PolitikaSongadim-baovaoToekarena

FAMPIVOARANA NY TOEKARENA SY NY INDOSTRIA: Vonona hifanome tanana ny Fanjakana sy ny sehatra tsy miankina

 Fanoitra lehibe ho amin’ny fampiroboroboana ny toekarena sy ny indostria ny sehatra tsy miankina, izay anisan’ny andry iankinan’ny fampandrosoana ny Firenena. Nataon’ny Filohan’ny Repoblika Andry Rajoelina laharam-pahamehana ny fifampiresahana tamin’ireo Vondron’ny sehatra tsy miankina, indrindra amin’izao fanombohan’ny fe-potoam-piasana faharoa izao. Naneho ny fahavononany ny roa tonta ny hametraka ny fototry ny fiaraha-miasa mahomby hanatsarana ny tontolon’ny fandraharahana sy hampiroboroboana ny indostria eto Madagasikara. « Fanombohana ihany izao fihaonana voalohany izao fa hitohy miandalana satria zava-dehibe fifanakalozana eo amin’ny sehatra tsy miankina sy ny Fanjakana », hoy ny Filoha Andry Rajoelina. Nasongadiny  fa ireo zavatra rehetra ilain’ny Malagasy amin’ny fiainany andavanandro dia tokony hovokarina sy hahodina eto an-toerana. Betsaka ny sakana sy ny olana sedrain’ny orinasa tsirairay avy.  Dingana goavana mizotra amin’izany izao fihaonana amin’ny Vondron’ny sehatra tsy miankina izao. Mipetraka ny fifampitokisana ary hifandray tanana ny rehetra hiaraka handroso, satria samy manana andraikitra amin’ny fampandrosoana an’i Madagasikara.

Afa-po tanteraka ireo sehatra tsy miankina nandritra ny fihaonana, ny zoma lasa teo, ary tsy vitan’iny fotsiny fa isaka ny roa volana no mihaona amin’ny Filoha izy ireo. Hifanakaiky kokoa, satria isam-bolana izy ireo dia hihaona ny eo anivon’ny Fiadidiana ny Repoblika, hiady hevitra sy hifampita vaovao, mba hampandrosoana ny toekarena eto Madagasikara.

Nambaran’ny teo anivon’ny GEM, fivondronana mpandraharaha eto Madagasikara fa tena misy ny fifampihainoana. Ho an-dry zareo eo anivon’ny Sendikàn’ny Indostria eto Madagasikara kosa indray,  dia zava-dehibe ho azy ireo ny fametrahana ny Indostria ho ivon’ny Fampandrosoana. Nanaiky ny Filoha fa tokony harindra ny fomba fijery eo amin’ny Fanjakana sy ho an’ireo mpitantana ny Indostria eto Madagasikara, mba hahafahana miatrika ny tsenan’asa ary koa ny tsena ivelany.

Rado Harivelo

Fermer