Songadim-baovaoSosialy
MIALY RAJOELINA: Handray an-tanana ny fitsaboana ireo ankizy iharan’ny fanolanana
Nizotra tam-pilaminana ny fankalazana nasionaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy 2024 tany Toamasina. Ivon’ny fanamarihana ny omaly ka ankoatra ny fiaraha-mientana tao anatin’ireo diabe dia nitàna ny sain’ny rehetra ihany koa ny fanamby napetraky ny vadin’ny Filoha mahakasika ireo trangana herisetra mahazo ny vehivavy sy ny ankizivavy amin’izao fotoana.
Nanehoana ny fiaraha-mientana sy ny firaisan-kina ho fanomezan-danja ny vehivavy manerana ny lafivalon’ny Nosy ny fanamarihana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy omaly 08 marsa 2024. Niavaka kokoa ny tany Toamasina izay nanaovana ny fankalazana nasionaly tamin’ity andiany ity. Nahitana solotena tany an-toerana avokoa ireo vehivavy sy fikambanam-behivavy lehibe miparitaka manerana ny Nosy. Niara-niombona tao anatin’ny fankalazana io andro omaly io ny Filompirenena mivady ka Ramatoa Mialy Rajoelina no mpiahy ny hetsika. Tsy adinoina ihany koa ny fanatrehin’ireo mpikambana maro ao anatin’ny Governemanta sy ireo tompon’andraikitra ambony hafa.
Natomboka tamin’ny filaharambe namakivaky tanàna nataon’ireo fikambanam-behivavy sy vehivavy eny anivon’ny Ministera ary ireo vehivavy solontena isam-paritra io fankalazana ny andron’ny 08 marsa tany Toamasina omaly io. Nanodidina ny 15 000 ireo vehivavy nandray anjara tamin’izany. Ankoatra ny diabe dia nampientanentana ny rehetra ihany koa ireo lanonana sy seho an-tsehatra niarahana tamin’ny mpanakanto Denise. Nialoha izay anefa, nifantoka tao anatin’ny fandraisam-pitenana nifandimby ny rehetra izay natomboka tamin’ny vadin’ny Ben’ny tanànan’i Toamasina, ny solontena maharitry ny Firenena Mikambana eto Madagasikara, ny minisitry ny Mponina sy ny Firaisankina, ary namaranana azy ny lahateny nataon-dRamatoa Mialy Rajoelina sy ny Filohampirenena.
Lohahevitry ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy tamin’ity taona ity ny hoe “vehivavy miarina sy miray hina, firenena mandroso”. Noho izany indrindra dia nitodika tamin’ny fanentanana ireo mpisehatra rehetra eto Madagasikara mba handray ny anjara tandrify azy ao anatin’izay fampivoarana ny vehivavy izay ny Minisitry ny Mponina sy ny Firaisan-kina Haingo Nambinina. “Mba hampisitrahana ny vehivavy ny zony, hampiarina sy hampitraka ireo vehivavy sahirana, ireo vehivavy lavon’ny herisetra ,ny latsaka ao anatin’ny haterena, andao hifanohana mba hiara-hivoatra ao anaty fikirizana ka hiray hina mba ho mpandray anjara mavitrika amin’ny fampandrosoana eny na amin’ny raharaham-pirenena satria mila antsika vehivavy ny firenentsika”, hoy ny nambarany nandritra ny fandraisam-pitenenany. Ankoatra io, nitondra ny teny fanentanana ho an’ireo lehilahy, Raiamandreny ara-drazana sy ireo mpitondra fiangonana ihany koa ny tenany mba hampianatra sy hitaiza ireo taranka, mba hametraka kolon-tsaina sy toe-tsaina tena manaja ny Soatoavina maha malagasy, ary tena mandalina ilay “fihavanana”. “Indrindra hatahotra an’Andriamanitra ka hampitsahatra ny herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny ankizy”.
