Songadim-baovaoTrangam-piaraha-monina

FIONDRANANA AN-TSOKOSOKO ANY MAYOTTE : Tafakatra 30 ireo olona nosamborina, tra-tehaka ilay atidoha nikotrika

Manoloana ny fikasana hiondrana an-tsokosoko ho atsy amin’ny Nosy rahavavy Mayotte, ny sabotsy lasa teo,  tao Antsahampano distrikan’Ambanja. Tafakatra 30 ireo olona nosamborina sy hatao famotorana amin’izao fotoana izao. Misy amin’ireo nosamborina no voalaza fa atidoha nikotrika tamin’ity fanondranana olona an-tsokosoko ity. Ny fanadihadiana no hamaritra izany….

Manoloana ireo olona miisa 25 saika andeha hiondrana an-tsokosoko ho an’ny Mayotte tra-tehaky ny Zandary, ny sabotsy alina lasa teo,  tao Antsahampano distrikan’Ambanja.  Nambaran’ny loharanom-baovao tany an-toerana omaly, fa mbola nisy olona dimy nosamborina, ka tafakatra 30 ireo nohadihadiana sy atao famotorana, amin’izao fotoana. Raha ny angom-baovao hatrany, misy amin’ireo vao nosamborina no tena atidoha nikotrika tamin’ity fandefasana olona an-tsokosoko hiondrana atsy Mayotte ity. Ny valin’ny fanadihadiana no mamaritra izany. Hatreto, mbola mandeha ny famotorana ireo voarohirohy. Tiana ny manamarika fa misy teratany somalianina ny 16, efatra Etiopianina, iray teratany kenianina, raha teratany malagasy kosa, ny efatra amin’ireo olona nosamborina voalohany ireo. Tafiditra ao anatin’izany ny mpamilin’ilay fiara nitatitra azy ireo.

Efa mandeha ny fanadihadiana tanterahin’ny Mpitandro filaminana azy ireo. Raha tsiahivina, efa nahazoan’ny Zandary vaovao mahakasika ireto olona ireto, napetraka ny vela-pandrika rehetra, ka olona 25 no sarona. Ireto Malagasy ireto  dia misy avy any Ambanja, Nosy Be, Sambava, Ambilobe. Na dia teo aza ny fanentanana ataon’ny Fanjakana, indrindra ny avy amin’ny Tobim-paritra DIANA, hentitra amin’ny fiambenana ny sisin-tany, mba hiarovana ny faty olona maro, izay efa niseho ho an’ireo mpanao fiondranana an-tsokosoko ireo.

Efa eo am-pelatanan’ny zandary Ambanja izy rehetra ireo hanaovana ny famotorana.

Matetika no misy fivoahana an-tsokosoko miainga avy amîn’ny sisin-dranomasina, toy ny ao Nosy Be sy ny manodidina azy,  miainga avy any amin’ny distrikan’Ambilobe, ary izao nisy tratra saika hiainga tao amin’ny distrikan’Ambanja izao. Mila  hentitra ny fanaraha-maso atao ary manentana ny mpampiasa ranomasina, mba hiainga eny amin’ny seranan-tsambo hatrany. Tokony hapetraka any amin’ny faritra Diana iny ny « Semaphore, mba hahafahana mahita sy manaramaso ny fivezivezen’ny sambo tsy ara-dalàna. Io no fomba fiasa mahomby hahafaha-mamehy ny sisin-tany, raha ny nambara. Tsy ho an’ny fiondranana an-tsokosoko mankany Mayotte ihany, fa ireo Sambo rehetra miditra sy mivoaka amin’ireo sisin-tany ireo koa.

Pierre M.

Fermer