PolitikaSongadim-baovao

LALATIANA RAKOTONDRAZAFY – KANDIDA DEPIOTE : « Vonona aho hitondra ny feon’ny vahoakan’i Faratsiho »

Isan’ireo nisafidy ny hametraka ny antontan-taratasy firotsahan-kofidiana Solombavambahoaka omaly, ao amin’ny Distrikan’i Faratsiho, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa am-perinasa. Notsindriany tao anatin’izany fa fotoana izao hisitrahan’ity distrika ity fampandrosoana tena izy, ary vonona ny tenany hitondra ny feon’ny vahoakan’i Faratsiho.

Isan’ireo vato nasondrotry tany, nipetraka sy lehibe tao Faratsiho Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, Filoha Nasionalin’ny Antoko Freedom, izay misahana ny andraikitra maha Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa ankehitriny, ary efa Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina nandritra ny fepotoam-piasana voalohan’ny Filoha Andry Rajoelina. Tsy vaovao, ary mahalala tsara ny Distrikan’i Faratsiho, araka izany, ny tenany.

Nandritra ny fotoana lavalava no efa maro ireo naniry ny hanaovan-dRamatoa Lalatiana Rakotondrazafy  Solombavambahoaka any an-toerana, raha tsy hilaza afatsy ireo Ben’ny tanàna sivy izay mitantana ireo Kaominina sivy mandrafitra ny Distrika. Na dia nanana fikasana an’izany koa aza anefa Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy dia nambarany fa fanapahan-kevitry ny Vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina” ihany no manapaka izay kandidà apetraka amin’ny distrika tsirairay. Nihodina teo amin’Antsirabe I sy Faratsiho noho izany ny adihevitra tany ambonimbony tany, ka tapaka farany hirotsahany hofidiana ny ao amin’ny Distrikan’i Faratsiho.  

Hamelona anaran-dray…

“Mendrika fampandrosoana tena izy amin’izay ny vahoakan’i Faratsiho”, hoy izy. Ity farany izay naneho fahavononana hiasa ho an’ny vahoakan’i Faratsiho, ary hitondra ny feon’ny vahoakan’i Faratsiho. « Avelao aho hanao valibabena ho an’ny distrika niaviako, mba hamelona ny anaran-draiko, hanompo ny mpiray fiaviana amiko”, hoy Lalatiana Rakotondrazafy.

Nampahafatariny tao anatin’ny lahateny nataony ny maha zava-dehibe ny fifidianana olona miara-dalana amin’ny Fitondrana amin’ny fampandrosoana ny distrika. Sarotra ho an’ny mpanohitra izay manangana ady lava amin’ny mpanatanteraka, hoy izy, no hiady ho an’ny tombontsoan’ny vahoaka, satria na ireo olona hanatanterahaka ny asa any an-toerana aza hiadivany. Etsy ankilany koa, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy dia olon’ny Fitondrana, ary manana fifandraisana akaiky amin’ireo mpanatanteraka, hatrany amin’ny Filoham-pirenena, ka tombony ho an’ny vahoakan’i Faratsiho, hoy ny fanazavana.

Nahavita ny iraka

“Tsy fombako ny manao kobaka am-bava, fa afaka miteny aho eto fa vitako ny mampandroso ny Distrikan’i Faratsiho”, hoy Lalatiana Rakotondrazafy. Tao anatin’izany no notsiahiviny fa tsy niala mihitsy teo amin’ny toerana maha Minisitra azy ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, nandritra ny fepotoana fiasana voalohan’ny Filohan’ny Repoblika, ary mbola mitohy mandrak’ankehitriny. Midika izany, hoy ny fanazavany, fa “nahavita ny iraka nampanaovina ahy aho”. Fotoana, noho izany, izao itodihana amin’ny distrika niaviany.

Tetsy ankilany, fantatra teo amin’ny tontolon’ny asa fanaovan-gazety Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, ary ampolo taonany maro no niseharany tao anatin’izany. Nampiavaka azy ny famakiana bantsilana ireo tsy rariny eto amin’ny firenena, ny fitadiavana ny tombontsoa ho an’ny vahoaka, ary anisan’ireo tsy mangina mihitsy raha vao ny tombontsoam-bahoaka no voatohintohina. Izay tombondahiny ananany izay, araka izany, dia entiny amin’izao fikasana hisolo ny vavan’ny vahoakan’i Faratsiho izao.

Fermer