PolitikaSongadim-baovao
FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA: Minisitra am-perinasa vitsivitsy nirotsa-kofidina
Mifarana amin’ny fomba ofisialy amin’ity andro anio ity ny fahafaha-mametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidina Solombavambahoaka manerana ny Nosy, araka ny tetiandro. Raha toa ka somary nangingina izany fametrahana antontan-taratasy izany nanerana ireo OVEC tany am-piandohana, dia sesilany kosa izany tamin’ny faran’ny herinandro teo. Ary heverina fa mbola hitohy amin’ity tontolo andro ity.
Efa niroso tsikelikely tamin’ny fametrahana ny antontan-taratasy firotsahan-kofidianana isaky ny Distrika ireo Kandidà nahazo fahazoan-dalan’ny Vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” ny faran’ny herinandro. Araka ny hita dia tsy nisy fampahafantarana tamin’ny fomba ofisialy ireo kandidà fa avy hatrany dia ny fametrahana antontan-taratasy firotsahan-kofidiana no natao.
Ankoatra ireo Solombavambahoaka am-perinasa ankehitriny izay mbola niverina nirotsaka, dia Minisitra Mpikamban’ny Governemanta vitsivitsy ihany koa no fantatra fa kandidà avy amin’ny Vovonana mpanohana ny Filoha amin’ny fifidianana 29 mai izao. Isan’izany, ohatra, ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa (METFP), Lalatiana Rakotondrazafy, izay amin’ity anio ity no hametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiany ao amin’ny Distrikan’i Faratsiho. Ho azy dia efa nazava hatramin’ny voalohany ny lalan-tsaina, fa amin’ny maha Filohana antoko azy dia manana zo feno handray anjara amina fifidianana toy izao ny tenany. Nosafidiany manokana kosa ny Distrikan’i Faratsiho mba valim-babena ho an’ity tany niaviany ity.
Ankoatra ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy, dia fantatra ihany koa ny kandidà Solombavambahoaka ao amin’ny Distrikan’Ambositra ny Minisitry ny Mponina, Fomendraza Haingo Elisette. Ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle kosa no ao amin’ny Distrikan’i Fianarantsoa, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, Augustin Andriamananoro, ato amin’ny Boriborintany voalohany, ny Minisitry ny Fanatanjahantena sy ny tanora, André Resampa no ao amin’ny Distrikan’i Morondava.
Mbola ao ihany koa ireo Minisitra am-perinasa izay efa nahazoana tsilian-tsofina hoe ho Kandidà, izay tsy mbola nahazoana fanamarinana aloha hatramin’ny nanoratanay omaly, dia ny Minisitry ny Fampiroboroboana ny indostria sy ny varotra, Edgard Razafindravahy, eo koa Minisitry ny Atitany Tokely Justin izay voalaza fa hirotsaka any Sambava.
Tsy maintsy mametra-pialana…
Raha tsiahivina, ny herinandro teo dia efa namoaka fampitam-baovao fampahatsiahivina ny Fitsarana Avo momba ny Lalàmpanorenana (HCC) mikasika ireo Mpikamban’ny Governemanta mirotsa-kofidina amin’ny fifidianana. Araka ny andininy faha 64 ny Lalampanorenana “Ny mpikambana rehetra ao amin’ny Governemanta, milatsaka hofidina amin’ny asa maha voafidim-bahoaka, dia tsy maintsy mametra-pialana amin’ny asany raha vao nambara fa azo raisina ny filatsahany hofidina.” Andrasana, noho izany, ny fampiharana izany ho an’ireo Minisitra ireo.




