Songadim-baovaoSosialy

RAMATOA MIALY RAJOELINA: Hanohy hatrany ny ady amin’ny herisetra sy ny fampanajana ny zon’ny vehivavy

Na eo aza ny ezaka vitan’i Madagasikara eo amin’ny lafiny ady mahakasika ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy dia mbola vehivavy na zatovovavy malagasy iray amin’ny telo no efa niharana herisetra nandritra ny androm-piainany. Oharina amin’ny ezaka vita sy ny sakana mbola hatrehina dia tsy ho tratra ny tanjona raha tsy any amin’ny 300 taona ho avy. Midika izany fa milana manafaingana ny ady amin’ny VBG i Madagasikara…

Ahitana endrika herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy (Violence Basée sur le Genre) ny toerana rehetra misy vehivavy sy zatovovy eto Madagasikara. Faritra tena ahitana tranga betsaka kosa ny any amin’iny tapany atsimon’ny Nosy iny, raha ny fanazavana noentin’i Josiane YAGUIBOU, solotena maharitry ny UNFPA eto Madagasikara. Misongadina amin’ireo tranga hita any an-toerana ny herisetra any an-tokantrano, ny fampanambadiana aloha loatra ny ankizy vavy, ary ny fitondrana vohoka aloha loatra. Noho ireo zava-misy ireo indrindra no mbola mametraka an’i Madagasikara ho eo amin’ny laharana faha-14 maneran-tany ahitana taha ambony indrindra amin’ny zatovovavy manam-bady aloha ny faha-18 ny taonany. Izany hoe ny 40,3%-n’ny ankizivavy eto Madagasikara no miroso amin’ny fanambadiana alohan’ny faha-18 ny taonany, ary 12,7% ny taha any amin’ireo ankizy vavy latsaky ny 15 taona. Ankoatra io, mbola manjaka ihany koa ny herisetra ara-batana sy ny herisetra ara-nofo izay samy mahatratra 30% sy 14% ny taha eto Madagasikara. Misy fiantraikany ratsy maharitra amin’ny lafiny fahasalamana ara-pananahan’ny lasibatra anefa izany zava-misy izany, fiantraikany ratsy ara-batana, ary indrindra eo amin’ny lafiny ara-tsaina. Fehiny, vehivavy na zatovovavy malagasy iray amin’ny telo no efa niharana herisetra nandritra ny androm-piainany.

Sakana lehibe ny fahanginana, tsy fahasahiana mitoroka

Tsy eo amin’ny lafiny ara-pahasalamana sy ny fiandrianan’ny vehivavy ihany, miantraika any amin’ny fampizakan-tena ny vehivavy ary indrindra misy fiantraikany lehibe amin’ny fampivoarana ny firenena ny fanaovana herisetra atao amin’ny vehivavy sy ny tovovavy. Sakana lehibe mbola tsy ahafahana manafoana ny herisetra ny fahanginana sy ny tsy fahasahiana mitoroka. Raha mbola mitohy anefa izay kolontsain’ny fahanginana izay dia tsy hahatratra ny tanjon’ny fanafoanana ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy isika raha tsy afaka 300 taona, hoy ny fanazavana noentin’ireo mpisehatra omaly.

Noho izany dia vahaolana raisina ho laharam-pahamehana ny fanafainganana ny ady atao amin’ny herisetra. Ho fanatanterahana izany dia mila hampitomboana ihany koa ny fampiasam-bola eo amin’io lafiny ady amin’ny herisetra sy ny tetikasa manodidina azy io. Raisina ho zava-dehibe izay fampitomboana ny fampiasam-bola izay, hoy ny fanazavana noentin-dRamatoa Lydia ZIGOMO izay talem-paritry ny UNFPA aty Afrika Atsinanana sy Atsimo, satria mamotika ny fahafaha-mivoatran’ny vehivavy ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy. Raha tsy mampitombo io fampiasam-bola io isika, araka izany, dia tsy misy ny fampizakan-tena ny vehivavy ka hisy fiantraikany amin’ny fandrosoan’ny firenena ihany koa satria maherin’ny antsasa-manilan’ny mponina eto Madagasikara dia vehivavy avokoa. “Noho izany dia mila hamafisina ny fanentanana amin’ny alalan’ireo tetikasa maro. Manana tombony betsaka ianareo eto Madagasikara satria manana vadina Filohampirenena mandray andraikitra sy manao ny ady amin’ny herisetra ho laharam-pahamehana”, hoy hatrany ny fanehoan-kevitra noentin-dRamatoa Lydia ZIGOMO.

