PolitikaSongadim-baovao

FIFIDIANANA SOLOMBAVAMBAHOAKA : Nivoaka ny lisitra ofisialin’ireo kandidà, banga fito ny toerana eo anivon’ny Governemanta

Omaly alina no nivoaka tamin’ny fomba ofisialy ny lisitr’ireo kandidà ho Solombavambahoaka avy amin’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Mpikamban’ny Governemanta miisa fito no hita ao anatin’izany lisitra izany. Tsy maintsy niroso tamin’ny fametraham-pialana, noho izany, ireo Minisitra kandidà ireo, araka ny voalazan’ny Andininy 64 ao amin’ny Lalàmpanorenana.

Saika hita manenika ireo fari-piadidiam-pifidianana manerana ny Nosy ny Kandidà avy amin’ny Vovonana “Isika rehetra miaraka amin’i Andry Rajoelina”, araka ny tsikaritra tamin’ny tatitra ofisialy nataon’ny Vaomieram-pirenena mahaleotena misahana ny fifidianana (Ceni). Distrika maromaro ihany koa no ahitana ny Kandidàn’ny Vovonana “Firaisankina” sy ny Vovonana “Kolektifan’ny Malagasy”. Ireto farany izay samy ankolafin-kery avy amin’ny fanoherana saingy samy manana ny  kandidàny.

Tsikaritra amin’ireo fari-piadidiam-pifidianana sasantsasany ihany koa ny fisiana kandidà izay nirotsaka tamin’ny anaran’ny Antoko Politika teo aloha, saingy tsy natolotr’ilay antoko intsony tamin’ity indray mitoraka ity, fa nirotsaka amin’ny anaran’ny mahaleotena. Tranga izay heverin’ny maro fa hampafana tanteraka ity hazakazaka ho eny Tsimbazaza ity. Anisan’ny voakasik’izany ohatra ny ao Ambatofinandrahana, izay tsy misy afatsy Kandidà roa monja, dia ny Kandidà IRMAR, Razafindrambary Narson Seth Jean Richard sy ny Kandidà tsy miankina, Razanamahasoa Christine, izay kandidà IRMAR tamin’ny fepotoam-piasana farany. Ahitana tranga toy izany koa ao Atsimondrano, izay ahitana an’andriamatoa Alain Ratsimbazafy mirotsaka amin’ny anaran’ny tenany manokana, raha toa ka kandidàn’ny Antoko TIM izy teo aloha. Ankehitriny dia Ramatoa Voahangy Raharimanarivo indray no kandidàn’ny TIM izay ao anatin’ny Vovonana Firaisankina.

Nametra-pialana…

Ho fanajana ny andininy faha-64 ao amin’ny Lalàmpanorenana, dia tsy maintsy nametra-pialana ireo Minisitra nambara ofisialy fa kandidà. Miisa fito izy ireo no voakasika izany, dia ny Minisitry ny Fampianarana Teknika sy ny Fanofanana arak’asa, Ramatoa Lalatiana Rakotondrazafy, izay nirotsaka ao amin’ny Distrikan’i Faratsiho. Eo koa ny Minisitry ny Mponina, Haingo Nambinina Fomendraza, izay nirotsaka ao Ambositra, ny Minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sahondrarimalala Marie Michelle, nirotsaka ao Fianarantsoa, ny Minisitry ny Fampianarana Ambony sy ny Fikarohana ara-tsiansa, Razafiarison Andriamanantena izay nirotsaka ao Ampanihy Andrefana, ny Minisitry ny Fanatanjahatena sy ny Tanora, Haja André Resampa, nirotsaka ao Morondava, ny Minisitry ny Serasera sy ny Kolontsaina, andriamatoa Augustin Andriamananoro, nirotsaka eto amin’ny Distrikan’Antananarivo I, ary ny Minisitry ny Atitany, Tokely Justin izay nirotsaka ao Sambava. Fanontaniana manitikitika ny maro ny hoe hisy fanovana mpikamban’ny Governemanta ve izany andrasana ato ho ato? Sa ireo Minisitra eo anivon ‘ny Governemanta sasantsasany ihany no hisahana ny toeran’ny Minisitra mpisolo toerana? Mandrapaha oviana anefa izany?

Amin’ny volana aogositra

Miroso hatrany ny fanomanana ny fifidianana. Anio,  raha tsy misy ny fiovana, no hanao ny antsapaka ny laharana ho entiny ao anaty biletà  tokana ireo kandidà, tanterahina isaky ny  distrika. Aorian’izay,  hiroso amin’ny fanontana ny biletà tokana sy ireo taratasin-datsabato any ivelany ny Ceni. Miankina amin’ny isan’ny mpifidy no isan’ny biletà atonta. Miankina amin’ny isan’ny kandidà kosa alavan’ny biletà tokana. Eo am-panaovana ny lisitr’ireo birao fandatsaham-bato ny Ceni.

Fermer