Fanadihadiana ManokanaSosialy

RAFI-PAMPIANARANA TEKNIKA ETO MADAGASIKARA: Natomboka ny fanavaozana, hampifanarahana amin’ny toetr’andro sy ny filàn’ny asa

Maro ny olana mbola sedraina ho an’ny sehatry ny fampianarana teknika eto Madagasikara. Ho famahana izany dia vahaolana entin’ny METFP ny fanavaozana ny rafi-pampianarana teknika eto Madagasikara. Natomboka ofisialy omaly ny dingana firosoana amin’izany ka heverina ho vita ato anatin’ny enim-bolana ny laminasa rehetra mifandraika aminy.

Nanomboka tany amin’ny fiandohan’ny taonjato faha-19 ny tantaran’ny fampianarana teknika teto Madagasikara. Ny taona 1832 no natsangana ny toeram-piofanana voalohany saingy taorian’ny fahazoana ny fahaleovan-tena vao nanomboka nipetraka ny rafitra mandridra ny fampianarana teknika. Talohan’ny 1997, taona nitsanganan’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika voalohany, dia ny Minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena hatrany no niandraikitra ny fandaminana ny fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa. Rafi-pampianarana novolavolaina tamin’izany taona 90 no entina miasa hatramin’izao.
Miisa 34 156 ankehitriny ireo mpianatra voasoratra anarana any amin’ny fampianarana teknika mandritra ity taom-pianarana 2023-2024 ity. Ambany izany antontanisa izany raha ampitahana amin’ny isan’ny mponina sy ny habetsak’ireo mpianatra hita any amin’ny fampianarana ankapobeny. Raha ny zava-misy amin’izao fotoana mantsy, misafidy ny hianatra any amin’ny fampianarana ankapobeny avokoa ny 70%-n’ny mpianatra eto Madagasikara. Tsy misy afa-tsy ny 30% kosa no mankany amin’ny fampianarana teknika. Any amin’ireo firenena efa mandroso anefa, toy ny any Frantsa, ohatra, dia manodidina ny 60 000 isan-taona ireo mpianatra mivoaka avy amin’ny fampianarana teknika. Ny 80% hatramin’ny 90%-n’izy ireo dia mahita asa avokoa iray volana monja aorin’ny fahavitan’ny fianarany. Any Italie kosa indray, misafidy ny handalina ny fampianarana teknika sy fanofanana arak’asa ny 54%-n’ny mpianatra any amin’ny ambaratonga faharoa.

Iray amin’ireo tale miandraikitra ivontoeram-pampiofanana eto Analamanga i Rakotovao. Ho an’ny sehatry ny zaitra, ohatra, dia nohazavain’ity tompon’andraikitra ity fa tsy mifanaraka amin’ny zava-misy ankehitriny intsony ny zavatra iainana any amin’ireo ivontoeram-pampiofanana. Ohatra amin’izany ny hoe mbola ireo milina fanjairana taloha no hanaovana fampiharana kanefa efa miroso amin’ny fampiroboroboana ny elektronika ny amin’ireo orinasa. Izany hoe efa ireo solosaina no mibaiko ny milina. Mifanindran-dalana amin’izany, tsy ampy traikefa amin’ny fivoarana misy ankehitriny ihany koa ireo mpampianatra fa ny fahaizany nentiny talohan’ny fotoana nidirany teo amin’ny sehatry ny fampianarana no mbola ampitaina mandrak’ankehitriny. Vokatr’izany, tsy mbola mahatoky tena tsara hiditra eo amin’ny tsenan’ny asa ireo mpianatra nahavita fiofanana satria tsy ampy ny traikefa.

Santionany fotsiny ihany amin’ireo olana mbola sedraina ho an’ny sehatry ny fampianarana teknika eto Madagasikara anefa ny toy izany. Ny zavatra tsapa dia tsy nomen-danja loatra ny fampianarana teknika teto amintsika satria natao faralahin-tsafidy ny fanarahana fiofanana any amin’io sehatra io. Ankoatra ilay taha ambany amin’ny fidiran’ny mpianatra any amin’ny fampianarana teknika dia olana goavana ny tsy fifandrifiana eo amin’ny fiofanana narahana sy ny asa atao. Izany hoe manao asa tsy mifandraika amin’ny diplaoma ananany ireo mpianatra teknisianina. Eo amin’ny lafiny fotodrafitrasa, mbola sakana ny tsy fahampianan’ny ivontoeram-panofanana teknika eto amin’ny nosintsika. Miisa 147 monja izy ireo kanefa efa mahatratra an’arivony ny any amin’ny fampianarana ankapobeny. Mahakasika ny kalitao kosa indray, nilaozan’ny toetr’andro ny fandaharam-pianarana ho an’ny fampianarana teknika, ary tsy mifanaraka amin’ny sehatry ny asa misy ankehitriny intsony izany. Noho ireo antony maro dia ambany ny lentan’ny fahaiza-manaon’ireo mpianatra mivoaka avy amin’ny fampianarana teknika. Tsy ampy isa koa ireo mpampianatra tena matihanina.

