Songadim-baovaoSosialy

FITATERANA AN-TANETY ETO MADAGASIKARA: Mamono olona 7 600 isan-taona ny lozam-pifamoivoizana

Mitodika any amin’ny fitaterana an-tanety avokoa ny 80%-n’ny fifamoivoizana eto Madagasikara. Midika izany fa mitana anjara toerana lehibe amin’ny sehatra maro eto amintsika ny lafiny fitaterana an-tanety. Ohatra akaiky amin’izany ny fahafahany manafoana ny fitokana-monina, ny fahafahana mitatitra ny olona sy ny fananany, ary ny fahazoana mampihodina ny lafiny toekarena amin’ny faritra maro. Mbola miteraka fatiantoka ho an’ny Fitondram-panjakana anefa ny fahamaroan’ny lozam-pifamoivoizana an-tanety. Araka ny tatitry ny Banky Iraisam-pirenena dia maherin’ny 7 600 isan-taona ireo olona mamoy ny ainy eto Madagasikara vokatry ny lozam-pifamoivoizana. Izany hoe manodidina ny olona 22 isan’andro, ary avo telo heny noho ny zava-nisy tamin’ny fotoan’ny valanaretina Covid-19 izany, hoy ny fanehoan-kevitry ny Minisitry ny Fitaterana sy ny Famantarana ny Toetry ny andro Ramonjavelo Valéry.

Havondrona amin’ny toerana iray eny Tanjombato ireo mpisehatra rehetra amin’ny fitaterana eto Madagasikara.

Tanjona hapetrak’i Madagasikara hatramin’ny taona 2030, araka izany, ny hampihena io tarehimarika io hatramin’ny 50%. Ho fanatrarana izany dia misy ny ezaka sy ny laminasa ampiharina. Vina nofaritana ny hampiroboroboana fitaterana an-dalambe hieren-doza. Rehefa izany, tamin’ny volana marsa lasa teo, ohatra, dia nolaniana teo anivon’ny Governemanta ny politika nasionaly momba ny fiarovana an-dalambe. Nifanindran-dalana tamin’izany ny stratejia nasionalu mikasika ny fitaterana hieran-doza. Hahahafana mampihena ny loza an-dalambe dia misy ny paikady fiarahana miasa miaraka amin’ny ATT na ny antokon-draharaha misahana ny fifapoivoizana an-tanety. Ifotoran’io paikady io ny fampitaovana, fanentanana, fametrahana foibe fandanjana fiara hahafahana misoroka ny fihoaran-danja satria iray amin’ireo antony mahatonga ny loza matetika io tsy fanajana ny lanja io. Araka ny fanazavan’ny Minisitra moa dia hametraka tsy ho ela ivontoerana hahafahana manao fampiofanana faobe mikasika ny fitaterana an-tanety ihany koa isika. Hotanterahana amin’ny faran’ity volana ity ny fametraha komity manokana hiara-hisalahy amin’ny fampihenana io loza amin’ny fitaterana an-tanety io. Hitarika ny komity ny Praiminisitra.

Raha toa ka toy izany ny zava-misy any amin’ny sehatry ny fitaterana an-tanety dia tsapa kosa, ankilan’izay, fa milamindamina ary mivoatra araka ny tokony ho izy ny fanatsarana hita any amin’ny sehatry ny fitaterana an-dalamby, ny fitaterana an-dranomasina, ary ny mahakasika ny an’habakabaka. Ho fampivondronana ireo sehatra rehetra ao anatin’ny fitaterana ireo no nahatonga ny Hazovato Forello Expo hikarakaraka ny hetsika iraisam-pirenena mikasika ny fitaterana, ny fampitaovana, ary ny fikarakarana entana andiany fahatelo. Hetsika voalohany izay nanokatra ny fikarakaran’ny Hazovato Forello Expo tamin’ity taona ity io. Araka ny fanazavan’ny tompon’andraikitra, avoitra ao anatin’io hetsika io ny fahamatoran’ny fiaraha-miasa eo amin’ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina. Mamaly betsaka ny vinan’ireo andry telo napetraky ny Filohampirenena ihany koa ny fanatanterahana azy. Omaly moa no nanomboka azo tsidian’ny rehetra ny hetsika iraisam-pirenena mikasika ny fitaterana, ny fampitaovana, ary ny fikarakarana entana eny Tanjombato. Haharitra hatramin’ny alahady izao izany. Ny Minisitra tetsy, ankilany, dia nanambara fa fotoan-dehibe io tanterahana io satria ahitana ny traikefa sy ny fahaiza-manaon’ny sehatry ny fitaterana avy eto Madagasikara sy avy any ivelany. Miisa 108 ireo mpandray anjara mampiranty amin’ny tranoheva maherin’ny 130 izay avy amin’ny firenena miisa 6.

Sarobidy Sidonie.

Fermer