PolitikaSongadim-baovaoSosialy

FILOHA ANDRY RAJOELINA : “…Tsy maintsy averina amin’ny Malagasy nanajary azy ny taniny »

Karatany miisa 6987  no nozarain’ny Filoha sy ny Fitondram-panjakana tao Toamasina II, afakomaly, izay nanomezana vahana manokana tamin’izany fizarana izany ireo vehivavy. Nahitsy ny Filoha nilaza fa tsy ekena ny fibodoana ny tany ary tsy maintsy averina amin’ny Malagasy izay nanajary azy ny taniny. Antony nanaovana ny tetikasa karatany, hanomezana tany ny Malagasy mba hahafahany mamokatra sy mivelona, indrindra hiadiana amin’ny tambazotran’ireo mpangalatra tany, mampahory ireo vahoaka madinika…

Niompana tamin’ny olan’ny fananan-tany, ny fanadiovana sy fanatsarana, ary ny fampandrosoana ny tanànan’i Toamasina ny kabarin’ny Filoha Rajoelina nandritra ny lanonana tao amin’ny Fokontany Tanandava, Kaominina ambanivohitra Toamasina, distrikan’i Toamasina II afakomaly. Mahakasika ny fananan-tany dia notsindrian’ny Filoha Andry Rajoelina « fa tsy ekena ny fibodoan’ny olom-bitsy, izay manararaotra ny fahaizany taratasy sy ny pitsopitsony ara-panjakana ny tany izay nohajarian’ny mponina maro an’isa ». Araka izany, izay tany azon’olom-bitsy amin’ny tsy ara-dalàna dia andraisana fepetra, ary ny tombontsoan’ny maro an’isa, ny vahoaka no jerena. Ny mahakasika ny olan’ny tany ao Ambalamanasy izay novahan’ny Fitondram-panjakana dia noresahina manokana nandritra ny filankevitry ny minisitra. Ary fampiharana ny fanapahan-kevitry ny filankevitry ny minisitra ny 21 febroary ilay fizarana titra, natao ny afakomaly lasa teo.

Notsindrian’ny filoha Rajoelina nandritra ny fizarana ireo “Titra » ho an’ny mponina ao Ambalamanasy kosa, fa ireo izay efa nanajary ny tany an-taonany maro, sy nipetraka teo an-taonany maro ihany no mahazo izany. Fa tsy ekena kosa ny fidiran’olona vaovao. Hafatra napetrany manokana tamin’ny Ben’ny tanànan’i Kaominina ambanivohitr’ i Toamasina moa izany. Karatany miisa 6987  no nozarain’ny Filoha sy ny Fitondram-panjakana moa tao Toamasina II.

Fampandrosoana an’i Toamasina

Isan’ny nisongadina tao anatin’ny kabarin’ny Filoha tao Tanandava  koa, ny hoe, hisy filankevitry ny minisitra ho atao ao Toamasina, amin’ny volana avrily. Hodinihina mandritra izany ny fampandrosoana an’i Toamasina I sy Toamasina II. Isan’ny teboka hodinihina amin’izany ny vola 8 tapitrisa dolara ahafahana manosika izany fampandrosoana eo anivon’ireo distrika roa ireo izany, indrindra fa ny tanànan’i Toamasina, izay renivohitry ny Faritra Atsinanana.

Ity vola 8 tapitrisa dolara ity moa dia ambin’ilay fanampiana ara-bola mitentina 25 tapitrisa dolara azo tamin’ny tetikasa Ambatovy, tamin’ny fotoan’ny Tetezamita. Ny Filoha Andry Rajoelina moa no niady ny hahazoana izany tohana ara-bola izany.

Nandritra ity fitsidihan’ny distrikan’i Toamasina II ity moa dia nihaino mivantana ny feo sy hetahetan’ny vahoaka ny Filoham-pirenena. Nambaran’ny solontenan’ireo mponina fa ny jiro sy ny rano ary ny tatatra. Mahakasika ny jiro moa dia tafiditra ao anatin’ny fangatahan’ireto mponina ireto ny “éclairage public”, sy ny fahazoana jiro isan-tokantrano.

Ady amin’ny « Mafia »

Nanambara ny minisitry ny  Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, Naina Andriantsitohaina fa « mazava ny baiko nomenao Andriamatoa Filoha. Mampandeha ny raharaham-panjakana, ny ady amin’ny kolikoly, ady amin’ireo « Mafia » mangalatra ny tany, na tanim-panjakana io, na tanin’olona tsotra, mihaino ny vahoaka, ary indrindra indrindra, mamerina ny tany ho an’ny Malagasy ».

Nasongadiny fa ny minisiteran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany Andriamatoa Filoha, dia minisiteranao. Satria dia minisitera mifampikasokasoka amin’ny vahoaka isan’andro, ary mandray ny fitarainan’ny vahoaka isan’andro. Isika  dia manana olona vonona sy vanona. Vanona satria mahay ny asany, ary manana ny traikefa. Vanona satria, ny ankamaroan’izy ireo dia madio saina. Ary indrindra vonona, anatanteraka ny baikonao, ary vonona anompo ny vahoaka sy ny firenena.

Tetikasa telo no anton-dia, ary karazana titra sy kara-tany telo ny  nozaraina. Ny iray mahakasika an’i Betainomby, ny iray ny any Ambalamanasy izay nomena baiko manokana, mba hahafahana mamerina ny tanim-panjaka ho an’ny vahoaka.

 Ary misy titra faobe, kara-tany faobe tao anatin’ny tetikasa CASEF, ary kaominina mihoatra ny 50 no voakasik’izany.

Rado Harivelo

Fermer