PolitikaSongadim-baovao

FILAN-KEVITRY NY MINISITRA TAO TOAMASINA : Hojerena amin’ny antsipiriany ireo olana mampikaikaika ny vahoaka eny ifotony

Nandray fanapahan-kevitra ny Filoha Andry Rajoelina, ny  hanaovana ny filan-kevitry ny minisitra ivelan’Antananarivo. Nosafidiana voalohany ny tao Toamasina omaly. Ny tanjona voalohany indrindra, amin’izao fomba fiasa izao, dia ny hijerena ny olana ifotony ary hitondrana vahaolana, amin’izay asa tokony ho atao, indrindra ireo manahirana ny vahoaka ao anatin’ny faritra iray. Jerena amin’ny antsipiriany ireo zavatra mampikaikaika ny vahoaka, indrindra ireo zavatra tokony ho vitaina, fa indrindra ireo fampandrosoana tokony hapetraka ao Toamasina. Aorian’ny filan-kevitry ny minisitra, hisy ny  fidinana ifotony hijerena ireo fotodrafitrasa rehetra tokony hotanterahina. Raha vao miresaka Toamasina, fantatra sy hita, tsapa ny olana mahakasika ny fanadiovana ny  eo an-tampon-tanàna.  Anisany izany ny fivarinan’ny rano maloto. Manana famatsiam-bola maro isika hahafahana tsara manatanteraka izany. Ary efa misy drafitra mazava hahafahana manafaingana ireo asa, izay tokony mba hahafahan’ny mponina miaina. Ao anatin’ny hoe tanàna mirindra izany.

Fantatra fa maro loatra ny fanorenana tsy ara-dalàna ao Toamasina. Faharoa, tsy misy mihitsy ny fanitarana na ny fanatsarana ny fivarinan’ny rano izany nandritra ny taona maro. Nambaran’ny Filoha Andry Rajoelina, fa hojerena izany satria misy ny tetikasan’i Padev. Ao anatin’ny Padev ny fanaovana ireo lakandrano maro, anisany izany koa ny tsenan’ny Bazary kely. Nasaina tonga eto koa ireo tompon’andraikitra tsirairay  ka eo ianareo minisitra hitondra izay projet padev izay.

Asa maro tanterahina…

Amin’ny maha seranan-tsambon’i Toamasina dia efa mihoatra ny 600-900 isa ireo kamiao mitatitra entana mivoaka sy miditra ny tanàna isan’andro. Mitera-doza izany satria misy mihitsy ny aina nafoy. Satria rehefa mivoaka ny kamiao, mifandona amin’ny moto, na ny zazakely, matetika koa misy fiara kely na posy manery ny lalana dia mitera-doza izany. Efa mandeha ary tsy maintsy hafainganina ny « voie rapide » mampitohy Port-mandray ny RN2. Hojerena anio, daholo izany. Mazava loatra fa anisan’ny Tetikasan’ny Filoham-pirenena ny « Boulevard Ratsimilaho » miala eo amin’ny Residence dia mivoaka Hopitaly be, mivoaka any amin’ny lalana aeroport iny. Io boulevard io dia ny rivodoza tamin’ny 1996 no efa nisy izany ary izao izy nohatsaraintsika, nohalebiazina ary hanome endrika ny tanànan’i Toamasina ny fahavitany.

Tafiditra ao anatin’ny lahadinika koa ny handihina ny daty hanokafana ny Miami. Marobe  ny « bateau de croisière » tonga ao Toamasina ankoatr’i Nosy Be sy Antsiranana. Ho an’i Toamasina, mila manararaotra hoe ahoana no hahafahan’ny mponina sy mpanao asa tanana ao Toamasina, mba hampiditra vola vahiny amin’ny fahatongavan’ny « bateau de croisière » sy mpizahatany. Hapetraka koa ny tetiandro hamitana ny « village artisanale » atao akaikin’ny seranan-tsambo. Ao izany no hisy fampirantiana sy fivarotana ny asa  tanana ireo misehatra izany ao Toamasina. Mampahafantatra ny any amin’ny Faritra fa hatao amin’ny renivohi-paritany ny filan-kevitry ny minisitra, dia avy eo hatao eny anivon’ny Faritra. Atao anaty laminasa izany, hahafahana manakaiky vahoaka sy mijery ny fampandrosoana tokony hatao. Ny fandaharam-potoana manaraka dia hianavaratra ka ho any Diego, Mahajanga, hidina Toliara sy Fianarantsoa ao anatin’ny fanaovana filankevitry ny minisitra manakaiky vahoaka.

Rado Harivelo.

Fermer