Songadim-baovaoSosialyToekarena
FANDRAISAM-BAHINY SY FIZAHANTANY : Afaka handefa tanora hiofana ao Maorisy i Madagasikara
Nisongadina tao anatin’ny tatitry ny 100 andro ho an’ny Minisiteran’ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, ny fanofanana ireo tanora sy vehivavy niisa 36 500 teto an-toerana, tamin’ny sehatrasa marolafy. Ankehitriny, miroso amin’ny fifanaraham-piarahamiasa amin’ny firenen-kafa ny Minisitera mba hahafahana mandefa Malagasy miofana arak’asa any ivelany. Nisantatra izany ny fiarahamiasa amin’ny Nosy Maorisy izay hahafahan’ireo tanora malagasy mandrato fiofanana any amin’ny ivon-toeram-pampiofanana manarapenitra amin’ny sehatry ny fandraisam-bahiny sy ny fizahan-tany any an-toerana. Notanterahina ny Zoma faha 13 aprily tany an-toerana ny fanaovana sonia ny taratasy fifanaraha-miasa eo amin’ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa, andaniny, ary ny Bradford Institute, ankilany, mikasika izany. Ny minisitry ny Fampianarana tekinika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, no nisolo tena ny fanjakana Malagasy tamin’izany.
Ny Bradford Institue no manome ny fampiofanana, ny Minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa kosa no manao ny sivana an’ireo tanora mahafeno ny fepetra ary afaka hanaraka izany fiofanana izany. Ity sekoly lehibe atsy amin’ny Nosy Maorisy ity no miantoka ny fandefasana ireo mpiofana amin’ny hotely rehefa hanao fampiharana. Mbola izy koa no mitady ny hotely na sambo ampidirana ireo tanora ireo hiasa.
Momba ny sandan’ny fiofanana dia manolotra ny 40% ny vatsim-pianarana ny Bradford Institute. Ny ambiny kosa dia iarahany mitady amin’ny minisitera ny famatsiam-bola amin’izany, amin’ny alalan’ny fametrahana fifanarahana amin’ireo banky efa miara-miasa amin’ny Bradford Institute ihany.
“Zava-dehibe amin’ny fanatsarana ny tontolon’ny fanofanana arak’asa izao dingana iray vita izao, satria dia fiofanana manara-penitra ny ho arahin’ireo tanora Malagasy any an-toerana sady avy hatrany dia hahafahan’izy ireo miasa raha vao vita ny fiofanana”, hoy ny fampitam-baovao avy eo anivon’ny METFP.
Ankoatra izay dia nitsidika ny hotely hanaovan’ireo mpianatra malagasy, hiofana ao amin’ny Bradford Insitute, fianarana asa (stage) ny Minisitry ny Fampianarana teknika sy ny Fanofanana arak’asa. Nisy koa ny fifampiresahana tamin’ny Confederation of Tourism and Hospitality, Institut Londonien, izay manome ny fankatoavana ho an’ny Bradford Institute.



