Songadim-baovaoSosialy

FAMPANDRIANA FAHALEMANA IREO TANÀN-DEHIBE: Jiolahy 267 voasambotra, rongony 700 kilao sarona,  polisy 8 naiditra am-ponja

Tanteraka ny hetsika « Sarika I » notanterahin’ny Minisiteran’ny Filaminam-bahoaka, izay notontosaina nandritra ny roa herinandro teo. Napetraka tao anatin’ny fanatanterahana ity hetsika ity ny fampanajana ny Fitsipi-pifehezana anatin’ny Polisim-pirenena sy ny ady amin’ny kolikoly, izay nahazoana vokatra manerana ny Nosy…

Nanomboka tamin’ny 27 martsa sy nifarana ny 12 aprily 2024 teo ny hetsika Sarika andiany voalohany notanterahin’ny Polisim-pirenena manerana ireo tanàn-dehibe teto Madagasikara. Raha ny antontanisa voaray vokatr’ity Sarika I ity, izay notanterahin’ny Polisim-pirenena maherin’ny 4 800 manerana ny Nosy, ankoatra ny fiara sy “moto” ary ireo fitaovan-tserasera samihafa teo am-pelatanany, dia mahatratra 1 801 ny olona voasambotra, ka ny 267 tamin’izy ireo dia nisahana asan-jiolahy avokoa. Ny 10 voasambotra noho ny heloka atao anabaka (cybercriminalité), ary ny 150 dia resaka zava-mahadomelina. Nisy tambajotran-jiolahy maro rava taorian’ny fanangonam-baovao sy fidinana ifotony, dia ny mpanao fanafihana mitam-piadiana, tambajotra mpanao fakàna an-keriny, ary mpanao trafikana zava-mahadomelina, izay nahatrarana olona miisa 73 sy nanaovana fanadihadiana. Ny ady amin’ny zava-mahadomelina dia mahatratra 700 kilao ny rongony sarona, miampy “héroine” 08 grama sy “cocaine” 03 grama. Nampiavaka ny hetsika Sarika I, ny fanomezana sehatra ho an’ny fisorohana mialohan’ny fanasaziana, ka ny 86%-n’ny asa dia niompana betsaka tamin’ny fisorohana avokoa. Noho izay antony izay, dia hatramin’ny 105 000 mahery ny fisorohana tanteraka. Ny fiarovana ireo toerana saropady toy ny Fitsarana, Jirama, banky sy ireo sampan-draharaham-panjakana samihafa, dia miisa 14 000. Ny fidinana ifotony ankoatra ny fisafoana, dia misy ny “tournée de police générale”, izay notanterahina betsaka tany amin’ny faritra, ary naharitra herinandro, ka nahatratra 8000 no vita tamin’izany. Nisy koa fanentanana mikasika ny herisetra sy fisafoana ahiana hisy fandikan-dalàna mikasika ny zaza tsy ampy taona sy heloka mamoafady, toy ny “karaoke”, toeram-pandihizana sy fisotroana, izay mahatratra 3000 ny fanentanana natao tamin’izany. Mahatratra 33 800 ireo mpamily nomena fanentanana sy fampianarana, na kodiaran-droa na fiara. Tsy nisy fanasaziana tamin’izany raha tsy nisy fandikan-dalàna mibaribary taorian’ny baiko nomena. Araka izany, mpamily 605 no voasazy.  

Polisy 08 tratra nanao kolikoly sy naiditra am-ponja

Nisy fitiliana Polisy miasa an-kianja sy am-birao manoloana ny ady amin’ny kolikoly nandritra ny fiantombohan’ny taona no nankaty, izay tsy nasiana fandeferana ho an’ny Polisy nandika lalàna. Araka izany, nahatratra 08 ireo Polisy voarohirohy nanao kolikoly ary voatery naiditra am-ponja taorian’ny fanadihadiana. Mitohy ny fanentanana nampahafantarana ny fahadiovana sy fahitsiana anaty fanatanterahana ny asa maha Polisy na an-dalambe na anaty birao. Nomarihan’ny tompon’andraikitra, fa tsy misy kiantrano an-trano anaty fandikan-dalàna hita sy voaporofo an’ny Polisim-pirenena, ary manentana ny vahoaka tsy an-kanavaka ho sahy hitoroka azy ireo raha manana porofo mazava manoloana fanaovana kolikoly tsy mifanaraka amin’ny lalàna. Afaka antsoina koa ny laharana finday 034 05 507 34 raha manana loharanom-baovao. Nomarihan’ny Minisitry ny Filaminam-bahoaka, Ny contrôleur Général de Police, Rakotoarimanana Herilala, fa tao anaty lalan-tsaina telo lehibe no nanatanterahana ny hetsika Sarika I. Voalohany ny fampanajana ny Fitsipi-pifehezana anatin’ny Polisim-pirenena sy ny ady amin’ny kolikoly, izay nomarihan’ny Minisitra fa hisian’ny maha matihanina voafehin’ny etika sy deontolojia, ka nahamora ny fanatanterahan’asa sy nahazoana vokatra tsara. Ny fanamafisana ny fisorohana ireo asa fandikan-dalàna isan-karazany, izay nezahina nanaparitahana ireo polisim-prienena manerana ny faritra iadidian’ny polisim-pirenena, mba ho tena Polisy manakaiky vahoaka, ary ny famerenana ny fahatokisan’ny vahoaka sy hametrahana fahefam-panjakana amin’ny alalan’ny fidinana ifotony, ka tanjona ny famerenana ny hasin’ny Polisim-pirenena avy amin’ny vina napetraky ny Filoha dia ny Polisy manakaiky vahoaka vonona hiaro sy hanampy azy. Ankoatra ny fampiasana fitaovana teo am-pelatanan’ny Polisim-pirenena, dia teo ny fiaraha-miasa tamin’ireo vondron’olona ifotony avy amin’ny Fokontany sy izay misahna ny fahalemana ifotony. Mitohy ny fampandriana fahalemana tanterahin’ny eo anivon’ny Polisim-pirenena na eo aza ny fahataperan’ny hetsika Sarika I.

Stan R.

Fermer