Ankilany, niavaka nandritra io fankalazana natao tany Toamasina io ihany koa ny lahateny nataon’ny vadin’ny Filoha Mialy Rajoelina. Navoitrany tao anatin’izany ny fankasitrahany ny ezaka amin’ny fivoarana sy ny fiarenana amin’ny sehatra samihafa eo anivon’ny fiarahamonina sy ny firenena ataon’ny vehivavy Malagasy. Ho fanohanana azy ireo ao anatin’izany ezaka izany dia raisina ho laharam-pahamehana ny fampivoarana ny vehivavy amin’ny fanatanterahana ireo tetikasa ahafahany miarina, hoy ny vadin’ny Filoha, mba ahafahan’izy ireo mahaleo tena sy ahafahany mitondra anjara biriky amin’ ny fampandrosoana ny firenena. “Raha tiana ho tanteraka izany dia ilaina ny firaisan-kinantsika vehivavy, andao isika hifanome tanana sy hifampisintona miakatra. Resy lahatra aho fa isika vehivavy dia tena afaka mitondra fiovana ho amin’ny tsaratsara kokoa”, hoy hatrany ny teny fanentanany.
Trangam-piarahamonina mandentika ny masoandrom-pivoaran’ny vehivavy sy ny ankizivavy ka mahazo vahana amin’izao fotoana ny herisetra, indrindra ny fanolanana. Naneho ny heviny mahakasika izany Ramatoa Mialy Rajoelina omaly ka nambarany fa “iray amin ’ireo tena imasoako sy mirakitra ato am-poko ny ady amin’ny herisetra, ny fanolanana sy ny habibiana atao amin’ny zaza sy ny ankizy, izay mahazo vahana amin’ny trangam-piarahamonina ankehitriny”. Noho ny voka-dratsy aterak’izany dia nohazavainy fa mijoro ho mpitondra ny feon’ireo zaza tsy manan-tsiny ny tenany, ireo zaza tsy mba afaka miteny na mandà, ary ireo ankizy sy tanora voatery mangina noho ny tahotra na fandrahonana. Tamin’izany indrindra no nanentanany ireo rehetra nanatrika ny fankalazana tany Toamasina mba hiray feo amin’ny fanamelohina ny heristera, ny fanolanana, sy ny habibiana. Satria ny fanolanana dia endrika fanosihosena ny maha olona, fanitsakitsahana ny zon’olombelona, ary famotehana ny hoavin’ireo zaza sy ankizy tsy manan-tsiny. Fanambin’ny vadin’ny Filohampirenena, araka izany, ny hanohizana hatrany ny ady amin’ny famongorana ny fanolanana sy ny habibibiana atao amin’ny zaza sy ny ankizy. Fanambarana lehibe nataony ny hoe “ho raisiko an-tanana ny fitsaboana ireo zaza sy ankizy iharan’ny fanolanana”. Tsy ho vitany samy irery anefa, miantso ireo Ray aman-dReny, ny fiarahamonina, ny mpanabe, ny mpiantsehatra ara-tsosialy, ny fiarahamonim – pirenena, ny mpitandro filaminana, ny mpitsara, ny mpiaro ny zon ’olombelona, ny Fanjakana, mba hifanome tanana hiaro ny ankizy sy hiady amin’ny herisetra sy ny fanolanana Ramatoa Miala Rajoelina. Nanao fangatahana manokana miantefa any amin’ireo manam-pahefana ihany koa izy mba tsy hanisy indra-fo ho an’ireo izay mbola mampihatra herisetra satria tsy misy manamarina ny habibiana atao amin’ireo zaza. Miantso ny mba hampiharana ny lalàna velona sy hanomezana sazy enjana ireo meloka sy mpanao habibiana rehetra ihany koa ny tenany.
Taorian’io tany Toamasina io moa, fantatra fa Mahajanga indray no handray ny fankalazana nasionaly ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy amin’ny taona 2025.