Vahaolana ny tsy maintsy hirosoana amin’ny fanavaozana

Manoloana ireo zava-misy ireo, tanjona apetraky ny Ministeran’ny Fampianarana Teknika sy Fanofanana Arak’asa izay tarihin-dRamatoa Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy ny tsy maintsy hanafoanana ireo olana rehetra sedraina. Mila manana tanora malagasy tena matihanina isika. Ary ireo nanaraka fiofanana teo amin’ny sehatry ny teknika dia tokony ho matihanina afaka hiditra avy hatrany amin’ny asa vantany vao vita ny fiofanany. Ankilany, tsy tokony ho faralahin-tsafidy intsony ny fanarahana fiofanana any amin’ny fampianarana teknika. Fehiny, tanjona lavitr’ezaka ny hampitsimbadihana ny tarehimarika 70%-30%, na ho lasa 50% farafahambaniny. Izany hoe mba hanaraka ny fampianarana teknika indray ny 70%-n’ny mpianatra malagasy aoriana kely ao ary any amin’ny fampianarana ankapobeny ny 30% ambiny. Lalana hahatongavana amin’izany ny tsy maintsy hitondrana fanatsarana sy hirosoana amin’ny fanavaozana ny rafi-pampianara teknika eto Madagasikara.

Efa voavolavola avokoa ankehitriny ny asa rehetra tanterahina ho firosoana amin’izany fanavaozana izany. Teboka maro no voakasika ao anatin’io. Misongadina amin’izany ireto tanisana manaraka ireto:
-famolavolana sokajim-pampianarana mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny filàn’ny asa,
-fanavaozana ho moderina ny fandaharam-pianarana mifanaraka amin’ny vina fampidirana sy fampiroboroboana ny teknolojia vaovaon’ny serasera sy ny fifandraisana,
-fampitomboana bebe kokoa ny ora hanaovana fampiharana mitahana amin’ny fandraisana lesona,
-fampidirana lesona vaovao manampy sy mifandraika amin’ny fiofanana. Ohatra amin’izany fanabeazana olom-pirenena vanona sy ny fampiridrana ny serasera,
-fampidirana sampam-pianarana vaovao heverina ho laharam-pahamehana toy ny toekarena manga, fampandrosoana maharitra sy lovainjafy, angovo azo havaozina sy ny maro hafa,
-fampitodihana sahady ireo mpianatra amin’ny sehatry ny fandraharahana. Izany hoe hisy ny fiofanana mahakasika ny fitantanana ny maha olona, ny banky, fitantanana amin’ny ankapobeny, ny fikirakirana resa-bola…

Natomboka tamin’ny atrikasa

Raha toa ka noresahana fotsiny ny mahakasika ny fanavaozana ny rafim-pampianarana teknika hatramin’izay dia tena hampihatra izany kosa ankehitriny ny ekipa tarihin’ny Minisitra Lalatiana Rakotondrazafy. Maromaro ny dingana tsy maintsy arahina mandra-pahatonga ny fanavaozana tena hiatra. Omaly no nanaovana ny fanaingana ofisialy ny firosoana amin’io fanavaozana io. Nomarihin’ny tamin’ny alalan’ny fanatanterahana atrikasa fiaraha-midinika izany. Haneho ny heviny amin’izany avokoa ireo rehetra mpisehatra amin’ny tontolon’ny fampianarana teknika. Isan’izany ireo mpampianatra, mpampiofana, matihanina amin’ny sehatry ny asa, mpiara-miombona antoka teknika sy ara-bola, ireo avy eny amin’ny anjerimanontolo, avy amin’ny sekoly ambony tsy miankina amin’ny Fanjakana… “Ny hevitry ny maro no mahataka-davitra ka ho raisina daholo ny hevitry ny rehetra”, hoy ny fanehoan-kevitra avy amin’ny Minisitra. Tsara ny manamarika fa hanaovana izay fakan-kevitra izay avokoa ny Faritra rehetra fa tsy hijanona eto Antananarivo fotsiny ihany. Hirosoana indray ny fandravonana aorian’ireo dingana ireo. Eo no hamohanana ny rafi-pampianarana vaovao entina ankatoavina eny anivon’ny Governemanta. Mialoha izany dia tsy maintsy hisy ihany koa, ankilany, ny famoahana tetiandro ho fanofanana ireo mpampianatra mahakasika io rafi-pampianarana vaovao io, mba tena hisy tokoa ny fepetra fanampiana mialoha ny hampidirana ny fandaharam-pampianarana vaovao. Vinavinaina ho vita ato anatin’ny enim-bolana moa ireo laminasa rehetra ireo.

Nangonin’i Sarobidy Sidonie.

Fermer