PolitikaSongadim-baovao

FIVADIHANA PALITAO SY FANAKORONTANANA: Tsy hilefitra ary handray fepetra momba an-dRazanamahasoa Christine ny Antoko TGV-IRD

Samy nampiaka-peo nanoloana ny fanambarana nataon-dRamatoa Razanamahasoa Christine, Filohan’ny Antenimieram-pirenena, ny sabotsy lasa teo, avokoa ireo Antoko sy Vondrona manohana ny Fitondrana. Fivadihana palitao no nataon’ity filohana Andrimpanjakana ity, ary endrika fanonganam-panjakana, hoy ny fanambaran’ny Birao nasionalin’ny Antoko TGV – IRD.

Sesilany ny fanehoan-kevitra taorian’ny fanambarana nataon’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena, Razanamahasoa Christine, ny sabotsy teo, teny amin’ny faritry ny Lapan’i Tsimbazaza. Fanambarana izay nanaovany fitsikerana ny Fitondrana mijoro ankehitriny, ka nilazany fa tsy izao no nifanarahana tamin’ny tolon’ny 2009, ary nahatsiaro voafitaka izy.

Nanamafy omaly ny Birao nasionalin’ny Antoko TGV – IRD fa ireny fanambarana sy fihetsika nataony ireny dia safidiny samirery, ary fanapahankeviny samirery. “Mazava fa endrika fanonganam-panjakana izao ataon-dRamatoa Christine Razanamahasoa izao ary fanoherana sy fitsipahana ny vahoaka malagasy efa naneho ny safidiny”, hoy ny fanambarana.

Raha tsiahivina,  nilaza Ramatoa Razanamahasoa Christine fa olona no olana eto amin’ny firenena fa tsy rafitra. “Voaporofo àry izao fa izy tenany mihitsy no olona mamboly sy mitondra olana eto amin’ny firenena sy manakorontana saim-bahoaka. Izy no mpamadika palitao noho ny tombontsoany manokana ka tsy mitsinjo ny vahoaka ary tsy manisy hasina ireo rà latsaka tamin’ny tolona 2009”, hoy hatrany ny fanazavana. Nohamafisin’ny fanambarana omaly fa raha natolotry ny Antoko TGV –IRD ho kandidà Ramatoa Christine Razanamahasoa dia nanao Sonia taratasy manaiky ny hanaja amin’ny antsakany sy andavany ny fitsipiky ny antoko sy ny foto-kevitra ijoroany , ary hanatanteraka ny toromarika sy ny baikon ‘ny antoko izay nanolotra azy hofidiana ka tsy hiala amin’izany eo amin’ny  fanatanterahana ny andraikitra maha Solombavambahoaka azy. Noho ireo antony ireo, dia manambara ny antoko TGV IRD fa tsy hilefitra ary handray ny fepetra mifanandrify amin’izany.  

Andininy faha-72

Tetsy ankilany, amin’ny maha Sekretera nasionalin’ny Antoko TGV azy, sady Governoran’ny Faritra Analamanga, nilaza andriamatoa Hery Rasoamaromaka fa ny fivadibadihana palitao, toy ireny nataon’i Christine Razanamahasoa ireny, no nahatonga ity firenena ity sahirana. Notsiahivin’ity tomponandraikitra ity ny nandroahan’ny fitondrana HVM an’i Christine Razanamahasoa tao amin’ny trano fonenany tamin’ny fotoana androny, ka nanampian’ny Filoha Rajoelina azy tamin’izany, ary nampanantenan’ny Filoha Rajoelina azy io toerana maha Filohan’ny Antenimieram-pirenena io. Kanefa, hoy Hery Rasoamaromaka, dia izao no nasetriny an’izany.

Amin’izao fotoana, raha toa ka efa samy miomana amin’ny fifidianana Solombavambahoaka avokoa ny ankolafin-kery rehetra, na ny Fitondrana na ny mpanohitra, dia Ramatoa Razanamahasoa Christine irery no mitsipaka izany. Izany hoe, ny hisian’ny krizy politika eto amin’ny tany sy ny firenena mihitsy no tanjona, ka hampihemotra ireo mpampiasa vola. Tsy azo ekena izany, hoy ny fanazavana. Nasian’Andriamatoa Hery Rasoamaromaka resaka manokana ihany koa ny mahakasika ny famadihan-dRamatoa Christine Razanamahasoa ny tolona tamin’ny 2009. “Nandritra ny 15 taona ve ianao nanatitra voninkazo teny Ambohitsorohitra, dia ankehitriny ianao milaza fa hoe voafitaka tamin’izany? Fanambaniana ireo maty maritiora teny an-toerana izany”, hoy ny fanazavany.

Ho azy dia tokony hampiharina amin’ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ny andininy faha-72 ao amin’ny Lalàmpanorenana, na dia efa madiva hifarana aza ny fepotoam-piasan’ny Solombavambahoaka. Voalaza ao amin’izany andininy izany fa “Mandritra ny fe-potoana iasany, ny solombavambahoaka dia tsy afaka miova
vondrona politika mba hiditra any aminà vondrona vaovao, ankoatra ny anaran’ny vondrona
izay nahavoafidy azy, raha tsy izany dia aongana.
Raha misy ny fandikàna ny andàlana etsy aloha, dia ambaran’ny Fitsarana Avo momba ny
Lalàmpanorenana ny sazy fanonganana.”

Mila fitoniana

Nanamafy koa ireo vondrona Depiote manohana ny Filoha omaly fa vao nahavita fifidianana Filoham-pirenena isika, ary neken’ny Fianakaviambe iraisampirenena, ka nahavoafidy ny Filoha Andry Rajoelina. Manoloana izany, mila fitoniana ny firenena mba hahafahany manatanteraka ny fampandrosoana eto Madagasikara. Noho izany, tsy azo ekena ny fambolena korontana eto amin’ny tany sy ny firenena amin’ny endriny rehetra. Mitaky fitoniana ireo depiote manohana ny Fitondrana mba hahafahan’ny vahoaka miatrika ny fifidianana Solombavambahoaka am-pilaminana. Notsindrian’izy ireo fa tsy fiketrehana fanonganam-panjakana velively no anova ny fiainam-bahoaka fa vao maika iteraka krizy izany. Niantso ny anesorana ny Filohan’ny Antenimieram-pirenena ireto Depiote manohana ny Fitondrana ireto.

Ny Fanoratana.

Fermer