PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA – VOVONANA “IR” : Manomboka ny fandraisana ireo maniry ho kandidà, mason-tsivana maro no napetraka

Araka ny voafaritra tao anatin’ny fanambaran’ny Vovonana « Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina » omaly dia efa manomboka ny fandraisana ireo olona maniry ny hirotsaka Depiote amin’ny anaran’ny Vovonana, ary tsy hifarana izany raha tsy amin’ny 27 Marsa. Maro ireo fepetra napetraka amin’izany.   

Misokatra amin’ny ankolafin-kery maniry ny hifanohana sy hifanome tanana amin’ny Filohan’ny Repoblika ny Vovonana « Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina- Coalition pour la Majorité Présidentielle » ka vonona hanao fampiraisana sy fampitambarana ny rehetra. Io vovonana io izay nanao antso avo amin’ireo antoko politika, fikambanana, na olon-tsotra ihany koa, na iza izy na iza ka manohana ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ary resy lahatra amin’ny politika ankapoben’ny Fanjakana entiny mitantana ny firenena ka maniry sy vonona hilatsaka solombavambahoaka manerana ny distrika rehetra eran’i Madagasikara. Raisina eny anivon’ny ARENA izy ireo, hoy ny fanambarana, miaraka amin’ny antontan-taratasy ahafantarana ny mombamomba azy, manomboka izao ka hatramin’ny faha-27 marsa 2024.

Maromaro kosa anefa ireo mason-tsivana ho an’izay maniry ho kandidà-n’ny Vovonana “IR”. Voalohany amin’izany, dia hoe tokony ho olona nanohana sy nanao fampielezan-kevitra ho an’Andriamatoa Andry Rajoelina tamin’ny fifidianana Filoham-pirenena 2023. Mila olona madio ihany koa, tsy nanana « dossiers » maloto na efa nenjehin’ny fitsarana, olona efa fantatry ny fiarahamonina any amin’ny toerana kasainy hilatsahana ary mpanao asa sosialy isan-karazany manampy ny vahoaka, olona vonona hampitambatra ny hery sy handresy amin’ny fifidianana, ary olona manana fikambanana na antoko na rafitra isan-karazany manohana azy. Fepetra takina ho an’ireo maniry ho kandidà koa ny fahaizana mikabary sy miady hevitra ary miaro ny vina sy ny politikan’ny Filohan’ny Repoblika. Eo koa ny fananana ny enti-manana ara-pitaovana sy ara-tserasera hanaovana fampielezan-kevitra.

Hisy ny sivana amin’ireo kandida rehetra maniry hilatsaka ka izay hita fa matanjaka manana erijika indrindra ho lany no hitondra ny lokon’ny vovonana “ISIKA REHETRA” amin’ny fifidianana. Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, Filohan’ny Antoko Freedom, sady mpikambana ao amin’ny Vondron’Antoko ARMADA, dia nanambara mazava nandritra ny fandraisam-pitenenany ny alatsinainy teo amin’ny tokony hanehoan’ny rehetra ny firaisankina sy ny fiombonam-po izay Kandidà atolotry ny « IR ».

Fermer