Songadim-baovaoSosialy

FONJAN’ANTANIMORA : Nahazo asa ireo vehivavy voafonja miisa 50 nahavita fiofanana arak’asa

Horaisina ho isan’ny Mpiasa eo anivon’ny ivotoerana tantanan’ny « Fondation Akbaraly » ny Vehivavy voafonja miisa 50 nahavita fiofanana arak’asa tao Antanimora, araka ny fifanaraham-piarahamiasa vita sonia omaly teo amin’itsy voalohany sy ny Minisiteran’ny Fitsarana. Fiarahamiasa izay miompana amin’ny fahasalamana sy ny fanomanana ny Vehivavy Voafonja amin’ny fiverenana eny anivon’ny Fiarahamonina, rehefa tapitra ny fotoana hanefana ny sazy.  Fiaraha-miasa ihany koa, izay mahakasika ny Politikam-panjakana amin’ny fanomezan-danja ny mahaolona sy ny fiarovana ny zon’olombelona, amin’ny alalan’ny fiahiana ny fahasalamana sy fanarenana ara-tsosialy ireo Vehivavy Voafonja.

Marihina fa izany dia ho tohin’ny fiaraha-miasa efa nisy teo amin’ny roa tonta hatramin’izay satria ny « Fondation Akbaraly » ihany no efa nanohana ny fiofanana nomena azy ireo, sady manampy ny Minisiteran’ny Fitsarana amin’ny fitsirihana ny fahasalaman’ny Vehivavy Voafonja. Tsara tsindriana fa hahazo tambin-karama ireo Vehivavy Voafonja hiasa ireo, ary izany dia entiny manomana ny ho aviny.

Nanamafy ny Mpitahiry ny Fitombokasem-panjakana, Minisitry ny Fitsarana, Randriamanantenasoa Landy Mbolatiana, fa io fifanarahana io dia tafiditra ao anatin’ny politikam-panjakana napetraky ny Minisiteran’ny Fitsarana, amin’ny fanomanana ny famerenana ny Voafonja eny anivon’ny Fiarahamonina rehefa tapitra ny fotoana hanefana ny sazy, ary sambany teo amin’ny fitantanana ny Fonja no nisy Voafonja nahazo fiofanana ka nahazo asa avy hatrany.

Antanimora no hanombohana ity fiaraha-miasa ity, fa ezaka ny hanitatra izany amin’ny Vehivavy Voafonja amin’ny Faritra hafa. Fantatra moa fa miditra miasa maraina ireo Vehivavy Voafonja ireo ary miverina ao am-ponja rehefa avy miasa.

Nilaza ny Dr Francesco Cimino, Tale Mpanatanteraky ny « Fondation Akbaraly » fa zava-dehibe ho amin’izy ireo ny fiarovana ny zon’olombelona. Antony nahatonga azy ireo hiara-hiasa amin’ny Minisiteran’ny Fitsarana mahakasika ny fanatsarana ny fiainan’ny Voafonja, indrindra ny Vehivavy sy ny ankizy. Tanjona mantsy ny tsy ahatonga azy ireo ho vesatra ho an’ny Fiarahamonina na koa hamerin-keloka indray, ary ny tena kendrena dia ny famerenan-kasina ny maha-olona.

Fermer