PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA : Hisokatra afaka 11 andro ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidina

Efa nivoaka avokoa ireo Didim-panjakana rehetra mamariparitra ny fanatanterahana ny fifidianana Solombavambahoaka eto Madagasikara, ny andron’ny 29 Mey 2024 izao. Nandritra ny sehatra ifanakalozana nokarakarain’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) omaly no namelabelarana ny votoantin’ireo Didim-panjakana ireo. Fantatra nandritra izany ohatra ny fanombohan’ny fahafaha-mametraka antontan-taratasy firotsahan-kofidina ny 27 Marsa 2024 izao.    

Taorian’ny fivoahan’ny Didim-panjakana mamaritra ny isan’ny Solombavambahoaka ho 163, sy nampahafantatra ireo Distrika vaovao hanana Solombavambahoaka roa, dia ny Didim-panjakana  mamaritra ny fandaminana ankapoben’ny fifidianana solombavambahoaka, miaraka amin’ny didim-panjakana manambara ireo antontan-taratasy ilaina amin’ny firotsahan-kofidina indray no navoakan’ny Governemanta ny alakamisy teo. Tao anatin’ny sehatra ifanakalozana notanterahin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni) omaly teny Alarobia no nanambara ny antsipiriany mahakasika ny voalaza ao anatin’ireo didim-panjakana ireo.

Fantatra àry fa manomboka amin’ny 27 marsa 2024 izao ka hatramin’ny 8 avrily 2024 no fepotoana hahafaha-mametraka antontan-taratasy firotsahan-kofidina. Nanamafy ny Ceni fa ny antontan-taratasy tsy voaray ao anatin’io elanelam-potoana io dia tsy azo raisina intsony. Ny andron’ny 09 Avrily 2024 kosa ny OVEC na ny Rafitra mpanamarina sy mpirakitra ny filatsahan-kofidina no mamoaka ny lisitr’ireo kandidà voatazona. Raha toa anefa ka misy tsy fahafaham-pon’ireo nikasa hirotsaka anefa nolavina, dia azon’izy ireo atao ny manao fitarainana eo anivon’ny Ceni hatramin’ny 12 Avrily. Manana 24ora kosa ny Ceni hamaliana izany fitarainana izany. Azo atao ihany koa ny mitondra ny raharaha eny anivon’ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana hatramin’ny 15 Avrily. Araka izany, ny andron’ny 16 Avrily no hamoaka ny lisitry ny kandidà ofisialy ny Ceni. Ny 17 avrily kosa no hatao ny antsapaka eny amin’ireo biraon’ny CED amin’ny 8ora maraina.

Ny andron’ny 08 Mey 2024 amin’ny 06ora maraina no hisokatra ny fampielezan-kevitra.Ary tsy hifarana izany raha tsy amin’ny 27 Mey 2024. Fahanginana ara-pifidianana kosa ny 28 Mey 2024.

Sehatra ifanakalozana

Afaka nizara sy nametraka fanontaniana nalalaka tamin’ny Ceni ireo mpisehatra politika isan-tsokajiny omaly, niainga tamin’ireo fampitam-baovao samihafa isan-karazany ireo. Tsara ho fantatra fa ankoatra ny fanomanana ny fifidianana Solombavambahoaka, dia mbola asa tanterahin’ny Ceni amin’izao fotoana ihany koa ny fanavaozana isan-taona ny lisitry ny mpifidy na ny RALE. Ireo anton-javatra roa ireo, noho izany, no nifanakalozan-kevitra nandritra ny ora vitsivitsy.     

Nanamafy ny Filohan’ny Ceni, Dama Arsène Andrianarisedo, fa fihaonana faha-21 iny natao omaly iny, nanomboka tamin’ny fanavaozana tanteraka ny lisitry ny mpifidy (Refonte) sy ny fifidianana Filohan’ny Repoblika. Vory maro teny amin’ny Ceni omaly ireo mpisehatra amin’ny fifidianana. Nahitana ireo Filohan’ny Andrim-panjakana, ny mpikambana eo anivon’ny Governemanta, ny parlemantera, ny Ray aman-dreny ara-drazana sy ara-pinoana toy ny FFKM, ny firaisamonimpirenena, ireo antoko politika na ny manohitra na ny manohana ny fitondrana, ary ireo avy amin’ny haino vaky jery.

“Izao sehatra ifanakalozana izao dia natao mba hananana fomba fijery mitovy amin’ny paikady sy ny fampiharana ireo didy aman-dalana mifehy ny fifidianana, ary indrindra mba hampanjakana ny demokrasia eto Madagasikara. Zava-dehibe amin’ny fiainam-pirenena izany noho ireo fifidianana manakaiky vahoaka hirosoana amin’ity taona 2024 ity”, hoy ny Filohan’ny Ceni nandritra  ny lahateniny.

Fermer