
PolitikaSongadim-baovaoSosialy
FAMPIANARANA TEKNIKA SY FANOFANANA ARAK’ASA: Niisa 36 500 ireo olona nisitraka fiofanana tao anatin’ny 100 andro
Misongadina ny zava-bita tao anatin’ny 100 andro, raha ho an’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arak’asa manokana. Ny fanamboarana ny trano malalaka ao amin’ny Amphi, handraisana ny fampiofanana faobe mikasika ny “Métier du web”, na ny asa amin’ny aterineto, no nanombohan’izy ireo ny asany. Nitohy tamin’ny fanamboarana ny efitrano, handraisana fivoriana izany. Eo koa ny hangara 2400 metatra toradroa izay hanitarana ny fampiofanana faobe. Ho fanarenana ireo toeram-piofanana efa simba, dia niroso tamin’ny hetsika tagnamaro ny Minisitera. Maherin’ny 296 ireo efitrano fianarana sy fiasana nohavaozina tamin’izany.
Manerana an’i Madagasikara ny fandaharanasa fampiofanana ho an’ny daholobe, ary mivelatra amin’ny sehatrasa maro. Teo ny “métier du web” ho an’ny teto Antananarivo sy Toamasina ary Antsirabe. Ny zaitra ho an’i Toamasina sy Antsirabe izay samy notolorana fitaovana enti-miasa avy hatrany ireo vehivavy nahazo tombontsoa. Nisy koa ny fiofanana “Mécanique Moto-Bajaj” tany Morondava sy Antsirabe. Ary fametrahana vato hanaovana rarivato teny Ambohidratrimo sy Faratsiho. Fampiofanana efa natao ihany koa ny fanaovana mofomamy sy ny famadihana ronono tao Antsirabe. Ankoatra ireo anefa dia nisy koa ireo fampiofanana samihafa tany amin’ny Faritra 23 teny anivon’ny CFP. Araka ny tarehimarika dia mitotaly 36 500 ireo nahazo fiofanana tamin’ireo tolotra rehetra ireo.
Ho an’ny “métier du web” manokana, ny 80%-n’ny mpiofana nandalo tamin’ny “Speed recruiting” dia efa tafiditra miasa, manaraka fianarana asa, any amin’ny orinasa. Afaka manangana ny orinasany avy hatrany kosa ireo nanaraka fiofanana hafa.
Tetsy ankilany, niroso tamin’ny fifanarahana fiarahamiasa tamin’ireo orinasa sy mpiara-miombona antoka ny Minisitera, entina manatsara ny rafi-pampianarana sy hitondrana vahaolana amin’ny tsy fifandrifian’ny fampianarana sy ny tolotra arak’asa. Isan’izany ny fiarahamiasa tamin’ny Emirats Arabo mikambana, mikasika ny fampiofanana momba ny haitarika ireo tomponandraikitra ambony. Teo koa ny fiarahamiasa tamin’ny sendikan’ny indostria eto Madagasikara, mikasika ny fanofanana ny mpiasa ilain’ny orinasa. Efa natomboka koa ny dingana fanavaozana ny rafi-pampianarana teknika eto Madagasikara.



