Songadim-baovaoSosialy

FANANAN-TANY : Tsy diso anjara tamin’ny fizarana karatany faobe ireo Vahoakan’i Faratsiho

Fanamby napetraky ny Filohan’ny Repoblika, Andry Rajoelina, ny hamerenana amin’ny Malagasy ny taniny. Ezaka maro no efa nirosoan’ny Fanjakana mba hahatrarana izany, ary anisany ny fizarana karatany faobe, izay efa notanterahina tany amin’ny Distrika maro manerana ny Nosy. Fantatra ankehitriny fa tsy diso anjara tamin’izany fandaharanasa izany koa ny vahoakan’i F aratsiho. Notontosaina omaly 15 Aprily ny fizarana karatany faobe ho an’ny distrikan’i Faratsiho, tao amin’ny Kaominina Valabetokana.

Kaominina 9 no voakasika izany fizarana Karatany izany, anisan’izany ny kaominina Valabetokana, izay miisa 10.892 no nozaraina ho an’ireo mpisitraka avy tamin’ny Fitondram-panjakana tamin’ny alalan’ny Ministeran’ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany, izay iarahana amin’ny tetikasa CASEF sy Banky iraisaim-pirenena.

Tonga nanotrona izany ny Minisitry ny Fitsinjaram-pahefana sy ny fanajariana ny tany Andriamatoa Naina Andriatsitohaina, sy ireo mpiara-miasa aminy, notronin’ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fampiofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, sy ireo manampahefana isan’ambaratongany teny an-toerana. Nanararaotra nitsidika ny biraon’ny fananantany tany an-toerana ny Minisitra Naina Andriatsitohaina, ary nihaona tamin’ireo Ben’ny tanàna, sy mpiara-miasa eo anivon’ny fananantany teny an-toerana, nidinika izay asa atao ho entina hampandrosoana ny distrika sy ireo kaominina ao anatiny.

Fermer