Songadim-baovaoSosialy

RIVODOZA « GAMANE » : Tombanana hiditra ao SAVA anio, hitondra rotsak’orana betsaka

Nitombo hery haingana ka lasa rivodoza sy nomena ny anarana hoe “Gamane” omaly tamin’ny 05 ora maraina, ilay andro ratsy tao amin’ny ranomasimbe Indiana. Omaly tamin’ny 03 ora tolakandro, dia tany amin’ny 130 km avaratra atsinanan’i Vohemar no misy ny foiben’ilay rivodoza Gamane, izay voasokajy ho « Forte tempête tropicale ». Niakatra ny tahan’ny rivotra miaraka aminy, satria manodidina ny 110 km isan’ora, arahina tafiotra 155 km isan’ora. Mikisaka miandalana miatsinanana somary atsimo atsinanana hatrany ity rivodoza ity, ary mahafaka 03km isan’ora. Raha ny antontan-kevitra sy ny fironana farany teo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, dia ahina hivoatra akaiky na hipàka ny morontsiraky ny faritra SAVA ny ivon’ity rivodoza Gamane ity, anio tolakandro na ny alina amina tanjaka “Cyclone tropicale” na “Cyclone tropicale intense”, izay hiaraka amina rivotra 150 na 165 km isan’ora any ho any. Hikorontana hatrany araka izany, ny toetry ny andro amina faritra maro eto Madagasikara, dia ny any SAVA, Diana, Analanjirofo. Manoloana izay ambana goavana ara-boajanahary izay, dia miangavy ny mponina amin’ny faritra… hampihatra ny loza manambana miloko mavo, ny eo anivon’ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, dia ny faritra Diana, SAVA, Analanjirofo iray manontolo. Etsy an-danin’izany, loza mitatao ho an’ireo mpanjono an-dranomasina minia miditra an-dRanomasina amin’ireo faritra voalaza ny fisian’ity rivodoza Gamane ity, izany hoe manodidina ny morontsiraka Atsinanana ka hatrany amin’ny morontsirak’i Vatomandry. Ho betsaka manarak’izany ihany koa ny rotsak’orana satria mivoatra hatrany Atsinanan’ny Nosy ity rivodoza ity. Misy, araka izany, fampitandremana mikasika izay fahabetsahan’ny rotsak’orana izay, ho an’ny rahampitso alakamisy, ao amin’ny faritra Atsinanana, izay naharay fampitandremana miloko mavo. Naharay filazana loza miloko mavo ity koa, ny ao amin’ny distrikan’i Bealanana sy Befandriana Avaratra, ary Mandritsara. Miloko maitso ho an’ny faritra Alaotra Mangoro. Hahatratra 50 ka hatramin’ny 120 mm ny habetsahan’ny rotsak’orana vokatr’izany. ny fisian’ity rivodoza ity, arka izany, no mandrafitra ny toetry ny andro any amin’ny tapany Avaratra Atsinanan’ny Nosy.

Fermer