PolitikaSongadim-baovaoSosialy
SOLOMBAVAMBAHOAKA ANYAH : « Na inona na inona andraikitra sahanina dia afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana »
Tao anatin’ny fepotoam-piasana roa, izany hoe nandritra ny 10 taona, no nisahanan-dRamatoa Aina Rafenomanantsoa, fantatry ny maro amin’ny anarana hoe Anyah, ny andraikitra maha Solombavambahoaka tao amin’ny Boriborintany fahatelo. Ankehitriny, nanao fanambarana ny tenany fa « Noho ny fandaminana teo anivon’ny vovonana IRD dia tsy anisan’ireo hilatsaka hofidiana amin’ny fifidianana solombavambahoaka intsony izy ». Tao anatin’ny fanambarana nataony, noho izany, no nitondrany fankasitrahana ho an’ireo vahoakan’ny Boriborintany fahatelo izay nametraka fitokisana taminy nandritra ny 10 taona.
Raha hiverenana dia maro ny zava-bitan’ny Solombavambahoaka Anyah tao amin’ny Boriborintany fahatelo nandritra ny fotoana naha Depiote azy, raha tsy hilaza afatsy ny Fotodrafitrasa, ny fanamboarana ireo vavahady hidin’ny tanàna izay nampihena ny resaka tsy fandriampahalemana. Teo koa ny fametrahana ireo jiro fanazavana ny tanàna, izay sady fanamafisana ny fandriampahalemana ihany koa. Ankoatra izay, tsy nohadinoiny ny fanomezana loka ireo ankizy mendrika amin’ny fanadinam-panjakana, sy fanampiana manokana ireo zokiolona.
« Amiko tsy ny « titre » no zava dehibe ary ny fitiavan-tanindrazana dia tsy natokana ho an’ny mpanao politika irery ihany fa na izaho na ianao, n’inona n’inona andraikitra sahaninao dia afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana ity firenena malalantsika ity. Fifanampian’ny samy Malagasy no zava dehibe, fifampitsinjovana ny hoavin’ny’tsirairay.
Na tsy ho solom-bavambahoaka intsony aza ny tenako, dia hitohy hatrany ny asa sosialy izay nataoko hatrizay, hijery hatrany ireo marefo, hanampy ihany koa tanora arak’izay tratrako », hoy ny fanambaran’ny Solombavambahoaka Anyah.



