PolitikaSongadim-baovaoToekarena
TEKNIKAM-PAMBOLENA « PFUMVUDZA »: Nahomby ny andrana natao, ho aparitaka manerana ny Nosy
Vary 5 taonina isaky ny iray hektara no vokatra, tamin’ny vary an-tanety natao tamin’ilay teknikam-pambolena « pfumvudza » tetsy Ambatolampy Tsimahafotsy. Ambatondrazaka aza dia 3 na 4 taonina isaky ny Hektara ny vary vokatra. Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina fa tetikasa hamahana ny olan’ny fianakaviana maro izy ity ka olona 1 tapitrisa no kendrena hampiofanina amin’ny teknikam-pambolena « Pfumvudza ».
Manana velaran-tany midadasika i Madagasikara, ary manana olona. Manana tany hoentina mamokatra koa isika, saingy ny tsy ampy ny teknikam-pamokarana. Ny tsy fahafahantsika mandrindra ireo no mbola mampahantra antsika, hoy ny Filoha Andry Rajoelina omaly. Ny fahafahantsika mamokatra amin’ny tany sy ny olombelona no hahafahantsika manavotra ity firenena ity, hoy hatrany izy. Omaly, araka izany, dia tonga nijery ny vokatra azo tamin’ny tetikasa fampiharana ny teknikam-pambolena « Pfumvudza » ny Filoha Andry Rajoelina. Nambarany fa tetikasa izay hamaha ny olan’ny fianakaviana maro io tanterahina io. « Ny tanjontsika dia ny hoe ahoana no hamahantsika ny olan’ny fahantrana », hoy ny Filoha. Ity farany izay namerina ny tantara niandohan’izao tetikasa izao tany Zimbabwe sy ny nitarihana azy teto Madagasikara tamin’ny alalan’ny Fondation “for farming ». Ny asa tanterahiny dia ny fanofanana ny olona hamokatra amin’ny taniny sy ny fanofanana olona ara-panahy. Zava-dehibe ao anatin’ny tetikasam-pambolena Pfumvudza koa ny fomba fitantanana.
Vary 5 taonina isaky ny Ha vokatra…
« Tsy nino aho raha tsy nolanjaina mihitsy satria, vary 5 taonina isaky ny iray hektara no vokatra. Vary an-tanety izany. Fitahiana lehibe izany, satria, na any Ambatondrazaka aza dia 3 na 4 taonina isaky ny Hektara ny vary vokatra, ary tena zava-dehibe satria tena hahafahantsika manala an’i Madagasikara amin’ny fahantrana tokoa izany, rehefa misy fitahiana sy sitrapon’Andriamanitra », hoy ny Filoha Andry Rajoelina.
Mila hofanina ireo mpamboly. Hapetraka manerana ireo renivohi-paritany ny fampiofanana momba ny teknikam-pamokarana “pfumvudza”. Hisy ny fametrahana ivon-toeram-panofanana isak’ireo renivohi-paritany ireo. « Efa hitako ny hametrahana azy eto Antananarivo, dia ny eny Ambatofotsy misy velaran-tany 45 hektara. Haparitaka manerana an’ireo faritra io teknikam-pamokarana io ka kendrena ny hampiofana olona 1 tapitrisa amin’izany. Izany hoe, fianakaviana 5 tapitrisa no afaka mivelona amin’izany », hoy hatrany ny Filoha. Eo koa ny tetikasa « Ankohonana miarina », izay efa apetraka eny Tsimahabeomby. Vahaolana maharitra amin’ny fanovana an’i Madagasikara izany. Trano miisa 3000 no hapetraka eny amin’io tanàna vaovao io. Ny faniriana dia ny mba haha maodely an’i Madagasikara amin’ny fampiasana ny teknikam-pamokarana.
Afaka misitraka teknikam-pamokarana
Nambaran’ny Minisitry ny fambolena sy ny fiompiana Ratohiarijaona Rakotoarisolo Suzelin fa « tamin’ny volana febroary 2023 no nalefa niofana tany Zimbabwe momba an’io teknikam-pamokarana io ireo olona 30, araka ny hetahetan’ny Filoha. Miezaka hatrany ny mitondra fampivoarana ny fomba fambolena izy ary isaorana azy izany ». Afaka misitraka ity teknikam-pamokarana ity avokoa ny Malagasy rehetra. Mampiavaka azy moa ny tsy fisian’ny tany asaina fa asiana rano fotsiny ny tany rehefa voarakotra bozaka na ny « Mucuna ». Ampihena ny vola lanin’ny mpamboly izany ary hitantsika tamin’ny andrana natao teto, ary tsy teto ihany fa mahatratra 5 taonina isaky ny kektara ny vary vokatra. Hanampy antsika ho tonga any amin’ny fahavitan-tena ara-tsakafo izany, ary hampihena ny fanafarana vary avy any ivelany koa.
Nambaran’ny Minisitry ny tontolo iainana, Max Andonirina Fontaine kosa fa ity tetikasa ity dia hahafahana miady sy miatrika ny fiovaovan’ny toetra andro.
Rado Harivelo



