny an-tsakany sy an-davany tsy misy fanavahana manerana ny Nosy.

Stan R.

Fermer