PolitikaSongadim-baovao
RAMADAN – IFTAR HO AN’NY FIRAHALAHIANA : Nampitambatra ny rehetra ny Filoha, na ny samy hafa finoana aza…
Tonga nanatrika ny « Iftar ho an’ny firahalahiana » tafiditra ao anatin’ny Ramadan tetsy Ambodivona omaly, ny Filoha Andry Rajoelina. Nisongadina fa nampitambatra ny rehetra na dia samy hafa finoana ny Filoha. Nohamafisiny tao anaty ny lahateniny fa mijoro izy ho mpampiombona ny rehetra…
Tonga nanatrika sy niara-nankalaza ny « Iftar ho an’ny firahalahiana », tafiditra ao anatin’ny Ramadan, tetsy Ambodivona omaly, ny Filoha Andry Rajoelina. « Amin-kafaliana no iarahako mankalaza aminareo ity « Iftar ho an’ny firahalahiana », izay tafiditra anaty volana masina Ramadany ity. Ahafahantsika mifampizara ity sakafo fanapahana ny fifadian-kanina ity », hoy izy. Nasongadiny fa araka ny nambaranareo teo dia mampiray ny Malagasy rehetra. Mampiray ny rehetra na Kristianina na Mozilimana. Ny mampiray antsika eto, hoy izy, dia i Madagasikara izay firenentsika. Ary angatahintsika amin’ i Allah sy Andriamanitra ny hitahiany ny Firenentsika. Samy nanambara fa manana anjara toerana lehibe eo amin’ny fiainana ny finoana. « Andry lehibe iankinantsika ny fiainantsika ny finoana. Misy ireo velona ary maty izy ireo satria tsy manam-pinoana. Azontsika avahana tsara ireo olona manam-pinoana sy ny tsy manana. Ny olona manam-pinoana na dia ao anaty haizina aza, mahita fahazavana », hoy hatrany ny Filoha Andry Rajoelina. Ny finoana no manoro lalana antsika sy ny asa atao. « Izao fahatongavako eto aminareo izao dia manaporofo ny firaisan-kinako miaraka amin’ny Fivondronamben’ny Mozilimanina, amin’izao andro firavoravoana izao. Satria fantatro fa ny Ramadany dia maneho fotoana hitodiana amin’Andriamanitra sy hitodiana, amin’ny alalan’ny fanokafana ny fo ho amin’ny fifamelana sy ny fahadiovam-po, raha ny fanampim-panazavana.
Maneho firahalahiana sy firaisan-kina…
Nandritra ny iray volana, nifady hanina nanomboka tamin’ny fiposahan’ny masoandro hatramin’ny filentehany. Nifofotra tamin’ny vavaka, ny fandinihana ary ny famakiana ny Koran. Nirarian’ny Filoha, indrindra ho an’ny Mozilimanina rehetra, tao aorian’izay iray volana izay, hiroborobo anatin’ny filaminana sy fitoniana. Fantatrareo fa ny fitiava-namana dia iraisan’ny finoana rehetra. Ary ny hafatra mafonja, izay nantitranterin’ny rehetra nandray fitenenana dia ny firahalahiana sy ny firaisan-kina.
Hifampizarana izany soatoavin’ny fifanampiana, firaisan-kina, indrindra ny fitsimbinana manokana ireo tena sahirana. Ankehitriny hita ny fitomboan’ny Vondrona mozilimana eo amin’ny fiarahamonina malagasy, satria manodidina ny 10-13 %-n’ ny mponina no Mozilimana. Araka izany, ny ezaka rehetra tontosain’izany vondrona izany, na eo amin’ny sehatry ny fahasalamana, na fampianarana, fa indrindra ny hetsika ara-tsosialy. Mila miaina anaty firindrana isika. Na eo aza izany rehetra izany, izao fahatongavako eto izao dia porofon’ny fandraisako andraikitra ary fanohanako ny asa sy ny fandraharahana, izay tontosainareo eto Madagasikara, hoy ny Filoha nanamafy. Tonga nanatrika izao fotoana izao, ireo Parlemantera, mpikambana ao anaty gouvernementa, mpikambana ao anaty Vondrona diplomatika, solontenan’ny Papa, ny filohan’ny fikambanana Mozilimana eto Madagasikara, Mompera Pedro sy ny maro hafa.
Rado Harivelo




