PolitikaSongadim-baovao

FIAROVANA NY SISIN-TANY SY NY FARI-DRANOMASINA: Mifanakalo traikefa sy fahaiza-manao ireo Nosy aty amin’ny Ranomasimbe indianina

Hifarana anio ny atrikasa tanterahina etsy amin’ny Minisiteran’ny Raharaham-bahiny Anosy, mahakasika ny fakan-kevitra nasionaly  ao anatin’ny Fandaharanasa fiarovana ny fari-dranomasina sy ny seranan-tsambo (PSP). Departemanta minisiterialy maromaro no nandray anjara nandritra ny atrikasa ho antsika.

90%-n’ny fifanakalozana ara-barotra manerana an’izao tontolo izao dia an-dranomasina avokoa, araka ny fampahafantarana nataon’ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetrandro, Valery Ramonjavelo omaly. Antontanisa izay maneho ny maha zava-dehibe ny tontolo an-dranomasina, sy ny tokony hiarovana azy.

Ho antsika aty amin’ny ranomasimbe indianina, dia mbola maro ireo karazana fandikan-dalàna  na asa ratsy miseho eny an-dranomasina. Misy ireo jiolahin-tsambo izay manafika ireo sambo lehibe mpitondra entana. Tsy vitsy ihany koa ireo manao fanjonoana tsy ara-dalàna, raha tsy hampatsiahy afatsy ireo teratany malagasy am-polony maro izay tratehaka tany amin’ny fari-dranomasin’i Seychelles.

Nanamafy ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy, Ramatoa Rasata Rafaravavitafika, fa zava-dehibe ny fiarahamiasa sy ny fifanomezan-tanana amin’ny Vaomieran’ny Ranomasimbe Indianina na ny COI, satria Madagasikara dia mpikambana ao amin’izany rafitra izany. Ary ao anatin’ny Fandaharanasa fiarovana ny fari-dranomasina sy ny seranan-tsambo (PSP), izay vatsian’ny Vondrona Eoropeanina vola, dia afaka mitondra soso-kevitra, fanontaniana, na ihany koa hetaheta i Madagasikara eo anatrehan’ny COI. Notsindriany, araka izany, rafitra mpiara-miasa feno amin’i Madagasikara ny COI.  

Fandaharanasa

Araka izany, notanterahina nanomboka omaly, ary mifarana anio ny atrikasa nasionaly mikasika ny Fandaharanasa fiarovana ny fari-dranomasina sy ny seranan-tsambo (PSP). Nitarika izay ny Minisitry ny Raharaham-bahiny malagasy sy ny Sekretera Jeneralin’ny COI, Vélayoudom Marimouto. Nandray anjara tamin’ny fifanankalozana kosa ny Minisitry ny Foloalindahy, Minisitry ny Jono, Minisitry Fitaterana sy ny Famantarana, ny Minisitra delege misahana ny zandarimaria. Tao koa ny Tale Jeneralin’ny APMF sy ireo teknisianina maro mampiavaka azy.     Tanjona telo lehibe no tena misongadina amin’ny fanatanterahana ny atrikasa. Voalohany indrindra dia ny fifanakalozana traikefa eo amin’ireo Nosy rahavavy samy ato anatin’ny Vaomieran’ny Ranomasibe Indianina, satria izany dia hahafahana miaro araka ny tokony ho izy ny sisintany. Tanjona ihany koa ny fanatsarana ny fandrindrana amin’ny lafiny lalàna. Misy lalàna mifehy ny arolozan’ny seranantsambo sy ny ranomasina.  Ao anatin’izany dia jerena ny lalàna mihatra aty sy any amin’ireo nosy rahavavy. Fahatelo kosa ny resaka fampitaovana. Tsara ho fantatra fa i Madagasikara dia manana sisintany mirefy 5 000 kilometatra, anisan’ny lehibe indrindra aty amin’ny Ranosmasimbe indianina, ary fahefatra indray manerana an-tany. Midika izany fa zava-dehibe loatra ho an’i Madagasikara ny atrikasa tahaka izao.

Fermer