Trangam-piaraha-monina
AMBATOMANGA : Nodarohan’ilay vinantolahy ho faty ny rafozam-baviny
Nitrangana toe-javatra mampalahelo ! Renim-pianakaviana iray no namoy ny ainy afakomaly, vokatry ny daroka nanjo azy. Ny tena mampalahelo, dia olona tsy hafa fa ny vinantolahiny ihany no namono nahafaty azy, raha sendra tsy tao an-trano ny zanany.
Vehivavy lehibe manan-kilema, efa tsy tafahetsika eo ambony fandriana, vokatry ny aretina nahazo azy no niharan’ny vono sy ny daroka nataon’ny vinantolahiny. Tsy vitan’izay fa mbola niampy fandrahonana koa izany, ka izao namoy ny ainy izao. Araka ny fitantaran’ny zanany vavy izay sady vadin’ilay nahavanon-doza dia tsy tao an-toerana ny tenany tamin’io fotoana io fa ny zanak’izy ireo no niantso azy tamin’ny alalan’ny finday fa « vonoin’ny Rainy ny Renibeny. » Vantany vao nandre izany izy dia namonjy fodiana haingana. Mbola tratrany teo am-pandrahonana ilay Reniny ny vadiny ary nahitana mangana sy ratra ny vatan’ilay renim-pianakaviana ka nahatonga azy niantso haingana ny zandary tany an-toerana. Vantany vao tonga ny Zandary dia nisambotra ilay nahavanon-doza. Na dia efa natao aza ny ala kenina, dia tsy tana ny ain’ilay Renim-pianakaviana. Raha ny angom-baovao, tsy vao izao no niseho herisetra fa efa matetika ni iharan’izany ny Rafozany sy ny vadiny io lehilahy, fa efa matetika. Mbola vitan’ny havan’ilay nahavanon-doza aza no miaro azy hatrany sy manao eson-teny amin’ilay zanak’ilay renim-pianakaviana namoy ny ainy. Amin’ny maha vono olona azy, dia nametraka fitoriana ny fianakaviana ary milaza fa tsy hanaiky moramora izao herisetra namoizana aina nihatra tamin’ny havan’izy ireo izao. Nanao antso avo ny tomponandraikitra mahefa izy ireo ny hampihatra ny lalàna velona amin’ilay nahavanon-doza. Ny razana mia dia halevina anio, ao Mokajy.
Pierre M.




