PolitikaSongadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

HALATRA SOLIKA AO TOAMASINA : Tomponandraikitra ambony vitsivitsy ahina ho voasaringotra anaty tambazotra

Polisy avy aty Antananarivo no nanao ny fanadihadiana momba ny halatra solika niseho tao Toamasina,  vao nisy ny fahatratrana ambodiomby ireo mpangalatra 11, izay efa nidoboka am-ponja. Nisy fidinana tampoka tany an-toerana, afakomaly nitsirihana io halatra io, ka kamiao mpitondra solika efatra indray no sarona. Tomponandraikitra ambony vitsivitsy ao Toamasina, ahina ho voasaringotra anatin’ny tambazotran’ny fangalarana…

Nidina tany Toamasina ireo Polisy avy amin’ny Kaomisaria Avaradrano rehefa nahazo ilay antsoina hoe « délégation judiciaire » afakomaly. Araka ny angom-baovao,  mbola misy Tomponandraikitra ambony vitsivitsy tokony hosamborina, izay misehatra io solika ao amin’ity Mpamongady ity. Efa nisy ireo 11 voasambotra niakatra Fampanoavana Anosy ka naiditra am-ponja vonjimaika avokoa, ny fiandohan’ity volana marsa ity teo. Afakomaly indray, nisy fidinana tampoka teny amin’ny « Galana raffinerie terminale », niarahan’ny Polisy avy aty Antananarivo sy ny solontena avy amin’ilay Mpamongady solika. Nisy ny fitsirihina sy fanaraha-maso natao tamina kamiao mpamatsy solika efatra sy ry zareo mpamatratra. Vokany, mbola nahitana tsy fanarahan-dalàna, izay  halatra solika nivoaka tao amin’ity orinasa mpamongady solika ity. Mihoatra amin’ny tokony halain’izy ireo no misoratra amin’ny taratasy entin’ireo kamiao lehibe mpitondra solika ireo. Ambony be, araka izany, ny fatran’ny solika nivoaka tamin’ireo kamiao ireo, rehefa nanaovana fitsirihana tampoka. Izany hoe, mihoatra amin’ilay voalaza ao anatin’ny taratasy entin’izy ireo hakana solika. Vesatra niampangana ireo olona 11 ireo dia halatra solika.

Voalaza fa misy tambazotra io halatra solika io, izay ahina idiran’ny tomponandraikitra ambony vitsivitsy ao Toamasina.

Nanome 72 ora ny Fanjakana…

Polisy avy aty Antananarivo no nanao ny fanadihadiana ka nahatratrana ambodiomby ireo mpangalatra 11 voasambotra. Ny Vondron’ny tompon’ny fiara mpitatitra, dia tsy miray tsikombakomba amin’ireo mpamily fiara ary manaiky ny fandraisana fepetra amin’ireo mpamily mpangalatra. Nolazain-dry zareo fa misy fandrahonana atao amin’ny mpamily fiara te hiasa. Ireo mpamily mpitatitra solika nefa, nanome 72 ora ny Fanjakana hamotsorana ireo mpamily mpitatitra solika. Nanohy ny fitokonany ireo mpamily hatry ny omaly. Fitokonana teraka taorian’ny nisamborana ny naman’izy ireo, voalaza fa narahina fikasihan-tanana. Nisy fivoriana nataon’ireo mpamily fiarabe mpitatitra solika ireo, ny afakomaly maraina teo. Voalaza fa nanome 72 ora ny Fanjakana izy ireo hamotsorana, tsy misy arakaraka, ny mpiara-miasa amin’izy ireo, izay nosamborina.  Nanamafy irzto mpamily mpitatitra solika, fa mbola miato ny fitaterana solika miala ao Toamasina mankany amin’ny RN 2 sy RN 5 mandra-pahita vahaolana. Nilaza kosa izy ireo, fa hotohizina ny fitaterana solika ho an’ny Jirama amin’izao. Raha ny tsilian-tsofina, hisy indray ny fisamborana ireo mpitarika fitokonana. Tombanana ho vesatra iampangana azy ireo,  ny firaisana tsikombakomba miaraka amin’ireo mpangalatra.

Ny Fanoratana

Fermer