Songadim-baovaoSosialy

FIFAMOIVOIZANA – FETIN’NY PASKA 2024: Hihamafy ny fanarahamaso sy ny fanasazina ireo mandika lalàna manomboka anio

Tafiditra tanteraka ao anatin’ny fiatrehana ny herinandro masina mialohan’ny andron’ny Paska isika. Tomponandraikitra maro no nivory ny faran’ny herinandro lasa teo nandrindra ny fomba entina miatrika ny fetin’ny paska, indrindra ny lafiny fitaterana sy ny fifamoivoizana. Nivoitra nandritra izany fa hohamafisina ny fanentanana sy ny fitsirihana amin’izao ankatoky ny fety izao, ary hampiharina ihany koa ny sazy ho an’ireo izay mandika lalàna.

Tanjona ny tsy hisian’ny lozam-pifamoivoizana hamoizana aina mandritra ny vanim-potoanan’ny Paska. Hanamafy ny fanentanana, noho izany, ireo tomponandraikitra mba hanairana ireo mpampiasa lalana amin’ny lozam-pifamoivoizana mety hitranga mandritra ny vanim-potoanan’ny fety. Hanaovana fitsirihana ihany koa ireo fiara eny amin’ny tobim-piantsonana ho an’ny be sy ny maro sy manokana alohan’ny fiangana. Ary hanaovana fanamarinana tampoka ny tahan’ny alikaola, ny fampiasana hetra aro-aina, fitondrana entana na olona mihoatra ny lanja ara-dalàna, sy fanaovana fitsirihana ara-teknika.   

Miara-mientana ny Minisiteran’ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetr’andro, ny ATT, ny DGSR, ny MTP, ny MSP, ny ACM, ny Association deux roues, ny Zandarimariam-pirenena, ny Polisim-pirenena, ny Fikambanan’ny Assurances eto Madagasikara (APEAM) amin’ny hetsika Fetin’ny Paska Hieren-doza.

Araka ny tatitra, manomboka anio 25 marsa ka hatramin’ny 7 aprily ho avy izao dia hihamafy hatrany ny fitsirihana mialoha eny amin’ny tobim-piantsonana, ny fitsirihana “alcootest” na ny tahan’ny alikaola eny amin’ny lalam-pirenena, ny fitsirihana fiarakodia, ny fanentanana sy fampianarana ireo mpampiasa làlana rehetra , ary ny  fampiharana ny sazy ho an’ireo mandika ny lalàna mifehy ny fifamoivoizana.

« Izao no natao dia ny hampihenana araka izay tratra ny lozam-pifamoivoizana mandritra ny fetin’ny Paka. Tanjona ny hanaovan’ny olona tsirairay fety anatin’ny fitoniana sy ny haravoana tanteraka ny mpiray tanindrazana manerana ny Nosy”, hoy ny fanazavan’ny Minisiteran’ny Fitaterana sy  ny famantarana ny toetr’andro.

Fermer