Amboara fankasitrahana

Ao anatin’izay lalan-tsainan’ny fampitomboana ny fampiasam-bola mahakasika ny ady amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy izay dia notanterahana omaly teto Antananarivo, ny valan-dresaka lehibe “l’investissement pour accélerer l’égalité du genre” izay teo ambany fiahian’ny vadin’ny Filohan’ny Repoblika, Ramatoa Mialy Rajoelina, ary teo ambany fanotron’ny talem-paritry ny UNFPA aty Afrika Atsinanana sy Atsimo. Ity farany izay manatanteraka fitsidihana eto Madagasikara hatramin’ny anio. Araka izany, sehatra nanaovan’ny vadin’ny Filoha antso indray amin’ny fiaraha-mientan’ny tsirairay avy ho fanafainganana ny famongorana ny herisetra mianjady amin’ny vehivavy sy ny ankizivavy io nokarakarain’ny UNFPA omaly io. Anisan’ny noresahiny nandritra ny lahateniny ihany koa ny fampidirana ny resaka fandrindram-piterahana izay tsy azo tsinontsinoavina ao anatin’ny tolona izay atao. Nanantitra toky ny hanohizany hatrany ny ady amin’ny herisetra Ramatoa Mialy Rajoelina, ary sahy hijoro ho mpiaro hatrany ny zaza sy ny vehivavy manoloana ny herisetra, araka ny efa nambarany nandritra ny fankalazana ny andro iraisam-pirenena ho an’ny zon’ny vehivavy farany teo tany Toamasina.

Tao anatin’izay dimy taona izay moa dia efa nilofo sy nahavita ezaka maro mahakasika ny ady amin’ny VBG ny vadin’ny Filoha Mialy Rajoelina. Izy rahateo no “championne de la lute contre les VBG” eto Madagasikara. Nandritra io valan-dresaka lehibe notanterahana omaly io dia mbola notoloran’ny UNFPA, tamin’ny alalan-dRamatoa Lydia ZIGOMO, amboara fankasitra (trophée de reconnaissance) indray i Mialy Rahoelina, noho ireo ezaka vitany nandritra izay dimy taona izay.

Ezaka maro…

Araka izany dia maro ireo asa sy ezaka efa vitan’i Madagasikara tao anatin’izay dimy taona farany izay teo amin’io lafiny ady amin’ny herisetra io. Niezaka namintina azy ireo tao anatin’ny andalana vitsy ramatoa Rakotonirina Miarisoa Patricia izay sekretera eo anivon’ny Ministeran’ny Mponina sy ny Firaisan-kina. Isan’ireo asa efa vita, noho izany ny:
-Fametrahana ny lalàna mifehy ny ady amin’ny VBG tamin’ny taona 2019. Hatramin’io taona 2019 io, araka izany, dia niisa 105 636 ireo olona niharan’ny VBG sy ankizy marefo niisa 226 974 niharan’ny herisetra no noraisina an-tanana sy nisitraka tohana. Nahafahana nampiroborobo ny fahasahiana mitoroka ihany koa ny fametrahana io lalàna io ka isan’ireo asa natao tao anatin’izany ny notanterahan’ny “Brigade Féminine de Proximité”. Nandritra ireny Covid-10 ireny ihany koa dia napetraka ny laharana maitso hanamora ny fitarainana. Maherin’ny 1 500 ireo tranga fitorohana voaray, lasibatra maherin’ny 5 000 no noraisina an-tanana, ary olona maherin’ny 6 000 no nisitraka tolon-kevitra maimaimpoana tamin’ny taona 2020 sy 2021.
-Fanatsarana ireo sampan-draharaha mandray an-tanana ireo niharan’ny herisetra. Miisa 6 izy ireo ary napetraka any amin’ireo Faritra 4 izay ahitana taha ambony amin’ny VBG eto Madagasikara.
-Fanafainganana ny fikarikarana ireo antontaratasin’ny lasibatra rehefa tonga eny amin’ny fitsarana.
-Fampiroboroboana ireo hetsika maro mifandraika amin’ny fampizakan-tena ny vehivavy sy ny zatovovavy.
-Fampiroboroboana ny fampiasana fandrindram-piterahana moderina. Niakatra ho 53% izany tamin’iny taona 2023 iny raha toa ka 60% ny tanjona kendrena hatramin’ny taona 2030.
-Fampiofanana arak’asa ireo vehivavy niharan’ny VBG sy ny fikambanam-behivavy.
-Fampiofanana ara-teknolojia sy informatika.
-Fampisitrahana tosika ara-bola amin’ny alalan’ny tetikasan’ireo fiahiana ara-tsosialy.
-Fisitrahana tantsoroka ara-kevitra sy ara-pahasalamana amin’ny alalan’ny fanatanterahana ny hetsika “caravane médicale”.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Fermer