Songadim-baovaoSosialy

FANDRAISANA ANDRAIKITRA TAORIAN’NY RIVODOZA: Tafaverina ny herinaratra ao Ambilobe, natomboka ny fivarotana vary mora

Manomboka miverina amin’ny laoniny tsikelikely ankehitriny ny fiainan’ireo mponina any amin’ny faritra avaratry ny Nosy nandalovan’ny rivodoza Gamane, indrindra ny tao Ambilobe. Fandraisan’andraikitra avy amin’ny Fanjakana ny fanomezana tantsoroka ara-pahasalamana, famatsiana sakafo, famerenana famatsiana herinaratra, sy asa maro hafa…

Ankoatra ireo fahatapahan-dalana izay efa nahitam-bahaolana vonjy maika ankehitriny, dia sehatra maro no nizaka ny fiantraikan’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane tany amin’iny tapany Avaratry ny Nosy iny. Isan’ireo toerana tena nitondra takaitra mafy ny tao Ambilobe. Maro ireo tanàna nitoka-monina andro vitsivitsy nohon’ny fiakaran’ny rano sy ny fahatapahan-dalana. Tsy nisitraka herinaratra ihany koa ireo mponina tao Ambilobe nandrindra ny andro maromaro. Nifantoka tamin’io famerenana araka ny tokony ho izy ao anatin’ny fotoana fohy ny fiainana andavanandron’ny mponina io, noho izany, ny asa fandraisan’andraikitry ny Fitondram-panjakana. Vantany vao nihalefy ny rotsak’orana tamin’ny zoma lasa teo dia nanao bemidina tany Avaratra ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny  izay nahitana ny Filohampirenena, ny lehiben’ny Governemanta, ireo Minisitra tompon’andraikitra, ary ireo manampahefana any an-toerana.

Tamin’io zoma 29 marsa io ihany dia efa nanainga teto an-drenivohitra hanampy ireo mpiandraikitra ara-pahasalamana any Avaratra ireo mpiandraikitra ara-pahasalamana avy any amin’ny Ministeran’ny Fahasalamam-bahoaka foibe. Nitondra ireo fanafody sy kojakoja ara-pahasalamana ilaina amin’ny vonjy voina izy ireo. “Miezaka manome fikarakarana sahaza ho an’ireo traboina ny mpiasan’ny fahasalamana”, hoy ny fampahafantarana avy amin’ny Ministera. Amin’ny alalan’ny fizarana lay misy odimoka maharitra sy lamba firakotra ary fanaovana fizaham-pahasalamana maimaimpoana ho an’ireo mponina any an-toerana no endriky ny tantsoroka.
Ny sabotsy manarak’io dia ny famatsiana ara-tsakafo ireo vahoaka mbola nitoka-monona no nimasoan’ny Fanjakana. Nanatitra fanampiana ho an’ireo mponina ao Mantaly, Bedara, Ambalamahatsinjo, Mantalimaro Andrefana ary Antsatrambalo ny Praiminisitra Ntsay Christian, niaraka tamin’ny Solombavambahoakan’Ambilobe, Assimo Bruno.
Taorian’izany ny fanolorana akanjo salotraina niisa 250 ho an’ireo mpitatitra olona amin’ny alalan’ny sambo haingam-pandeha tamin’ny alahady lasa teo. Ny fanaovana izany dia nanamora ny fifamoivoizana tamin’ny reniranon’i Mahavavy ao Ambilobe sy ny reniranon’Ifasy ao Beramanja. Mbola tamin’io alahady io hatrany no nanombohana ny famarotana ny vary mora 600ar ny kapoaka tao anatin’ny Distrikan’Ambilobe, araka ny fampanantenana nataon’ny Filohampirenena tamin’ny fandalovany nijery ireo traboina. Vary 5T moa no naparitaka tamin’ny fokontany maromaro ary mbola hitohy mandritra ny andro vitsivitsy izany hetsika izany.
Araka ny fampahafantarana avy amin’ny Primatiora omaly, tafaverina tanteraka ihany koa ny famatsiana herinaratra ho an’Ambilobe. Niara-nisalahy tamin’ny famahana ny olana ny orinasa Jirama sy ireo mpitandro filaminana telo tonta. Raha toa ka efa tafaverina tamin’ny alahady teo ny jiro ho an’ny tapany atsimon’Ambilobe dia izao voavaha izao ihany koa, araka izany, ny olana ho an’Ambilobe avaratra. Fehiny, manomboka miverina amin’ny laoniny tsikelikely ny fiainan’ireo mponina any amin’iny faritra avaratry ny Nosy iny, indrindra ny any Ambilobe, taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane.

Sarobidy Sidonie.

Fermer