Songadim-baovaoSosialy

TAKAITRAN’NY RIVODOZA “GAMANE”: Enina namoy ny ainy, 3 543 traboina, lalana maro tapaka 

Namela takaitra sahady ary mafy ilay rivodoza Gamane, rehefa tafiditra tao amin’ny distrikan’i Vohemar, omaly maraina. Fahatapahan-dalana, fahafatesana olona, fiakaran-dranobe, fianjerana hazo sy fotodrafitrasa maro. Ireo no akon’ny rivodoza ity nandritra ny fidirany, araka ny tatitra voaray avy tamin’ireo distrika maro efa nolalovany, hatramin’ny omaly hariva…

Raha voalaza fa tsy mbola nahatafavoaka antontanisa ireo rantsa-mangaikan’ny BNGRC tany amin’ireo distrika sy faritra nolalovan’i Gamane, omaly tolakandro, izay voalaza fa mbola tao anaty loza mitatao, dia nivoatra izany. Fantatra, fa nisy olona 06 sahady maty vokatr’izany. Ny iray tao Mananara Avarara, 03 ao Maroantsetra, 01 ao Toamasina II, ary ny 01 ao Vavatenina. Nisy tamin’ireo namoy ny ainy voalaza no tototry ny tany, lasan’ny rano. Olona iray kosa, no voalaza fa tsy hita popoka, hatreto, raha io antontanisa avy amin’ny BNGRC io, izay tao Fenoarivo Atsinanana. Marihina, fa faritra miisa 03 no voakasik’ity rivodoza ity mivantana, dia ny faritra Diana, SAVA, ary Analanjirofo. Nahatonga traboina mahatratra 3 543 sahady izany, hatramin’ny omaly hariva, izay ahitana fianakaviana 883. Mahatratra 3 498 olona avy amina fianakaviana 872 no efa nafindra toerana vonjimaika, omaly io, ary toerana miisa 11 no efa miasa amin’izany. Maro sahady ny faharavana sy fahapotehana vokatry ny rivotra sy ny rotsak’orana be niaraka tamin’ity rivodoza ity.

Lalam-pirenena maro no tapaka

Maro ny lalam-pirenena tapaka vokatry ny fandalovan’ity rivodoza Gamane tao Avaratra sy Avaratra Atsinanan’ny Nosy ity. Nahazoana akony sahady izany, avy amin’ireo distrika sy faritra maro, ary nampitain’ny teo anivon’ny BNGRC. Fantatra tamin’izany, fa ahitana fahatapahana ny lalam-pirenena Rn5, 07km eo Vohemar mihazo an’Ambilobe. Ny lalana mampitohy an’i Sambava sy Antalaha, eo amin’ny toerana antsoina hoe Farahalana, Sambava sy Vohemaro, PK 169 eo Tsahabovo, kaominina Ampondra. Eo koa ny lalam-pirenena mampitohy an’i Vohemar sy Ampanefena, eo ANtsahalalina, kaominin’i Tsarabaria. Eo koa ny lalam-pirenena faha-5A, eo amin’ny PK 144+100, ao anatin’ny distrikan’i Vohemar. Ao Diana, eo amin’ny RMP6, PK 631. Ho an’ny ao amin’ny faritra Analanjirofo, dia ahitana lalana tapaka ihany koa, ao Maroantsetra, RN5 sy ao anatin’ny kaominina Anandrivola, izay ahitana fahatotoran’ny tetezana eo amin’ny RN5 Anavonta. Ankoatra izay ny fahavoazan’ny fambolena lavanila sy jirofo amina distrika maromaro ao an-toerana.

Nihena rehefa niditra an-tanety  

Niditra an-tanety omaly maraina tamin’ny 06 ora, tao amin’ny Kaominina Ampisikinana, distrikan’i Vohemar, ilay rivodoza Gamane, raha novinavinaina ho ny omaly hariva na ny alina. Omaly tamin’ny 06 ora hariva, dia tany amin’ny kaominina Manambato, distrikan’Ambilobe, faritra Diana no nisy ny foiben’ilay rivodoza Gamane. Nihena ho “ Forte Tempête tropicale” ny heriny, raha “Cyclone Tropical” tany am-pidirany tao Vohemar. Mahatratra 90km isan’ora ny rivotra entiny tamin’io ora farany voalaza io, ary miaraka amina tafiotra 125km isan’ora ao anatin’ny 30km manodidina ny foibeny. Mikisaka mianatsimo i Gamane, ary manana hafainganam-pandeha 10km isan’ora. Marihina, fa efa nihena be ny herin’ity rivodoza ity, ary vinavinaina hivoaka an-dranomasina ao amin’ny tendron’i Masoala, ny 29 martsa ho avy izao.

Stan R.

Filankevitry ny Minisitra

Nanisy resaka manokana momba ny fandalovan’ny Rivodoza Gamane ao ami’ny tapany avaratra sy atsinanan’ny Nosy iny ny Filankevitry ny Minisitra omaly. Voalaza tao anatin’izany fa miombom-po amin’ireo Malagasy niharam-boina ny Fanjakana, ary handefa iraka, avy amin’ny Governemanta hijery izay azo anampiana vahoaka.

Fermer