PolitikaSongadim-baovaoSosialy
TOHANA ARA-BOLA AVY AMIN’NY FIRENENA SINOA : Hamatsiana zezika ireo tantsaha hampitomboana ny famokarana
Nosoniavina afakomaly, tao amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fifanarahana fanomezana famatsiam-bola tsy averina avy amin’ny Firenena sinoa ho famatsiana zezika entina hampitomboana ny famokarana eto Madagasikara. Nanome toromarika ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina ny hitsinjarana avy hatrany ireo zezika azo avy amin’izao famatsiam-bola izao, amin’ireo Faritra traboina taorian’ny fandalovan’ny rivo-doza Gamane…
Nitondra fanampiana ho famatsiana zezika eto Madagasikara ny Firenena Sinoa. Notontosaina afakomaly, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha, ny fifanarahana fifanaovan-tsonia fandraisana ny « Tetikasa fizarana zezika NPK » ity. Ankilany ny Minisitry ny Raharaham-bahiny, Rasata Rafaravavitafika, ary andaniny ny masoivohon’ny Firenena sinoa miasa sy monina eto amintsika, izay natrehin’ny Filohan’ny Répoblika Andry Rajoelina. « 80%-n’ny mponina eto Madagasikara dia miaina eny ambanivohitra izay midika fa tantsaha avokoa », hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Noho izany indrindra no nametrahan’ny Fanjakana ho laharam-pahamehana ny tantsaha mpamboly hahatrarana ny fahampian-tsakafo sy hamokarana misimisy kokoa, amin’ny alalan’ny izao fanampiana zezika izao, mba hahafaha-mametraka ny kalitaom-bokatra sy amin’ny vidiny mirary. Araka ny voalaza teo, dia i Madagasikara no sompitry ny vary tany amin’ny taona 70, noho izay indrindra no hanatanterahina ny fanovana lehibe satria hatramin’izao dia mbola manondrana vary mankany ivelany i Madagasikara, kanefa ny velaran-tany ambolena tsy nitombo. Eo koa ny fahasarotana amin’ny fahazoana zezika sy masomboly ho an’ireo tantsaha mpamboly. Izany rehetra izany dia mila hatsaraina ary anampiana azy ireo hisitraka ny zezika. Isaorana manokana ny Fanjakana sinoa, izay nanome izao zezika izao, ny Minisiteran’ny fambolena rahateo dia efa manana ny vina, hanorina orinasa mpamokatra zezika isaky ny faritra eto Madagasikara, mba hanamorana kokoa fahazoana ny zezika eny ifotony.
Hamokatra hatrany amin’ny 5-6 Taonina
Tanjona, raha namokatra vary hatrany amin’ny 2-3 Taonina teo aloha dia mba ho 5-6 Taonina isaky ny hektara ny vokatra ho azo. Indrokely dia ny fisian’ny rivodoza Gamane, izay nanimba ny tanimbary maro hatrany amin’ny 60.000 hektara tany avaratry ny Nosy, izay misy fiatraikany lehibe tokoa. Vokany, fianakaviana maro no lasa tsy mahita hohanina. Ny fanomezana ataon’ny Fanjakana sinoa izao, dia hanampy betsaka ny mpamboly amin’ity taona ity, ary hozaraina zezika maimaimpoana avokoa ireo tantsaha izay simban’ny rivodoza ny tanimbariny. Anisan’izany ny Diana, Sava, Ambatosoa, Analanjiforo. Amin’izao fotoana, zara raha mahatratra 10 kilao isaky ny hektara no mba tratran’izy ireo noho tsy fisian’ny hoenti-manana raha toa ka mila hatrany amin’ny 30 kilao farafahakeliny. Noho izany indrindra, nanome baiko ny Tale Jeneralin’ny BNGRC ny Filoha Andry Rajoelina ny handrindrana ny fizarana ny zezika amin’ny herinandro ho avy, hanatanterahana ny fizarana fanampiana zezika ho an’ireo tantsaha traboina.
Isaorana manokana Fanjakana sinoa, amin’alalan’ireo vahoaka sinoa izay tsy nanadino, ho fanampiana amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara, ao anatin’izao andro sarotra mahazo ny tantsaha izao, izay tsapa fa tonga amin’ny fotoana ilaina azy tokoa .
Izao fahavononan’ny Fanjakana sinoa izao dia manamafy ny finamanana eo Firenena roa tonta, indrindra ny vahoaka malagasy, hanamafy orina ihany koa ny fitohizan’ny fifankatiavana ho tombontsoan’ny mponina.
Rado Harivelo




