
Songadim-baovaoSosialy
TAKAITRA NAVELAN’NY RIVODOZA “GAMANE”: Mitohy ny asa fanarenana, hisokatra amin’ity faran’ny herinandro ity ny RN5A
Taorian’ny fandalovan’ny rivodoza Gamane dia mitohy ny fandraisan’ny Fitondram-panjakana an-tanana ny asa fanarenana ny fiainana andavandron’ny mponina any amin’ny tapany avaratry ny Nosy. Omaly maraina, tao Ambilobe ny Praiministra, Lehiben’ny Governemanta Ntsay Christian niara-nandinika momba ny asa fanarenana ny lalana RN5A sy RN6 ary ny tetezana lehibe roa ao Ambilobe sy any Ifasy tamin’ny Ministeran’ny Asa Vaventy, Ny Orinasa Colas ary CRBC. Noho izany dia hisokatra tanteraka manomboka amin’ity faran’ny herinandro ity ny RN5A Ambilobe – Vohemar. Nohamafisina nandritra ny fivoriana fa ny Orinasa CRBC no hamerina amin’ny laonina tanteraka ny lalana RN5A.
Mahakasika ny RN6 dia efa misokatra ny tapany avy aty Ambanja ka hatreo amin’ny tetezan’i Ifasy noho ny asa fanarenana nataon’ny Orinasa Colas. Hovitainy ihany koa amin’io herinandro ambony io ny ampahan-dàlana avy eo Ifasy ka hatramin’ny tetezana Mahavavy. Mahakasika manokana ireo tetezana lehibe roa ireo dia hanomboka afaka roa herinandro fara-fahatarany ny asa fanamboarana ny tetezana vonjy maika araka ny dinika izay natao.
Marihina fa nanatrika ny dinika tao Ambilobe ny Ministry ny Foloalindahy Jeneraly Sahivelo Lala Monja Delphin ny Ministry ny Asa Vaventy Kolonely Andrianatrehina Ndriamihaja Livah, ny Tale Jeneralin’ny Orinasa Colas ary ny Tale misahana ny fanatanterahana ny asa eo anivon’ny CRBC.

Filàna andavanandron’ny mponina
Ny tolak’andron’ny omaly dia nisy ny fivoriana notarihin’ny Praiministra Ntsay Christian mba ahafahana manao ny tombana mahakasika ny filàn’ny mponina amin’ny faritra rehetra eto Madagasikara taorian’ny fandalovan’ny Gamane teto amintsika. Tomponandraikitra maro no nanatrika izany. Betsaka ny toromarika nomen’ny Praiministra tao anatin’ny dinika, ka anisan’izany ny tsy maintsy hamoahana ny tombana eo amin’ny filàna manerana ny Nosy amin’io herinandro ambony io.
Tsy maintsy atevenina ihany koa ny asa fanarenana ny eo amin’ny filàna andavanandron’ny mponina aty Ambilobe, ohatra ny fanarenana ny fantsona mitondra rano fisotro madio amin’iny ilany atsimon’i Ambilobe, ny fanadiovana ireo vovon-drano rehetra, ny fampidirana ny mpianatra rehetra amin’ny herinandro ambony. Eo koa ny fanohizana ny fandraisana marary maimaimpoana, ny fanamafisana ny asa fanarenana ny lakandrano manondraka ny lemaky ny Mahavavy, ny fanampiana hanampamokarana ho an’ny tantsaha, ny fanomezana ny « ration de protection » ho an’ireo fianakaviana manana ankizy latsakin’ny dimy taona tratran’ny tsy fanjarian-tsakafo, ny fanomezana fitaovam-pianarana sy fitafy ho an’ireo mpianatra na miankina na tsy miankina amin’ny fanjakana, ny fanampiana ara-tsakafo ho an’ny mponina tena marefo, sy ny sisa…
Nanintona ny sain’ny rehetra ny Praiministra mba samy handray ny andraikitra mifanandrify azy.




